FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/03 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanitsiana ny Fivoriana Andavanandro
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fandaharam-pivoriana Vaovao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Midira Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra!
    2023-2024 Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra Miaraka Amin’ny Solontenan’ny Sampana
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 11/03 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Iza no tokony hanao ny fampandrenesana amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana?

Ny zava-kendren’io anjara io dia ny hampahafantatra ny fiangonana ireo tsipiriany lehibe amin’ny fanompoana. Fampahatsiahivana fotsiny ny fampandrenesana sasany, ary miverina isan-kerinandro. Tokony hambara mazava anefa ny fampandrenesana rehetra, ary tsy misy tokony holazaina maimaika fotsiny.

Anti-panahy no tokony hanao ny fampandrenesana sasany. Hifidy anti-panahy mahay tsara hanao izany ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na dia rahalahy hafa aza no voatendry hanao ireo fampandrenesana hafa.

Mety hisy fanazavana natokana ho an’ny anti-panahy ao amin’ny taratasy nalefa ho an’ny fiangonana. Anti-panahy amin’izay no tokony hilaza ireo fanazavana mihatra amin’ny fiangonana. Tsara kokoa raha anti-panahy mahay no asaina mamaky taratasy misy tari-dalana manokana ho an’ny fiangonana, avy atỳ amin’ny biraon’ny sampana. Ohatra amin’izany ny taratasy manasa antsika hanoratra ho an’ny manam-pahefana, mahakasika ireo rahalahintsika enjehina. Ny taratasy sasany dia mety hanazava tsipiriany momba ny zavatra hatao, toy ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra.

Misy fampandrenesana lehibe indraindray tsy maintsy atao mba hahasoa ny fiangonana, ary tokony horesahina mazava tsara ilay izy. Tsara kokoa raha anti-panahy no manao izany.

Tokony hazava sy ho fohy foana ny fampandrenesana, na anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana no manao azy. Raha arahina tsara ireo toro lalana ireo, dia ho azo antoka fa mety ny fomba ampitana ireo toromarika amin’ny fiangonana, ka handroso amim-piraisan-tsaina ny rehetra.​—Sal. 133:1; 1 Kor. 14:8, 9, 40.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara