FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w03 1/6 p. 3-4
  • Mbola Ilaina Ihany ve ny Manao Asa Soa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola Ilaina Ihany ve ny Manao Asa Soa?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasaina tsara ve ilay vola, sa lanilany foana?
  • Hanome ve sa tsy hanome?
  • Fanomezana Mahafaly An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • ‘Tiava ny namanao’ — inona no fomba mahasoa indrindra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Nahoana Isika no Mbola Mila Manome ho An’ilay Tompon’izao Rehetra Izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
w03 1/6 p. 3-4

Mbola Ilaina Ihany ve ny Manao Asa Soa?

NIAVAKA ny fanampiana nentin’ny besinimaro ho an’ireo niharan-doza, taorian’ilay fanafihana tany New York sy Washington, tamin’ny 11 Septambra 2001. Efa ho telo arivo tapitrisa dolara ny vola voarain’ireo fikambanana mpanao asa soa, mba hikarakarana ireo fianakaviana namoy havan-tiana. Taitra sy nalahelo noho ny fahavoazana lehibe nitranga ny olona avy amin’ny firenena maro, ka samy naniry hanampy.

Tsy ela taorian’izay anefa dia nanjary tezitra ny sasany, rehefa nahare fa nanodinkodina ny vola azony ny fikambanana malaza sasany. Maro koa no nisafoaka, rehefa nahare fa ny antsasaky ny vola 546 tapitrisa dolara voarain’ny fikambanana lehibe iray, dia nokasain’izy io hanaovana zavatra hafa, fa tsy hoentiny hanampiana ireo mana-manjo. Marina fa tsy notanterahin’ilay fikambanana indray izany, ary niala tsiny mihitsy aza izy. Kanefa, hoy ny mpanao gazety iray: “Araka ny mpitsikera, dia efa tara loatra io fiovan-kevitra io, sady tsy ampy hamerenana ny fatokisan’ny olona” an’ilay fikambanana. Ahoana ny aminao? Tsy atokisanao firy intsony ve ireo fikambanana mpanao asa soa tato ho ato?

Ampiasaina tsara ve ilay vola, sa lanilany foana?

Matetika no heverina ho mendri-koderaina izay manome vola ho an’ireny fikambanana ireny. Tsy miombon-kevitra amin’izany anefa ny rehetra. Roanjato taona lasa izay, dia hoy ilay mpanoratra anglisy atao hoe Samuel Johnson: “Azonao antoka kokoa fa manao soa olona ianao, rehefa manome azy karama ho valin’ny fisasarany, toy izay hanolotra azy vola fotsiny amin’izao.” Misy koa malaina hanome vola ho an’ireny fikambanana ireny ankehitriny. Vao mainka aza tsy matoky ny olona, rehefa mahare tatitra fa tsy mahay mitantana ny vola omena azy ny fikambanana sasany mpanao asa soa. Diniho, ohatra, ireto zava-nitranga vao haingana ireto.

Voaroaka ny direkteran’ny fikambanana ara-pivavahana iray mpanao asa soa any San Francisco. Voalaza fa ilay fikambanana no nasainy nandoa ireo 500 dolara laniny nisakafoanana tany amin’ny hotely isan-kerinandro, nandritra ny roa taona, sy ny fandidiana nanatsarana ny tarehiny. Tany Grande-Bretagne indray, dia nisy fandaharana lehibe iray natao tamin’ny televiziona mba hangatahana vola hanaovana asa soa. Menatra ireo mpiandraikitra azy io, satria tsy hita izay nanjavonan’ny vola ana hetsy dolara, tamin’ireo folo tapitrisa dolara nomena azy. Tokony ho nanaovany trano fitaizana ny kamboty any Romania io vola io, nefa trano tsizarizary 12 monja no voaorina. Rehefa dinihina ireo tatitra ratsy ireo, dia rariny raha mailo kokoa ny sasany, alohan’ny hanapahany hevitra hoe ohatrinona no homeny, ary ho an’iza.

Hanome ve sa tsy hanome?

Hampalahelo anefa raha tsy mety miahy sy mangoraka ny hafa isika, noho ny zavatra ataon’ny olona na fikambanana vitsivitsy. Hoy ny Baiboly: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany.” (Jakoba 1:27) Tena anisan’ny fomba fiainan’ny Kristianina tokoa ny fanampiana ny mahantra.

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Mbola tokony hanome vola ho an’ireo fikambanana mpanao asa soa ihany ve aho, sa aleo ny olona sahirana no hotolorako fanampiana mivantana?’ Inona no karazana fanomezana antenain’Andriamanitra hataontsika? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara