FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp16 No. 4 p. 14-15
  • Mba Ampitahao Amin’ny Baiboly hoe ny Zavatra Inoanao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mba Ampitahao Amin’ny Baiboly hoe ny Zavatra Inoanao!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA NO HANAOVANA ILAY FAMPITAHANA?
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Iza moa i Jesosy Kristy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Iza no mankany an-danitra, ary nahoana?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
wp16 No. 4 p. 14-15

Mba Ampitahao Amin’ny Baiboly hoe ny Zavatra Inoanao!

KRISTIANINA ve ianao? Raha izany no izy, dia anisan’ireo olona roa arivo tapitrisa mahery eran-tany (efa ho 1 ao anatin’ny 3), izay milaza ho mpanara-dia an’i Kristy ianao. An’arivony izao ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, nefa mifanohitra ny fampianarany sy ny fomba fiheviny. Mety tsy hitovy amin’ny zavatra inoan’ny olon-kafa milaza azy ho Kristianina àry ny anao. Tena zava-dehibe anefa ve izay inoanao? Eny, raha tianao ny hampihatra izay lazain’ny Baiboly momba ny atao hoe Kristianina.

Nantsoina hoe “Kristianina” ny mpianatr’i Jesosy Kristy, tany am-boalohany. (Asan’ny Apostoly 11:26) Tsy nila nitondra anarana hafa izy ireo, satria iray ihany ny Fivavahana Kristianina tamin’izany. Samy nanaraka ny fampianarana sy tari-dalan’i Jesosy Kristy, mpanorina azy io, izy ireo. Ary ahoana ny amin’ny fivavahanao? Mino ve ianao fa izay nampianarin’i Kristy sy ninoan’ny Kristianina voalohany no ampianarin’izy io? Azonao antoka ve izany? Tokana ihany ny fomba ahalalana ny marina: Ampiasao ny Baiboly.

Diniho izao: Tena nohajain’i Jesosy Kristy ny Soratra Masina, satria nekeny ho Tenin’Andriamanitra. Tsy nankasitrahany ireo nihevitra ny fomban-drazana ho zava-dehibe kokoa, ka nanamaivana ny fampianaran’ny Baiboly. (Marka 7:9-13) Nampifanaraka ny zavatra ninoany tamin’ny Soratra Masina àry ny tena mpianatr’i Jesosy. Mila mandini-tena ny Kristianina tsirairay hoe: ‘Mifanaraka amin’ny Baiboly ve izay ampianarin’ny fivavahako?’ Ho voavaly izany raha manao fampitahana ianao.

Nilaza i Jesosy fa tokony hivavaka araka ny fahamarinana isika, ary ao amin’ny Baiboly no misy ny fahamarinana. (Jaona 4:24; 17:17) Niteny koa ny apostoly Paoly fa ho voavonjy izay manana “fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4) Tokony hifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly àry ny zavatra inoantsika, mba ho voavonjy isika!

AHOANA NO HANAOVANA ILAY FAMPITAHANA?

Asainay ianao hamaky an’ireo fanontaniana enina ato amin’ity lahatsoratra ity, sy hijery ny valiny omen’ny Baiboly. Jereo ao amin’ny Baiboly mihitsy ireo andininy ary saintsaino. Diniho avy eo raha mifanaraka amin’ny Baiboly ny fampianaran’ny fivavahanao.

Tena zava-dehibe ny hanaovanao an’io fampitahana fohy io. Misy fampianarana hafa tianao hampitahaina amin’izay lazain’ny Baiboly ve? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao handalina ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Miresaha àry amin’izy ireo raha te hianatra Baiboly maimaim-poana ianao, na midira ao amin’ny tranonkalanay jw.org/mg.

1 FANONTANIANA: Iza moa Andriamanitra?

VALINY: I Jehovah, Rain’i Jesosy, no Andriamanitra. Efa nisy foana izy ary hisy mandrakizay. Mpamorona ny zava-drehetra izy sady mahery indrindra.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?

“Isaoranay mandrakariva Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, rehefa mivavaka ho anareo izahay.”—Kolosianina 1:3.

“Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao.”—Apokalypsy 4:11.

Jereo koa ny Romanina 10:13; 1 Timoty 1:17.

2 FANONTANIANA: Iza moa i Jesosy Kristy?

VALINY: Zanak’Andriamanitra lahimatoa i Jesosy. Noforonina izy, izany hoe nanam-piandohana. Eo ambany fahefan’Andriamanitra izy, ary manao ny sitrapony.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?

“Ny Ray dia lehibe noho izaho.”—Jaona 14:28.

“[Jesosy] no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary izy koa no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.”—Kolosianina 1:15.

Jereo koa ny Matio 26:39; 1 Korintianina 15:28.

3 FANONTANIANA: Inona moa ny fanahy masina?

VALINY: Hery ampiasain’Andriamanitra hanatanterahana ny sitrapony ny fanahy masina. Tsy Andriamanitra izy io. Mety ho feno fanahy masina ny olona iray, ary mety hahazo hery avy amin’izy io.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?

“Rehefa nandre ny fiarahaban’i Maria i Elizabeta, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony. Ary feno fanahy masina i Elizabeta.”—Lioka 1:41.

‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina.’—Asan’ny Apostoly 1:8.

Jereo koa ny Genesisy 1:2; Asan’ny Apostoly 2:1-4; 10:38.

4 FANONTANIANA: Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

VALINY: Fitondram-panjakana any an-danitra io Fanjakana io, ary i Jesosy no Mpanjakany. Tsy ho ela dia hotanterahin’izy io eran-tany ny sitrapon’Andriamanitra.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?

“Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahafito, dia nisy feo mafy tany an-danitra, nanao hoe: ‘Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay.’”—Apokalypsy 11:15.

Jereo koa ny Daniela 2:44; Matio 6:9, 10.

5 FANONTANIANA: Mankany an-danitra daholo ve ny tsara fanahy?

VALINY: Tsia. Olona vitsivitsy tsy mivadika ihany no mankany. Antsoina hoe “ondry vitsy” izy ireo, ary Andriamanitra no mifidy azy. Hiara-mitondra amin’i Jesosy izy ireo, ary hanjaka amin’ny olombelona.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?

“Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.”—Lioka 12:32.

“Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy.”—Apokalypsy 20:6.

Jereo koa ny Apokalypsy 14:1, 3.

6 FANONTANIANA: Inona no fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny olombelona?

VALINY: Ho lasa paradisa ny tany rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho salama tsara sy hiadana foana ary ho velona mandrakizay ny olona tsy mivadika.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?

‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’—Salamo 37:10, 11.

“Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

Jereo koa ny Salamo 37:29; 2 Petera 3:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara