Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 2 APRILY
Hira 22.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny Fahatsiarovana dia hankalazaina ny talata hariva 10 aprily. Lazao ny ora hanombohan’ny fotoana sy ireo fandaharana nataon’ny kongregasiona. Ampirisiho ireo mpitory hanao fiezahana manokana mba hanasana ireo olona tsara fikasa. Manomàna fampisehoana iray ny amin’ny fomba fanasana olona mianatra Baiboly mba ho tonga amin’ny Fahatsiarovana.
20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara: Amin’ny fanolorana famandrihana amim-pahasahiana”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-4, dia manaova fampisehoana momba ny fampiasana ny foto-dresaka vaovao. Sorito ireo hevitra nalaina avy ao amin’ireo lahatsoratra voalohandohan’ny Ny Tilikambo Fiambenana, izay miresaka ny amin’ny fiadanana. Hanolotra ny famandrihana amin-kafanam-po ilay hanao fampisehoana.
15 min: “Ny Fahatsiarovana—Fankalazana kristiana”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-6, dia manomana fampisehoana fohy iray mahakasika ny fomba fampahatsiahivana ny olona iray fa nasaina ho amin’ny Fahatsiarovana izy. Avy eo dia anontanio ireo mpitory hanazava ny fomba heveriny hatao mba hanasana ho amin’ny Fahatsiarovana ireo olona izay naneho fahalianana vao haingana, sy mba hanampiana azy ireny ho tonga amin’izany. Ampahatsiahivo azy ireo fa misy taratasy fanasana azony ampiasaina.
Hira 46 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 9 APRILY
Hira 13 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Rapaoron’ny Toe-bola. Manomana fampisehoana roa eo amin’ny 30 ka hatramin’ny 60 segondra ny amin’ny fomba fanolotra ireo gazety faramparany.
20 min: “Aoka isika hanome voninahitra an’i Jesosy Kristy, ilay fototra iorenan’ny finoantsika”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.
15 min: “Abrahama—Mpaminany sady sakaizan’Andriamanitra”—Haseho toy ny lahateny (wMG 1/10/89 pp. 4-6)
Hira 13 sy vavaka famaranana
HERINANDRO MANOMBOKA NY 16 APRILY
Hira 51 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny martsa. Derao ny kongregasiona noho ny vokatra tsara azo.
20 min: “Aoka isika hitory ny vaovao tsara amim-pahasahiana”—Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Vakio ireo fehintsoratra arakaraka ny hamelan’ny fotoana hanaovana izany.
15 min: “Asa iray mety hahasambatra anao”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/10/89 pp. 4-7)
Hira 7 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 23 APRILY
Hira 36.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Vaovao teokratika.
35 min: “Manehoa fahendrena: Ampiharo izay ianaranao”—Loholona iray no handinika ity lahatsoratra ity miaraka amin’ny mpanatrika. Asongadino ny ilàna ny handinihana amim-pitandremana ireo zavatra vita an-tsoratra, amin’ny fikendrena ny hahatadidy izay ianarana ka hampiharana izany. Sintony ny saina ho amin’ireo hevitra azo ampiharina nalaina avy amin’ireo zavatra vita an-tsoratra vao haingana ka mahakasika ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona. Ohatra: ny fomba azon’ireo tanora amin’ireo toe-javatra samihafa hitany any an-tsekoly; ny fomba hiatrehana ireo fahasahiranana mitranga any am-piasana; ny fomba handaminana ireo tsy fifanarahana eo amin’ny samy mpirahalahy na mpivady. Avereno indray amin’ny kongregasiona ireo torohevitra mahasoa indrindra.
Hira 24 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 30 APRILY
Hira 24.
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary fandinihana ny rapaoron’ny asa natao eran’ny Nosy.
20 min: Hifanakalo hevitra momba ny boky Les jeunes s’interrogent amin’ny mpitory roa na telo ampy fanandraman-javatra ny loholona iray. Asehoy amin’ny fomba fohy ny fizarana folo ao amin’ilay boky. Diniho ny toko nofidina. Ataovy izay hanamarinana fa misy sary manosika hieritreritra io boky io, toy ny ao amin’ny pejy faha-27. Ampirisiho ireo tanora sy ny ray aman-dreny ary ny hafa mba hieritreritra ireo torohevitra mety avy ao amin’io boky io. Tokony hiomana isika rehetra mba hampiasa azy io tsara eny am-pitoriana. Manomeza fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba fampiasana azy io amin’ny resadresaka ataon’ny fianakaviana.
15 min: Lahateny mifototra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 oktobra 1989 pp. 21-23.
Hira 68 (vaovao) sy vavaka famaranana.