Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 5 FEBROARY
Hira 15.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana. Ampirisiho ireo mpitory mba hisaintsaina dieny izao mba ho mpitory maharitra mpanampy amin’ny aprily 1990.
25 min: Firaketana ara-pitsaboana sy kara-panondro. Ny mpitantsoratra dia hampizara ireo karatra sy handinika lalina ny taratasy tamin’ny 4 janoary 1990 momba ireo firaketana ara-pitsaboana natokana ho an’ny mpitory vita batisa sy ireo kara-panondro natao ho an’ny ankizy tsy ampy taona tsy vita batisa izay Vavolombelona ny rainy, ny reniny, na izy roa. Asehoy amin’ny mpanatrika ny hoe nahoana ireo toromarika ireo no tsy maintsy arahina amim-pitandremana fatratra mba hiasan’ireny karatra ireny amin’ny fomba mandaitra indrindra araka izay azo atao ho fiarovana antsika.
10 min: Diniho ny foto-dresaka ary manaova fampisehoana iray na roa miaraka amin’ny zavatra atolotra amin’ny volana.
Hira 51 (vaovao) sy vavaka famaranana
HERINANDRO MANOMBOKA NY 12 FEBROARY
Hira 100 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Rapaoron’ny Toe-bola.
20 min: “Mpiasa kinga mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra”—Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Vakio ireo andalan-teny ao amin’ny Baiboly voalaza raha toa ka mamela ny hanaovana izany ny fotoana. Sorito fa alohan’ny zavatra rehetra dia minisitra isika. Aoka isika hiezaka mba hahay hampiasa tsara ny Baiboly. Aoka isika tsy hianina amin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra. Ny mpiandraikitra ny Sekoly na ny mpiandraikitra ny asa dia hanao fampisehoana iray ny amin’ny fomba fanampiana mpitory vaovao iray mba hifankazatra amin’ireo zavatra mampiavaka ny Traduction du monde (édition 1987).
15 min: “Babylona lehibe ny fandravana azy”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/8/89 pp. 3-7)
Hira 10 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 19 FEBROARY
Hira 112 (vaovao)
7 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny volana janoary 1990?
20 min: “Aoka isika hampiseho ny fahatokiantsika an’i Jehovah amin’ny maha-mpitory maharitra”—Fandinihana amin-kafanam-po ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny tarihin’ny mpiandraikitra ny asa. Manaova fanadinadinana mpitory maharitra iray na roa amin’ny fampisongadinana ny fifaliana tsapany arakaraka ny fandreseny ireny fahasahiranana. Lazao izay natao teo an-toerana mba hitondrana fanampiana azo ampiharina amin’ireo mpitory maharitra.
18 min: Aoka isika hanohina ny fon’ny tanora. Mandinika fohy hevitra notsoahina avy tamina zavatra vita an-tsoratra natokana indrindra hanampiana ny tanora ny loholona iray. Mandray soa ny mpianakavy manontolo, tsy amin’ny fiaraha-mianatra tsy tapaka ihany, fa amin’ny fifanakalozan-kevitra ara-panahy koa raha mety ny fotoana. Manaova fampisehoana fifanakalozan-kevitra atao ao anatin’ny fianakaviana iray ahitana ilay ray manana fifandraisana mafana amin’ireo zanany. Manao resadresaka tsy misy tohiny izy ireo fa tsy fianarana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny akory. Manontany ny ankizy iray raha azony atao ny miara-milalao baolina amin’ny ankizy eo amin’ny manodidina. Diniho ny pejy faha-64 ka hatramin’ny 67 amin’ny boky Les jeunes s’interrogent. Manontany ilay ankizy ny rainy mba hahafantarana tsara raha takany sy ekeny ireo fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly tafiditra amin’izany. Sorito fa tsy voatery hanana ho namana akaiky olona mitovy taona amin’ny tena ny tena. Mifidiana tanora izay efa namaky tapany sasantsasany amin’ilay boky, ary anontanio azy ireo ny heviny ny amin’izany. Asao izy ireo hilaza hoe amin’ny ahoana ireo hevitra velabelarina no mahasoa. Ampirisiho ny tanora hamaky ilay boky ary antitrantero ny ilàn’ny ray aman-dreny hahafantatra tsara izay ao anatiny raha tiany ny hilaza hevitra mifanentana sasantsasany nalaina avy ao, mandritra ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny fianakaviana.
Hira 30 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 26 FEBROARY
Hira 44 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary “Vaovao teokratika”. Aza hadinoana ny mampahatsiahy ny fiaraha-mitory amin’ny alahady voalohany amin’ny volana.
15 min: “Valin’ny fanontanianareo”—Fiaraha mandinika.
20 min: Fanipazan-kevitra azo ampiharina mba hampielezana ireo gazety. Diniho ireto fanipazan-kevitra manaraka ireto ary miangavia mpitory vitsivitsy mba hilaza ny vokatra azony tamin’ny fampiharana azy: 1) Vakina ireo gazety mba hahalalana tsara ny ao anatiny. 2) Fantarina tsara ny hoe lahatsoratra inona avy no manintona fahalianana manokana ao amin’ilay faritra. 3) Fanandramana mandray anjara amin’ny fampielezana gazety amin’ny takariva. 4) Tsy firesahana afa-tsy foto-kevitra iray ihany, ary tsy fampisehoana afa-tsy gazety iray monja, ny anankiray hafa atolotra miaraka aminy fotsiny. 5) Firesahana miadana sy mazava amin’ny feo mampiseho fisakaizana. Ampirisiho ny tsirairay hanaraka ireo fanipazana-kevitra ireo rehefa mampiely ny gazety eny amin’ny faritany izy.
Hira 7 sy vavaka famaranana