FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/91 p. 1-3
  • Aza reraka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aza reraka
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ASEHOY NY BOKY FIADANANA SY FILAMINANA
  • AMPAHEREZO NY HAFA MBA HIHAZONA NY FAHATANJAHANY
  • Aza Reraka Manompo An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Aoka isika tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Henoy Tsara ny Valin’ireto Fanontaniana Ireto
    2017-2018 Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra: Miaraka Amin’ny Mpiandraikitra ny Faritra
  • Nijanona Izy Ireo dia Nanampy
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
km 1/91 p. 1-3

Aza reraka

1 Miresaka ny amin’ny fitarana mampientampo izay mitranga manerana ny tany ny Diary 1991. Misy tampon’isa vaovao maro amin’ny mpitory any amin’ny tany samy hafa.

2 Kanefa, ahoana ny ao amin’ny faritaninao? Moa ve misetra tsy firaikana ianao? Tsy mampiraika ny olona ve ny hafatr’ilay Fanjakana? Vitsy ve ny olona tratra ao an-tranony? Vitsy ve no mandray tsara? Raha izany no izy, dia mety hahazo fampaherezana avy amin’ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Gal. 6:9 toy izao ianao: “Ary aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” Tsy isalasalana fa tafiditra ao amin’ny hoe fanaovan-tsoa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana isan-trano. Tsy maintsy manohy mitory amim-pahadodonana isika mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ny asa. (Isaia 6:8). Na dia ao amin’ny faritany sarotra aza, dia mbola ahitana olona toy ny ondry ihany.

3 Inona no azontsika atao mba tsy ho reraka amin’ny fanompoana? Ny fanovaovana ny fomba fanombohantsika na ny fampidiran-dresatsika dia afaka manampy. Misy fanoloran-kevitra tsara dia tsara maro hita ao amin’ny boky Comment raisonner. Efa nanandrana nampiasa azy ireny ve ianao? Mety hisarika ny sain’ny tompon-trano maro kokoa ny fomba fanombohan-dresaka tena fohy nefa mivantana. Ataovy fantatry ny olona fa raha tonga eo ianao dia satria mihevitra manokana azy sy izay hahasoa azy.

ASEHOY NY BOKY FIADANANA SY FILAMINANA

4 Mandritra ny volana Janoary, isika dia afaka mampiseho ny fiahiantsika ny hafa amin’ny fanolorana ny boky Fiadanana sy filaminana. Milaza ny maha-tsara ny Fanjakan’Andriamanitra sady manohana azy manokana isika amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Fitaovana tsara dia tsara hanampiana ny hafa hianatra misimisy kokoa momba ilay Fanjakana tononin’izy ireo matetika aoka izany ao amin’ny vavaka, nefa tsy fantany firy ny boky Fiadanana sy filaminana.

5 Misy hevitra azo resahina tsara dia tsara maro ao amin’ny toko tsirairay amin’io boky io. Mety ho hitanao fa tena manampy amin’ny fampisehoanao ny toko voalohany sy ny toko faha-9. Iza no tsy haniry hiaina ao amin’ny toe-piainana paradisa aseho ao? Mazava ho azy fa mety hahita hevitra hafa mifanentana amin’ny fampisehoanao ianao.

6 Azo antoka fa afaka mahazo fampaherezana sy fampahatanjahana manokana isika amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana isan-kerinandro. Fanampin’izany, dia afaka mitoetra ho matanjaka ny ara-panahintsika amin’ny fianarantsika ny Tenin’Andriamanitra ataontsika tsy misy fiovana sy ny fanatrehantsika tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona. — Heb. 10:23-25.

AMPAHEREZO NY HAFA MBA HIHAZONA NY FAHATANJAHANY

7 Afaka manampy ny tenanao ianao sady mampahery ny hafa amin’ny fiaraha-miasa aminy eny amin’ny saha fitoriana. (Gal. 6:10). Nahoana raha manontany ireo mpitory maharitra sy ireo loholona raha afaka miara-miasa aminy ianao? Ary koa, ireo izay tapatapaka na tsy miasa mihitsy angamba dia hahazo fampaherezana avy amin’ny fanehoanao fiheverana ny hahasoa azy ara-panahy.

8 Isika rehetra dia mila ny miaritra ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah ka tsy ho reraka amin’izao andro farany tsy mora setraina izao. Ny fiaretana toy izany dia hahatonga antsika ho afaka hitazona ny zotom-pontsika kristiana na dia eo aza ny zava-manahirana sy tsy firaikan’ny hafa. (Heb. 10:36-39). Mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana hery (Isaia 40:29-31). Angataho izy mba hanampy anao hiaritra, ary mihazòna toe-tsaina manorina. Tadidio fa manao ny asan’Andriamanitra isika. Mahita izay ataontsika ao amin’ny fanompoana azy izy, ary tsy manadino. (Heb. 6:10). Noho izany, aoka isika tsy ho reraka! Aoka kosa aza isika “hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo”, amin’ny fametrahana fitokiana amin’i Jehovah mba hanatanjahany antsika ho amin’ny ‘asany soa’. — 1 Kor. 15:58; Gal. 6:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara