FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w12 15/8 p. 20-24
  • Mitandrema Amin’ny Fandriky ny Devoly!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema Amin’ny Fandriky ny Devoly!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AZA MANAO TENY TSY VOAFEHY
  • AZA MATAHOTRA OLONA
  • AZA MANAMELO-TENA TAFAHOATRA
  • FANTATSIKA NY TETI-DRATSIN’I SATANA
  • Tsy Voatery ho Voafandrik’i Satana Ianao!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • “Manohera ny Devoly”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Tohero i Satana, dia Handositra Izy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
w12 15/8 p. 20-24

Mitandrema Amin’ny Fandriky ny Devoly!

Miezaha ho “afaka amin’ny fandriky ny Devoly.”—2 TIM. 2:26.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

Inona ny fandinihan-tena tokony hataonao, raha tia manakiana ny hafa ianao?

Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Pilato sy Petera, ka manampy anao tsy ho resin’ny tahotra olona?

Inona no afaka manampy anao, mba tsy hanamelo-tena tafahoatra?

1, 2. Inona avy ny fandriky ny Devoly hodinihina ato amin’ity lahatsoratra ity?

MIHAZA antsika mpanompon’i Jehovah ny Devoly. Tsy ny hamono antsika anefa no tanjony fa ny hanao sambo-belona antsika, mba hahafahany hampiasa antsika amin’izay itiavany azy.—Vakio ny 2 Timoty 2:24-26.

2 Mety hampiasa fandrika ny mpihaza mba hahazoana biby velona. Mety hataony, ohatra, izay hampivoaka an’ilay biby avy ao amin’ny fiafenany, ary samboriny amin’ny tady ilay biby rehefa mivoaka. Mety hampiasa fandrika miafina koa izy, ka raha vao misy zavatra voadona amin’ilay fandrika, dia voasambotra ilay biby tsy manam-po na inona na inona. Toy izany no ataon’ny Devoly mba hanaovana sambo-belona ny mpanompon’i Jehovah. Tokony ho mailo àry isika, ka handinika tsara hoe aiza i Satana no mametraka fandrika. Hodinihintsika ato hoe ahoana no hanalavirana an’ireo fandrika telo fampiasan’ny Devoly, izay efa nahavoa ny Kristianina sasany: 1) Ny teny tsy voafehy, 2) ny tahotra olona, ary 3) ny fanamelohan-tena tafahoatra. Handinika fandrika roa hafa isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

AZA MANAO TENY TSY VOAFEHY

3, 4. Inona no mety ho vokany raha tsy mifehy ny lelantsika isika? Manomeza ohatra.

3 Mety hodoran’ny mpihaza ny faritra iafenan’ny biby, ka raha vao mitsoaka ilay biby dia samboriny. Toy izany koa no tian’i Satana hatao. Tiany hasiana afo eo anivon’ny fiangonana, ka raha vao miala ao isika dia samboriny mora foana. Mety ho isika mihitsy anefa no hanampy tsy nahy an’i Satana, ka efa tafiditra ao anaty fandriny ihany isika amin’izay. Amin’ny fomba ahoana?

4 Nilaza i Jakoba mpianatra fa toy ny afo ny lela. (Vakio ny Jakoba 3:6-8.) Toy ny hoe mandrehitra afo eo anivon’ny fiangonana isika, raha tsy mifehy ny lelantsika. Diniho izao ohatra izao: Nampandrenesina tany am-pivoriana hoe voatendry ho mpisava lalana maharitra ny anabavy iray. Niresadresaka momba izany ny anabavy roa, taorian’ny fivoriana. Faly be ny iray ary nilaza fa manantena izy hoe handeha tsara ny fanompoan’ilay anabavy. Ny iray kosa nilaza hoe te hoderaina fotsiny ilay anabavy, matoa mirotsaka ho mpisava lalana. Iza amin’izy roa no tianao ho namana? Tsy sarotra ny mahita hoe iza amin’izy roa vavy no mety hampisy afo eo anivon’ny fiangonana.

5. Inona ny fandinihan-tena tokony hataontsika, mba tsy hahatonga antsika hanao teny tsy voafehy?

5 Inona no azontsika atao mba tsy hahatonga antsika hanao teny tsy voafehy? Hoy i Jesosy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Mat. 12:34) Ny zavatra voalohany mila atao àry, dia ny mandinika ny fo. Miezaka ve isika mba tsy hanana an’ireo fihetseham-po mety hahatonga antsika hilaza teny mandratra? Azontsika dinihina, ohatra, hoe manao ahoana ny fihetsitsika rehefa rentsika hoe misy rahalahy miezaka hahazo tombontsoam-panompoana. Matoky ve isika hoe tsara ny antony anaovany izany? Sa miahiahy azy isika, ka mieritreritra hoe fitiavan-tena no anaovany an’ilay izy? Mila mitadidy ny nataon’ny Devoly isika, raha mora manakiana toy izany. Nilaza ny Devoly hoe antony ratsy no nahatonga an’i Joba hanompo an’i Jehovah. (Joba 1:9-11) Tsy tokony hiahiahy an’ilay rahalahintsika àry isika. Mila mandinika kosa isika hoe nahoana isika no manakiana azy. Manana antony tsara hanakianana azy ve isika, sa kosa ny fontsika no efa voapoizin’ny toe-tsaina tsy manam-pitiavana, miely amin’izao andro farany izao?—2 Tim. 3:1-4.

6, 7. a) Inona no mety hahatonga antsika hanakiana ny hafa? b) Inona no tokony hataontsika raha nisy olona nanevateva antsika?

6 Misy antony hafa koa mety hahatonga antsika hanakiana. Mety hoe tiantsika hisongadina kokoa ny zava-bitantsika. Kianintsika ny hafa mba hahatonga ny olona hieritreritra fa isika no tsara kokoa, ary ny hafa ratsy kokoa. Mety hanakiana ny hafa koa isika, satria te hanala tsiny ny tenantsika, noho isika tsy nanao ny zavatra tokony ho nataontsika. Ratsy foana anefa ny vokany, na ny fialonana no mahatonga antsika hanakiana ny hafa, na noho isika mihevi-tena ho ambony, na noho isika tsy matoky tena.

7 Mety hisy toe-javatra sasany anefa ieritreretantsika hoe rariny isika raha manakiana. Mety hoe nanao teny maharary antsika ny olona iray ka mampalahelo antsika izany na mampahatezitra antsika. Tsy tokony hamaly faty anefa isika, na izany aza. Vao mainka manampy trotraka an’ilay olana izany. Lasa manao ny sitrapon’ny Devoly koa isika amin’izany, fa tsy manao ny sitrapon’i Jehovah. (2 Tim. 2:26) Mila manahaka an’i Jesosy isika. “Tsy mba nanevateva izy” rehefa nisy nanevateva. ‘Nanankina foana ny fiainany tamin’ilay mitsara araka ny hitsiny’ izy. (1 Pet. 2:21-23) Natoky izy hoe hanao zavatra i Jehovah, amin’ny fotoana voatondrony sy araka ny fomba hitany fa mety. Tokony hatoky an’Andriamanitra toy izany koa isika. Manao izay hisian’ny “fihavanana” sy ny firaisan-tsaina eo anivon’ny fiangonana isika, raha manao teny manasitrana.—Vakio ny Efesianina 4:1-3.

AZA MATAHOTRA OLONA

8, 9. Nahoana i Pilato no nanameloka an’i Jesosy?

8 Tsy dia afaka mihetsika sy mandehandeha intsony ny biby iray rehefa voafandrika. Toy izany koa fa lasa tsy tena afaka mibaiko ny fiainany ny olona iray, rehefa resin’ny tahotra olona na milefitra amin’ny faneren’ny namany. (Vakio ny Ohabolana 29:25.) Hodinihintsika izao ny tantaran’ny lehilahy roa, izay resin’ny tahotra olona. Hojerentsika hoe inona no azontsika ianarana avy amin’izay nitranga tamin’izy ireo.

9 I Pontio Pilato, governora romanina, ny iray. Fantany hoe tsy nanan-tsiny i Jesosy, ka tsy te hanisy ratsy azy izy. Nilaza mihitsy aza izy hoe “tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty” i Jesosy. Nanameloka an’i Jesosy ho faty ihany anefa izy. Nahoana? Satria nilefitra izy rehefa noteren’ny vahoaka. (Lioka 23:15, 21-25) Natahotra angamba izy rehefa niantsoantso ny vahoaka hoe: ‘Tsy naman’i Kaisara ianao raha manafaka an’io.’ (Jaona 19:12) Mety ho nieritreritra i Pilato hoe hesorina tsy ho governora izy, na hovonoina ho faty mihitsy, raha manohana an’i Kristy. Nanjary nanao ny sitrapon’ny Devoly izy, vokatr’izany.

10. Inona no nahatonga an’i Petera handa an’i Kristy?

10 Ny apostoly Petera ilay faharoa. Anisan’ny naman’i Jesosy akaiky izy. Nilaza ampahibemaso izy hoe i Jesosy no Mesia. (Mat. 16:16) Tsy nivadika koa izy, rehefa nandao an’i Jesosy ireo mpianatra hafa, noho izy ireo tsy nahazo ny tian’i Jesosy holazaina. (Jaona 6:66-69) Nampiasa sabatra hiarovana an’i Jesosy koa izy, rehefa tonga hisambotra azy ny fahavalony. (Jaona 18:10, 11) Resin’ny tahotra anefa i Petera tatỳ aoriana, ka nilaza mihitsy hoe tsy mahalala an’i Jesosy Kristy. Fotoana fohy ihany izy no natahotra olona, nefa tsy nanana herim-po hanaovana ny tsara izy, rehefa tratran’izy io.—Mat. 26:74, 75.

11. Inona ny zavatra itarihan’ny olona antsika ka mila toherintsika?

11 Mila miady mafy ny Kristianina rehetra, mba tsy ho voataona hanao zavatra tsy mampifaly an’i Jehovah. Mety hanery antsika tsy hanao ny marina ny mpampiasa antsika na ny olon-kafa, na koa hitaona antsika haloto fitondran-tena. Mety hampirisika antsika hangala-tahaka amin’ny fanadinana ny mpiara-mianatra amintsika, na hitaona antsika hijery sary vetaveta, na hifoka sigara na rongony, na hiboboka toaka, na haloto fitondran-tena. Toy ny fandrika ny tahotra olona, ary mety hahatonga antsika hanao zavatra tsy mampifaly an’i Jehovah. Inona àry no hanampy antsika hiala amin’io fandrika io?

12. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Pilato sy Petera?

12 Hodinihintsika izao hoe inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Pilato sy Petera. Tsy dia nahalala firy an’i Kristy i Pilato. Fantany anefa hoe tsy nanan-tsiny izy, ary olona niavaka fa tsy toy ny olon-drehetra. Tsy nanetry tena anefa i Pilato ary tsy tia an’ilay tena Andriamanitra, ka azon’ny Devoly mora foana. I Petera indray nanana fahalalana marina tsara ary tena tia an’Andriamanitra. Tsy nanetry tena sy resin’ny tahotra olona koa anefa izy indraindray. Nirehareha izy talohan’ny nisamborana an’i Jesosy hoe ‘na hahafoy an’i Jesosy aza ny olona rehetra, izy tsy mba hahafoy azy.’ (Mar. 14:29) Vonona hiatrika fitsapana kokoa anefa izy, raha natoky an’i Jehovah toa ilay mpanao salamo izay nilaza hoe: “I Jehovah no momba ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olombelona atao amiko?” (Sal. 118:6) Tsy izany anefa no nataon’i Petera, rehefa jerena izay nitranga ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Tsy mba niambina izy sy ny apostoly hafa, rehefa nentin’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, fa resin-tory. Namoha azy ireo i Jesosy sady niteny hoe: “Miambena sy mivavaha foana mba tsy ho resin’ny fakam-panahy.” (Mar. 14:38) Mbola natory ihany anefa i Petera, ary resin’ny tahotra olona izy taorian’izay.

