Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 31 DESAMBRA
Hira 34
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Fampandrenesana. Omeo ny anaran’ny zavatra vita an-tsoratra tranainy ao amin’ny tahiry eo an-toerana.
20 min: “Aza Reraka.” Fandinihana ny hevitra lehibe ao amin’ny lahatsoratra. Mangataha fanoloran-kevitra avy amin’ny mpanatrika eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-3. Aoka hisy mpitory mahay hampiseho ny zavatra atolotra amin’ny fampiasana ny fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-5. Ampirisiho ny kongregasiona mba hanan-katao foana amin’ny asa fitoriana ary tsy ho reraka na hanjary ho kivy noho ny tsy firaikana na ny fanoherana hitany.
15 min: Diniho ny foto-dresaka vaovao ary manaova fampisehoana iray na roa raha mamela ny hanaovana izany ny fotoana amin’ny fampisongadinana ny zavatra atolotra amin’ny volana.
Hira 3 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 7 JANOARY
Hira 44
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana. Lazao fohy ny hevitra azo resahina ao amin’ny gazety izay azo ampiasaina amin’ny fanaovana fanambarana amin’ity herinandro ity.
20 min: Ahoana no hahafahantsika hatanjaka hatrany? Fitohitohizana fanadinadinana mampisongadina ny ilàna hatanjaka hatrany sy tsy ho reraka. 1) Adinadino ny olona roa na telo izay efa nanompo hatramin’ny taona maro ary ohatra tsara. Inona avy no fanerena nitady hampiato ny fitoriana nihatra tamin’ny tenany ary noreseny? Inona no nanampy azy ireo handroso hatrany sy tsy ho ketraka? (Azo lazaina ny vavaka, ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana, ny fianarana manokana, ny fampaherezana avy amin’ny hafa, sy ny sisa.) Inona no nataon’izy ireo mba hiarovan-tena amin’ny fihemorana na ny fialana. (Azo lazaina ny maha-zava-dehibe ny fiarahana tsy tapaka any amin’ireo fivoriana, ny fianarana manokana hatrany, ny fankasitrahana ny fifandraisana amin’i Jehovah, sy sisa.) Ahoana no nitazonany fijoroana tsara ara-panahy? (Azo lazaina ny fanampiana avy amin’ny loholona sy ny hafa, ny fametrahana ny tombontsoa ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana, ny vavaka amin’i Jehovah, sy ny sisa.) 2) Adinadino ny ankizy sasany izay mpitory tsy tapatapaka ary ohatra tsara. Inona no nanampy azy ireo ho tsy tapatapaka amin’ny fanompoana? Ahoana no nanampian’ny ray aman-dreniny azy? Mampahery sy manampy azy ve ny mpitory hafa eny am-pitoriana? Inona avy no zava-kendreny eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Farano amin’ny famerenana fohy ny hevitra re tamin’ny fanadinadinana.
15 min: “Alao sary an-tsaina ny izao tontolo izao iray tsy misy faniriana mihoa-pampana”.—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/5/90 pp. 4-7)
Hira 100 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 14 JANOARY
Hira 15
15 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana. Rapaoron’ny toe-bola sy fisaorana noho ny fanomezana. Sariho ny saina ho amin’ny fanazavana ao amin’ny “Miomàna ho amin’ny fiezahana manokana hampanao famandrihana amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana”, ary ampirisiho ny mpitory hangataka gazety fanampiny izay ilainy.
15 min: “Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika amin’ny alalan’ny fanampiana avy amin’ny Indeksa.” Resadresaka ataon’ny loholona misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Asehoy ny fomba hahafahan’ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa iray mampiasa ny Indeksa eo amin’ny fiomanana ho amin’ny fitsidihana amin’ny maha-mpiandry. Diniho ny fomba hampianarana ny mpitory hampiasa Indeksa mba hampitomboana fahalalana amin’ny famakiana Baiboly isan-kerinandro.
15 min: “Moa ve ianao handray soa avy amin’ny hatsaram-po ho an’izay tsy mendrika akory”—Haseho toy ny lahateny (wMG 15/5/90 pp. 21-23).
Hira 43 sy vavaka famaranana
HERINANDRO MANOMBOKA NY 21 JANOARY
Hira 117 (vaovao)
8 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana.
25 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara—amin’ny alalan’ny taratasy mivalona.” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Hisy andinin-teny hovakina. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-7, dia asao ny mpitory maharitra na mpitory mahay hafa iray hampiseho ny fanombohana fampianarana amin’ny fiverenana mitsidika amin’ny fampiasana taratasy mivalona Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao. Ampirisiho ny mpitory hampiasa io fomba fanomboka io amin’ny fiverenana mitsidika, indrindra raha sarotra ny nahita ireo tompon-trano tao an-tranony taorian’ny fitsidihana voalohany. Asao ireo mpitory efa nampiomanina mba hamelabelatra ny fahombiazana azony tamin’ny fampiasana io fomba fanombohana io.
12 min: Ireo andraikitry ny mpikarakara ny boky. Ny mpiandraikitra ny asa dia hanadinadina ny mpikarakara ny boky amin’ny fijerena indray ny andraikitra rehetra tafiditra. Ho tsara ny hampisongadinana ny zavatra ilaina eo an-toerana izay hanampy hanatsarana ny fizarana ny boky aloha sy aorian’ireo fivoriana.
Hira 48 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 28 JANOARY
Hira 108 (vaovao)
10 min: Fitarihan-dresaka sy filazana eo an-toerana ary Vaovao teokratika. Inona no nataon’ny kongregasiona tamin’ny desambra 1990?
20 min: Afaka ny ho tonga mpitory maharitra mpanampy ve ianao amin’izao lohataona izao? Dinidinika amin-kafanana ataon’ny rahalahy manana fanandraman-javatra amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona na mpanampy. Adinadino ny maromaro izay mpitory maharitra mpanampy teo aloha. Fanamboarana inona no nataony mba hahatratrarana ny zava-kendreny? Asongadino ny volavolan-kevitra azo ampiharina nataon’izy ireo. Amin’izao fahakekezan’ny vanim-potoana misy ny Fahatsiarovana izao dia ampirisiho ny mpitory izay liana amin’izany mba hidinika ny amin’ireo volavolan-keviny miaraka amin’ny loholona iray. Amin’ny fisehoana ho manana fiheverana manorina izao dia maro no hifaly amin’io fanompoana io. Ho an’ny sasany, izany dia mety ho fiampitana ho amin’ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona. (kmMG 2/90 p. 1) Mety ho azo avy amin’ny mpiandraikitra prezidà na ny mpitantsoratra ny fangatahana.
15 min: Manaova lahateny iray mifanentana amin’izay ilain’ny kongregasiona eo an-toerana na mifototra amin’ny wMG 1/06/90 pp. 3-4.
Hira 38 (vaovao) sy vavaka famaranana.