Valin’ny Fanontanianareo
◼ Tokony hanaovana tatitra isam-bolana ve ny fianaram-pianakaviana?
Izao no tarehimarika betsaka indrindra azon’ny ray aman-dreny kristianina lazaina amin’ny tatitra, raha tsy vita batisa ny sasany amin’ireo zanany manatrika ilay fianarana: ora iray isan-kerinandro, fiverenana mitsidika iray isan-kerinandro, ary fampianarana Baiboly iray isam-bolana. Ireo no tarehimarika ambony indrindra soratany, na dia mihoatra ny adiny iray aza ilay fianarana, na mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro, ary na dia ampianarina tsirairay aza ny ankizy.—Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 105.
Tsy tokony hampidirina amin’ny tatitra isam-bolana mihitsy ilay fianaram-pianakaviana, na ny fotoana lany amin’izany, raha vavolombelona vita batisa daholo no ao amin’ilay fianakaviana (raha tsy misy ankizy mianatra boky faharoa, taorian’ny batisany). Ny asa fitoriana sy fampianarana Baiboly amin’ny olona tsy vita fanoloran-tena sy batisa mantsy no tena aseho ao amin’ny tatitra momba ny fanompoana. (Matio 24:14; 28:19, 20) Izany akory tsy midika hoe tsy zava-dehibe loatra ny fitarihana fianarana toy izany tsy tapaka.
Andraikitry ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanany. Afaka mangataka fanampiana amin’ny anti-panahy izy ireo, raha tsy manao fianaram-pianakaviana na tokony hanatsara azy io. Mety ho tsara kokoa indraindray, raha mpitory hafa no mampianatra zanaka tsy vita batisa. Tsara kokoa anefa ny manontany mialoha ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na ny mpiandraikitra ny fanompoana. Afaka manao tatitra momba io fianarana Baiboly io toy izay ataony amin’ny mpianany hafa, ilay mpitory, raha nahazo lalana hitarika izany.
Mitaky fotoana sy ezaka be lavitra noho izay aseho ao amin’ny tatitra momba ny fanompoana, ny fampianarana ny ankizy ny lalan’i Jehovah. (Deot. 6:6-9; Ohab. 22:6) Deraina ny ray aman-dreny kristianina, noho izy ireo miantsoroka ny andraikiny hitaiza ny zanany amin’ny “fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.”—Efes. 6:4.