13. Inona no hanampy antsika hahatohitra ny fanerena hanao ratsy?

13 Misy zava-dehibe hafa koa ianarantsika avy amin’i Pilato sy Petera: Raha tiantsika ny hahatohitra ny faneren’ny hafa, dia tokony hanana fahalalana marina tsara isika, hanetry tena, ho tia sy hatahotra an’Andriamanitra fa tsy hatahotra olona. Raha mahalala ny marina isika dia hanjary hanam-pinoana. Hanampy antsika ho be herim-po izany rehefa miresaka ny zavatra inoantsika. Hanampy antsika koa izany mba handresy ny tahotra olona sy ny faneren’ny hafa. Tsy tokony hatoky tena be loatra anefa isika. Mila manetry tena isika, ka miaiky fa mila hery avy amin’Andriamanitra isika, mba hanoherana ny faneren’ny hafa. Mila mivavaka aminy isika ary mangataka ny fanahy masina. Raha tena tia an’Andriamanitra koa isika, dia ho vonona hankatò ny fitsipiny, ary tsy hanala baraka ny anarany. Ilaina koa anefa ny miomana mialoha mba hahafahana hiatrika fitsapana. Raha ampiantsika, ohatra, ny zanatsika mba hiomana mialoha sy hivavaka, dia ho hain’izy ireo hoe ahoana no hatao rehefa misy ankizy mitaona azy hanao ratsy.—2 Kor. 13:7.a

AZA MANAMELO-TENA TAFAHOATRA

14. Inona no tian’ny Devoly hoeritreretintsika?

14 Maka vatan-kazo na vato be ny mpihaza indraindray, ary ahantony amin’ny tady eo ambonin’ny lalana falehan’ny biby ilay izy. Raha vao voadonan’ilay biby ilay tady, dia mianjera ilay vatan-kazo na vato be, ka voatsindry ao izy, ary mety ho torotoro mihitsy. Toy ny hoe voatsindrin’ny vatan-kazo na vato be koa isika raha manamelo-tena tafahoatra. Mety ho torotoro fo isika, ka ho “kivy tanteraka” raha mieritreritra foana ny fahadisoana nataontsika. (Vakio ny Salamo 38:3-5, 8.) Tian’i Satana hieritreritra isika hoe be loatra ny fahotana nataontsika ka tsy hamindra fo amintsika i Jehovah. Tiany hieritreritra koa isika hoe tsy ho vitantsika mihitsy ny hanaraka ny fitsipik’i Jehovah.

15, 16. Inona no hanampy anao tsy hanamelo-tena tafahoatra?

15 Inona no hanampy anao tsy hanamelo-tena tafahoatra? Raha nanao fahotana lehibe ianao, dia miezaha hamitram-pihavanana amin’i Jehovah. Mangataha fanampiana amin’ny anti-panahy. (Jak. 5:14-16) Ahitsio izay fahadisoana nataonao. (Mat. 3:8) Aza kivy raha mahazo famaizana ianao. Porofon’ny fitiavan’i Jehovah anao izany. (Heb. 12:6) Aoka ianao ho tapa-kevitra tsy hamerina an’ilay fahotana intsony, ary mitandrema amin’izay rehetra nahatonga anao hanao an’ilay fahotana. Rehefa avy nibebaka ianao ary niova, dia matokia fa mamela ny helokao i Jehovah noho ny soron’i Jesosy Kristy.—1 Jaona 4:9, 14.

