Aoka isika hitory ny vaovao tsara amim-pahasahiana
1 Niavaka teo amin’ny Tantara ny kristiana marina noho ny fahasahiany. Ny apostoly Petera sy Jaona no ohatra voalohany tamin’izany. Tsy nahasakana azy ireo tsy hanohy hiresaka ny amin’ny fahamarinana tsy amin-tahotra sy tamim-pahasahiana ny fampidirana an-tranomaizina sy ny fandrahonana (Asa. 4:18-20, 23, 31b). Nanohy ny fanompoany tamim-pahasahiana tao amin’ny faritany iray nanahirana koa i Paoly na dia teo aza ny fanenjehana maro.—Asa. 20:20; 2 Kor. 11:23, 28.
2 Nahoana no tsy nitsahatra nitory ny vaovao tsara tamim-pahasahiana ireo apostoly, ary avy eo ny kristiana hafa, nandritra ny Tantara, na dia be aza ny fanoherana? Mamaly izany fanontaniana izany amin’izao teny izao ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 2:2: “Sahy tao amin’Andriamanitra izahay hiteny taminareo ny filazantsaran’Andriamanitra.” Noho Andriamanitra koa no nahafahan’i Petera sy Jaona ary ny mpianatra hafa nanambara ny vaovao tsara tamim-pahasahiana. Rehefa afaka avy tao an-tranomaizina ry Petera sy Jaona dia nanatona an’ireo kristiana namany ary, tao amin’ny vavaka no nitalahoany tamin’i Jehovah mba hanome azy herim-po sy tanjaka mba ‘hanohizana hitory ny teniny amin’ny fahasahiana rehetra’. Nohenoin’Andriamanitra teo no ho eo izany vavaka izany, satria “feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana”.—Asa. 4:29, 31.
AOKA ISIKA HAMPISEHO NY FATOKIANTSIKA AN’I JEHOVAH
3 Nino ireo apostoly fa nanohana azy i Jehovah. Tanteraka avokoa ny fampanantenana rehetra voalaza ao amin’ny Teniny. Fa raha ny amin’ireo izay tokony mbola ho tanteraka, dia azo antoka ny fahatanterahany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Moa ve isika manana toky toy izany, izay manosika hitory ny vaovao tsara amim-pahasahiana? Marina fa tsy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra isika na manasitrana marary, nefa kosa manana porofo maro be ny amin’ny fanohanan’i Jehovah isika. Moa ve ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly manosika antsika hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amim-pahasahiana?
4 Tokony hampoizintsika anefa fa ho tojo fanoherana ny fitoriana amim-pahasahiana ataontsika (Jaona 15:20). Toy izany koa no izy tamin’i Jesosy sy ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nahasakana azy na nampangatsiaka ny hafanam-pony anefa izany. Raha ny marina aza dia mazàna no nanome azy ireo fahafahana hampiely misimisy kokoa ny vaovao tsaran’ny Fanjakana izany fanoherana izany (Asa. 4:3, 8-13a). Noho isika mitandrina izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny raharaha iankinan’ny aina, dia mazàna no angatahina isika hanazava ny toerana tanantsika. Hihevitra ireny toe-javatra ireny ho toy ny fahafahana hanambara ny vaovao tsara amim-pahasahiana isika. Amin’ny fanaovana toy izany no anahafantsika an’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny.
5 Manome antsika fahafahana hanambara misimisy kokoa ny vaovao tsara ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Maro no hanao izany amin’ny aprily sy may, ary ny hafa dia manao fandaminana mba hanao izany mandritra ireo volana amin’ny lohataona. Moa ve ny toerana misy anao mamela anao hameno taratasy fangatahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy? Amin’ny fanaovana ezaka mba handraisana anjara amin’io asa io no anahafantsika an’i Paoly sy Barnabasy, izay ‘nitoetra ela mba hitory tamim-pahasahiana noho ny fatokiany an’i Jehovah’, araka ny voalazan’ny Asan’ny apostoly 14:3. Raha manararaotra ny fotoana fanaovana asa hafa isika mba hanokanana 60 ora fara fahakeliny amin’ny fitoriana mandritra ny volana iray, dia azo antoka fa handray soa mitombo avy amin’izany.
6 Ilaina indrindra ny ho sahy rehefa manolotra famandrihana isika. Mirakitra hafatra famonjena miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo gazety. Aoka àry isika tsy hiala fa, araka ny ohatr’i Jesosy, ilay Môdelintsika, sy ny apostoliny, dia aoka isika hitory amim-pahasahiana.