Fampandrenesana
* Zavatra atolotra amin’ny febroary: Boky fanao am-paosy tranainy 3 amin’ny sarany 900 FMG. Azo atao ny manolotra boky roa amin’ny sarany 600 FMG, na boky iray amin’ny sarany 300 FMG.
* Zavatra atolotra amin’ny martsa 1990: Boky fanao am-paosy tranainy amin’ny sarany 300 FMG ny iray.
* Zavatra atolotra amin’ny aprily sy may 1990: Famandrihana herintaona amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana na La Tour de garde na Réveillez-vous! Par Avion amin’ny sarany 14.650 FMG. Ny mpitory maharitra dia handrotsaka 12.650 FMG amin’ny mpikarakara. Raha toa ka lavina ny fanolorana dia azo atao ny manolotra gazety roa miaraka amin’ny bokikely iray ohatra Mifalia (na bokikely mitovy vidy aminy) amin’ny sarany 540 FMG. [Ny gazety roa moa dia 300 FMG no sarany ary ny bokikely Mifalia dia 240 FMG]. Io sarany vaovao io dia nanomboka nanan-kery tamin’ny 1 janoary 1990.
* Famandrihana amin’ny teny Anglisy amin’ny gazety Réveillez! na Ny Tilikambo Fiambenana PAR AVION: 15.800 FMG ny famandrihana herintaona ho an’ny mpitory sy ny olona ivelany—7.900 FMG ny famandrihana enim-bolana ho an’ny mpitory sy ny olona any ivelany. Ny mpitory maharitra dia handrotsaka 13.800 FMG amin’ny mpikarakara ho an’ny famandrihana herintaona ary 6.900 FMG ho an’ny famandrihana enim-bolana.
* Ny famandrihana herintaona Par Avion amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny Gujarati dia 7.900 FMG ho an’ny mpitory sy ny olona any ivelany. Ny mpitory maharitra dia handrotsaka 6.900 FMG amin’ny mpikarakara.
* Ireo mpitory maharitra voatendry tamin’ny 1 Aogositra 1989 sy talohan’io daty io dia mahazo maimaimpoana ny boky Parole de Dieu sy ny bokikely Trinité ary Les Jeunes s’interrogent.
* Satria misy kongregasiona nanafatra ny gazety Réveillez-vous! amin’ny fiteny malagasy tsy nandefa ny adiresy ahatongavan’ny gazetiny na nanety ny adiresy izay hita eo fonosana iray amin’ireo gazety, tonga any aminy na koa nanadino ny nandefa ny nomeraon’ny kongregasionany dia iangaviana izy ireo mba hanoratra aty amin’ny Sampana haingana ary mba hameno ny fanazavana ilaina satria raha tsy izany dia mety tsy hahazo ny gazetiny izy ireo.
* Tahiry ato amin’ny Sampana: La Bible Parole de Dieu ou des hommes?; Doit-on croire à la Trinité; Les jeunes s’interrogent; Hiaina mandrakizay; Ny Bokiko; Tsy mahay mandainga; Fiainam-pianakaviana sambatra; Mifalia; Fiadanana sy Filaminana; Louons Jéhovah par nos chants (Velarana kely sy velarana lehibe)