16 Mbola mahatsiaro ho meloka anefa ny olona sasany na dia efa nahazo famelan-keloka aza. Raha izany no tsapanao, dia tadidio fa namela ny helok’i Petera sy ireo apostoly hafa i Jehovah, nefa izy ireo nandao ny Zanany malala tamin’ny fotoana tena nilany fanampiana. Tadidio koa ilay lehilahy noroahina tao amin’ny fiangonan’i Korinto satria nanana fitondran-tena maharikoriko. Namela ny fahotany i Jehovah rehefa nibebaka izy. (1 Kor. 5:1-5; 2 Kor. 2:6-8) Misy olon-kafa koa resahin’ny Baiboly hoe nanao fahotana lehibe, nefa nahazo famelana rehefa nibebaka.—2 Tan. 33:2, 10-13; 1 Kor. 6:9-11.

17. Inona no soa raisintsika avy amin’ny vidim-panavotana?

17 Hamela sy hanadino ny fahotanao i Jehovah, raha tena mibebaka ianao ary manaiky ny famindram-pony. Aza mieritreritra mihitsy hoe tsy afaka manarona ny fahotanao ny soron’i Jesosy. Ho voafandrik’i Satana ianao raha mieritreritra an’izany. Na inona na inona hevitra tian’i Satana hoeritreretinao, dia matokia fa afaka manarona ny fahotan’izay rehetra mibebaka ny vidim-panavotana. (Ohab. 24:16) Manavesatra anao ny fieritreretana tafahoatra hoe meloka ianao. Ho afaka anefa izany, raha tena mino ny vidim-panavotana ianao. Hahazo hery koa ianao mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fonao sy ny sainao ary ny tenanao manontolo.—Mat. 22:37.

FANTATSIKA NY TETI-DRATSIN’I SATANA

18. Inona no azontsika atao mba tsy ho voafandriky ny Devoly?

18 Tsy mampaninona an’i Satana izay fandrika hahazoany antsika, fa rehefa azony isika dia faly izy. Fantatsika anefa ny teti-dratsiny, ka tsy voatery ho voafitany isika. (2 Kor. 2:10, 11) Tsy ho voafandrik’i Satana isika, raha mivavaka mba hahazo fahendrena hiatrehana fitsapana. Hoy i Jakoba: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.” (Jak. 1:5) Mila manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika koa isika, ka mianatra samirery tsy tapaka ary mampihatra izay ianarantsika. Manana an’ireo boky ara-baiboly isika, avy amin’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Toy ny jiro mampiharihary ny fandriky ny Devoly izy ireny, ka manampy antsika tsy ho voafandrika.

19, 20. Nahoana isika no tokony hankahala ny ratsy?

19 Manampy antsika ho tia ny tsara ny vavaka sy ny fianarana Baiboly. Tena ilaina koa anefa ny hoe mankahala ny ratsy. (Sal. 97:10) Manampy antsika tsy hanana fanirian-dratsy ny fieritreretana mialoha ny voka-dratsin’ilay faniriana. (Jak. 1:14, 15) Rehefa mianatra mankahala ny ratsy isika ary miezaka ho tia ny tsara, dia tsy hahasarika antsika mihitsy ireo zavatra ataon’i Satana hamandrihana antsika.

20 Mankasitraka an’i Jehovah isika, satria manampy antsika izy mba tsy ho voafitak’i Satana. Manafaka antsika “amin’ilay ratsy” izy, amin’ny alalan’ny fanahiny sy ny Teniny ary ny fandaminany. (Mat. 6:13) Hodinihintsika manaraka hoe ahoana no hanalavirana ny fandrika roa hafa fampiasan’ny Devoly, izay efa nahavoa ny Kristianina sasany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsara raha dinihin’ny ray aman-dreny miaraka amin’ny zanany ilay hoe: “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?”, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, pejy 132-133. Azo dinihina mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana izy io.

[Sary, pejy 21]

Toy ny hoe mampisy afo eo anivon’ny fiangonana isika, raha manao teny tsy voafehy

[Sary, pejy 24]

Hanavesatra anao ny fieritreretana tafahoatra hoe meloka ianao. Ho vitanao anefa ny hanaisotra izany!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara