FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp16 No. 3 p. 4
  • Diso ve Ianao Raha Malahelo Be?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Diso ve Ianao Raha Malahelo Be?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Ara-dalàna ve ny Fihetseham-po toy Izao?
    Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
  • Ato Amin’ity Gazety Ity: Inona no Hanampy Anao Hizaka ny Fahorianao?
    Mifohaza!—2018
  • Ahoana no Hahazakako ny Alaheloko?
    Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
  • Inona no Azoko Atao Rehefa Ilay Malahelo Be Iny Aho?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
wp16 No. 3 p. 4

MATOAN-DAHATSORATRA | NIDONAM-PAHORIANA VE IANAO?

Diso ve Ianao Raha Malahelo Be?

Efa nisy fotoana ve ianao narary? Angamba vetivety kely ianao dia sitrana, ary hadinonao tanteraka ilay izy avy eo. Tsy hoatr’izany anefa no tsapanao rehefa misy maty. Hoy ny Profesora Alan Wolfelt ao amin’ilay boky hoe Fampiononana ny Olona Maty Vady (anglisy): ‘Ny alahelo tsy mety “sitrana” izany. Tsy ho vitanao mihitsy ny hanadino an’ilay havanao maty. Rehefa misy olon-kafa manampy sy mampionona anao anefa, dia tsy halahelo be intsony ianao rehefa mandeha ny fotoana.’

Diniho, ohatra, izay nataon’i Abrahama rehefa maty i Saraha vadiny. Milaza ny Baiboly fa ‘niditra i Abrahama mba haneho ny alahelony sy hitomany azy.’ Raha jerena ny teny hebreo nilazana an’izany tany am-boalohany, dia hita fa elaela vao tena afaka ny alahelony.a Toy izany koa i Jakoba. Voafitaka izy hoe nohanin’ny bibidia i Josefa zanany, dia maty. Nalahelo an’io zanany io nandritra ny “andro maro” izy, ary tsy nahavita nampionona azy mihitsy ny havany. Mbola nalahelo be an’i Josefa foana izy, na dia taona maro tatỳ aoriana aza.—Genesisy 23:2; 37:34, 35; 42:36; 45:28.

Maty i Saraha, ary mitomany eo akaikiny i Abrahama

Nalahelo be i Abrahama rehefa maty i Saraha vadiny

Be dia be koa no mahatsapa hoatr’izany amin’izao, rehefa maty ny havany. Ireto misy ohatra anankiroa:

  • “Maty tamin’ny 9 Jolay 2008 i Robert vadiko. Hoatran’ny isan’andro ihany ny fiainanay tamin’io maraina io. Rehefa avy nisakafo maraina izahay, dia nifanoroka sy nifamihina ary samy niteny hoe: ‘Tiako ianao.’ Dia lasa niasa i Rob avy eo. Kanjo tratran’ny lozam-piarakodia nahatsiravina izy dia maty. Efa enin-taona izay no nahafatesany, fa mbola malahelo be an’azy foana aho. Hoatran’ny tsy ho vitako mihitsy ny hanadino an’azy.”—Gail, 60 taona.

  • “Na dia efa 18 taona mahery aza izay no nahafatesan’ny vadiko, dia mbola malahelo be an’azy foana aho. Rehefa mijerijery ny zavaboary aho ka mahafinaritra ahy ilay izy, dia any amin’azy foana ny saiko. Mieritreritra aho hoe faly erỳ izao izy raha nahita an’ireo.”—Etienne, 84 taona.

Ara-dalàna raha malahelo be hoatr’izany isika rehefa maty ny havantsika, ary ela be ilay izy vao afaka. Samy manana ny fomba anehoany ny alahelony anefa ny tsirairay, ka tsy mety ny mitsaratsara olona. Tsy tokony hanamelo-tena koa isika raha malahelo be loatra. Inona àry no azontsika atao mba hizakana ny alahelontsika, rehefa misy havana maty?

a Ela be koa vao afaka ny alahelon’i Isaka zanak’i Abrahama. Hitantsika ao amin’ilay hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”, ato amin’ity gazety ity, fa mbola nalahelo be foana i Isaka, telo taona taorian’ny nahafatesan’i Saraha reniny.—Genesisy 24:67.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara