Mpiasa kinga mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra
1 Natao ho “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” tokoa ny minisitra kristiana. (1 Kor. 3:9.) Tokony hataontsika ho zava-kendrena ny ho tonga mpiasa kinga kokoa raha ny amin’ny ‘fampiasana tsara ny teny fahamarinana’.—Tim. 2:15, MN.
2 Mba hanampiana antsika ho tonga kinga amin’ny fanompoana kristiana no nanomezan’ny Fikambanana endrika maromaro mampiavaka manokana ny Les Saintes Ecritures—Traduction du monde nouveau. Fantatrao tsara ve izy ireny? Moa ve ianao mampiasa azy ireny eo amin’ny faritry ny fitoriana sy ny fianarana manokana ny Baiboly ataonao?
Fitaovana iray ahazoana tombontsoa maro be
3 Toy inona moa ny fihetseham-po tsapantsika rehefa nandray ny Les Ecritures grecques chrétiennes—Traduction du monde nouveau isika tamin’ny 1963! Avy eo, rehefa navoaka ny Les Saintes Ecritures—Traduction du monde nouveau misy fakaàn-teny tamin’ny 1987, dia hitantsika fa ny “appendice” (fanazavana fanampiny) sy ireo fizahan-teny dia tena ilaina amin’ny fanompoantsika sy amin’ny fanomanana ireo fivorian’ny kongregasiona ary amin’ny fianarana manokana amin’ny ankapobeny. Endrey izany fitaovana miavaka sy fanampiana mba hahatongavana ho mpiasa kinga mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra! Amin’ny fampiasana amim-paharisihana an’io fitaovana ahazoana tombontsoa maro be io, dia ampy fitaovana kokoa noho ny teo aloha isika izao mba hanorenana toetra ara-panahy matanjaka ao amintsika sy ao amin’ny hafa.—Matio 7:24; 1 Tim. 4:16; Heb. 5:14.
4 Eny am-pitoriana eny ianao dia mety ho sendra katolika iray tso-po izay hanonona aminao ny Matio 16:18 mba hanaporofoana fa Petera no ilay vatolampy iorenan’ny Eglizy katolika. Amin’ny toe-javatra toy izany àry, dia tadiavo io andininy io ao amin’ny Baibolinao Traduction du monde nouveau; eo amin’ny hoe “masse rocheuse” dia hasaina hijery andinin-teny dimy ianao. Manaporofo ireo andinin-teny ireo hoe Kristy no Fanorenana ny kongregasiona fa tsy Petera.
5 Ny faritra mitondra ny lohateny hoe “Sujets de conversation bibliques” dia endriny hafa iray mampiavaka azy, izay tena ilaina tokoa eny am-pitoriana. Rehefa mitory ao amin’ny faritany iray iasana matetika ianao, dia angamba tianao ny hifidy foto-dresaka iray hafa noho izay atolotry ny fanompoantsika ilay Fanjakana. Ny lohahevitra toy ny hoe “Derniers jours”, “Royaume” na “Terre”, dia manome andinin-teny azo ampiasaina mba hanatsarana ny fampisehoana atao isan-trano na hanohanana ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fiverenana mitsidika.
Fanampiana mba hitadidy
6 Raha toa, amin’ny fifanakalozan-kevitra ara-baiboly, ka tsy hitanao ny andinin-teny iray tadiavinao, dia jerenao fotsiny ao amin’ny hoe “Index des mots bibliques les plus importants”, ao amin’ny faran’ny Baibolinao; hitondra ny fanampiana izay ilainao izy io. Moa ve ianao mampiasa an’io endriny iray mampiavaka azy izay sarobidy io?
7 Ny sasin-teny ao amin’ny pejy faha-5 dia manaporofo amin’ny fomba mampiaiky fa zava-bita iray natao tamim-pahiratan-tsaina ny Traduction du monde nouveau. Mampiseho mazava tsara ny antony maha-mety ny hampiasana ny anaran’Andriamanitra ny fanazavana fanampiny. Porofoiny amin’ny alalan’ny Soratra Masina koa ny hevitry ny teny hoe “fanahy (âme)”, “Gehena”, “Hadesy” ary “Sheola”. Ankoatra izany, ny “Table des livres de la Bible”, ao amin’ny pejy faha-1538 sy 1539, dia manondro hoe iza no nanoratra ny tsirairay avy aminy, taiza, tamin’ny vanim-potoana inona ary mahafaoka fe-potoana manao ahoana ilay boky.
8 Tsy azo iadian-kevitra fa Jehovah dia nanome antsika rehetra izay ilaintsika mba “ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” isika. (2 Tim. 3:17.) Raha toa isika ka mampiasa ny Traduction du monde nouveau ankoatra ireo zavatra vita an-tsoratra atolotsika, dia hanana fanantenana feno hanatanteraka amim-pahombiazana ny asa izay nankinina tamintsika (Lioka 6:47, 48). Ary raha miseho ho mpiasa kinga, mahay mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra isika dia manantena ara-drariny ny hitenenan’ny Mpampianatra amintsika hoe: “Tsara izany”.—Matio 25:21.