FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w06 1/3 p. 27
  • “Tohizo Ihany Aloha E!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Tohizo Ihany Aloha E!”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Andrey Nesmachniy: Tsy Nisy Afa-tsy Baolina ny Fiainako!
    Manova Olona ny Baiboly
  • Mpianatra kristiana noderaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Niova Ilay Mpampianatra
    Mifohaza!—2009
  • “Sambatra ny tia fihavanana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
w06 1/3 p. 27

“Tohizo Ihany Aloha E!”

NIANATRA momba ny asa soratr’i Mikhail Bulgakov, mpanoratra rosianina, ny kilasy iray tao amin’ny lise tany Nezlobnaya, any Rosia. Nanaratsy an’i Jesosy Kristy sady nanindrahindra an’i Satana ny boky iray nosoratan’io mpanoratra io. Nasain’ny mpampianatra nanao fanadinana an-tsoratra niorina tamin’io boky io ireo mpianatra. Nangataka tamim-panajana mba tsy hanao an’ilay fanadinana anefa i Andrey, Vavolombelon’i Jehovah, 16 taona. Tsy namela azy hamaky boky toa an’io mantsy ny feon’ny fieritreretany. Nangataka hanoratra lahatsoratra manazava ny fomba fiheverany an’i Jesosy Kristy kosa izy, ary nanaiky ilay mpampianatra.

Nohazavain’i Andrey tao amin’ilay lahatsoratra fa manaja ny hevitry ny hafa izy, nefa hitany fa ny famakiana ny iray amin’ireo Filazantsara efatra no fomba tsara indrindra hahafantarana an’i Jesosy. ‘Raha manao izany ianao’, hoy izy, dia ‘hianatra momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianarany, avy amin’ny fitantaran’ny olona nahita maso azy.’ Hoy ihany i Andrey: “Mampieritreritra kosa ny fomba ilazalazan’ny olona an’i Satana. Mety hahafinaritra ny sasany ny mamaky boky manindrahindra azy, fa tsy toy izany amiko.” Nohazavain’i Andrey fa anjely ratsy sady mahery, nikomy tamin’Andriamanitra, i Satana, raha ny marina, ka izy no nahatonga ny faharatsiana sy ny fampahoriana ary ny fijalian’ny olombelona. Izao no namaranan’i Andrey an’ilay lahatsoratra: “Mino aho fa tsy hitondra soa ho ahy ny famakiana an’io boky io. Tsy i Bulgakov akory no tsy tiako, fa aleoko mamaky ny Baiboly, mba hahafantarako ny tantara marina momba an’i Jesosy Kristy.”

Tena nahafaly an’ilay mpampianatra ilay lahatsoratra nosoratan’i Andrey, ka nangatahany hanomana lahateny momba an’i Jesosy Kristy izy. Nanaiky avy hatrany i Andrey. Nanao ilay lahateniny teo anatrehan’ny mpiray kilasy taminy izy, nandritra ny taranja literatiora nanaraka. Nohazavainy ny antony ninoany, fa i Jesosy no lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Namaky toko iray momba ny fahafatesan’i Jesosy, tao amin’ny Filazantsaran’i Matio, izy avy eo. Efa ho tapitra ny fotoana nomena azy hanaovany an’ilay lahateniny ka saika hofaranany, nefa hoy ny iray kilasy: “Tohizo ihany aloha e! Dia inona no nitranga avy eo?” Mbola novakin’i Andrey koa àry ny fitantaran’i Matio momba ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.

Nametraka fanontaniana maro momba an’i Jesosy sy Jehovah ny iray kilasy, nony vita ilay izy. Hoy i Andrey: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba homeny fahendrena, ary nihaino ahy izy. Afaka namaly ny fanontaniana rehetra napetrak’izy ireo aho!” Nomen’i Andrey an’ilay boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ilay mpampianatra azy,a rehefa nirava, ka faly erỳ. Hoy ihany i Andrey: “Nomeny naoty tsara be aho tamin’ilay lahateniko. Noderainy koa aho satria tena miaiky fa marina ny zavatra inoako, sady tsy menatra aho niresaka momba izany. Ary nilaza izy fa miombon-kevitra amiko amin’ny zavatra inoako sasany.”

Faly i Andrey satria nihaino ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly, ka tsy namaky boky manala baraka an’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany. Noho izany, dia tsy voaloton’ny hevitra tsy araka ny Soratra Masina ny sainy, sady afaka nanararaotra tsara izy niresaka ny fahamarinana sarobidy avy ao amin’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara