FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp19 No. 2 p. 8-9
  • Raha Nivadika Taminao ny Vadinao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Raha Nivadika Taminao ny Vadinao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDININ-TENY AFAKA MANAMPY
  • Mamera Tanjona eo Am-piatrehana ny Fiharatsian’ny Fahasalamana
    Mifohaza!—2001
  • Rahoviana Isika no Mila Mpampionona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Azo Atao ve ny Mihavana Indray?
    Mifohaza!—1999
  • Nahay Nifidy Asa Aho
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
wp19 No. 2 p. 8-9
Vehivavy iray mivavaka

Raha Nivadika Taminao ny Vadinao

“Niteny tamiko ny vadiko hoe handeha, hono, izy fa nahita vehivavy tanora kokoa. Tsy te ho velona intsony aho tamin’izay. Tsy rariny ilay izy raha jerena ny zavatra rehetra nataoko ho an’azy hatramin’izay.”​—Maria, Espaina.

“Hoatran’ny hoe nisy banga tato anatiko, rehefa nandao ahy tampoka ny vadiko. Rava ny nofinay, ny zavatra nantenainay sy noeritreretinay hatao. Nisy fotoana aho nieritreritra hoe efa tsy naninona intsony, nefa avy eo kivy be indray.”​—Bill, Espaina.

MAFY BE ny mahazo ny olona iray rehefa nijangajanga ny vadiny. Misy ihany aloha mahavita mamela ny vadiny sy mifandray tsara aminy indray.a Na rava anefa ilay tokantrano na tsia, dia mijaly be foana ny olona iray rehefa nivadika taminy ny vadiny. Inona àry no hanampy azy?

ANDININ-TENY AFAKA MANAMPY

Betsaka no mahita hoe tena mampahery azy ireo ny Baiboly. Nianaran’izy ireo tao hoe hitan’Andriamanitra ny ranomasony sy ny fahoriany.​—Malakia 2:13-16.

“Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby ahy, dia nampionona sy nampitony ahy ianao.”​—Salamo 94:19.

Hoy i Bill: “Rehefa mamaky an’io andinin-teny io aho, dia hoatran’ny hoe eo akaikiko eo i Jehovah. Manambitamby ahy hoatran’ny ataon’ny ray tsara fanahy izy, dia maivamaivana ny fahoriako.”

“Ny olona tsy mivadika no tsy ivadihanao.”​—Salamo 18:25.

Nanitsakitsaka an’i Carmen ny vadiny, nandritra ny volana maromaro. Hoy izy: “Nivadika tamiko ny vadiko. Fantatro anefa hoe i Jehovah tsy hivadika amiko mihitsy. Tsy handao ahy mihitsy izy.”

“Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo.” ​—Filipianina 4:6, 7.

Izao no nolazain’i Sasha: “Novakiko foana io andinin-teny io.” Hoy ihany izy: “Lasa nilamin-tsaina aho arakaraka ny niresahako tamin’Andriamanitra.”

Efa saika nilavo lefona daholo ireo olona voaresaka teo ireo. Natoky an’i Jehovah Andriamanitra anefa izy ireo. Nampahery azy ireo koa ny namaky ny Teniny. Hoy i Bill: “Hoatran’ny hoe efa potika tanteraka ny fiainako, nefa lasa nisy dikany indray. Soa ihany aho fa nanam-pinoana. Tsy nandao ahy mihitsy Andriamanitra, ‘na dia namakivaky lohasaha maizim-pito aza aho.’”​—Salamo 23:4.

a Inona no hanampy anao hanapa-kevitra hoe hamela ny vadinao na tsia? Jereo ilay andian-dahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey 1999 hoe “Ahoana Raha Manitsakitsaka ny Vady?”

Inona no Azonao Atao?

Misaintsaina andinin-teny mampahery.

Hoy i Bill: “Ny bokin’i Joba aloha no novakiko, dia avy eo ny Salamo. Notsipihiko izay andinin-teny nahakasika ahy. Hitako hoe nalahelo sy niady saina be hoatran’ahy koa ny olona voaresaka ao amin’ireo boky ireo.”

Mihaino mozika na mitendry zavamaneno.

Izao no nolazain’i Carmen: “Nihaino mozika aho rehefa tsy nahita tory. Nanampy ahy tsy ho kivy izany.” Nilaza koa i Daniel hoe: “Nianatra nitendry gitara aho. Nampilamina ny saiko ny feon’ilay izy.”

Mamboraka ny fihetseham-po amin’ny hafa.

Hoy i Daniel: “Lehilahy maromaro izahay no mpinamana. Niresaka ny zavatra tsapako tamin-dry zareo aho isan’andro, na dia tsy fanaoko aza izany taloha. Indraindray taratasy no nalefako. Tena nanampy ahy izany.” Hoy koa i Sasha: “Nanampy be ny fianakaviako. Teo foana i Neny rehefa nila niresaka aho. I Dada indray nanome toky hoe tena tian-dry zareo aho. Nampiany koa aho mba hiarina tsikelikely.”

Mivavaka tsy tapaka.

Hoy i Carmen: “Nivavaka foana aho. Tsapako hoe tsy nandao ahy mihitsy Andriamanitra, fa nihaino ahy sady nanampy ahy. Lasa akaiky kokoa azy aho tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara