Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERINANDRO MANOMBOKA NY 4 FEBROARY
Hira 51 (vaovao).
15 min: Filazana eo an-toerana sy Fampandrenesana. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia manipaza hevitra ny amin’ny fomba fanolorana ireo gazety faramparany ao amin’ny faritany eo an-toerana. Ampirisiho ny mpitory handray anjara amin’ny asa fitoriana amin’ity faran’ny herinandro ity.
20 min: “Aelezo amin-kasahiana ny fanasana hoe: ‘Avia!’” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ary fampisehoana. Diniho ny lahatsoratra manontolo ao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mampisongadina ny fampiharana ny teny fototra, dia ny Apokalypsy 22:17, MN. Manaova fampisehoana fohy roa mba hanoroana hevitra ny amin’ny fomba fanolorana ny zavatra vita an-tsoratra ao amin’ny faritany eo an-toerana.
10 min. “Aoka isika hidera an’i Jehovah amin’ny hira.” Lahateny fanentanana miorina amin’ilay lahatsoratra. Ampiasao ny hira hatao amin’io takariva io hoenti-manazava ireo hevitra ao amin’ny lahatsoratra. Hira 32 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 11 FEBROARY
Hira 13
10 min: Filazana eo an-toerana sy rapaoron’ny toe-bola. Manaova teny fankasitrahana noho ny fahalalahan-tanan’ny kongregasiona tamin’ny fiahiana ny hanome izay nilaina teo an-toerana, ary ampahafantaro ny rahalahy fa voarain’ny Fikambanana ny fanampiana nalefa tany.
25 min: Fivoriamben’ny Distrika 1991, “Ireo tia fahafahana”. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ny mpitantsoratra na ny mpiandraikitra prezida no hanao izany miaraka amin’ny mpanatrika. Vakio ireo andinin-teny voatonona raha mamela hanao izany ny fotoana.
10 min: Lahateny mifototra amin’izay ilain’ny kongregasiona eo antoerana.
Hira 34 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 18 FEBROARY
Hira 51
10 min: Filazana eo an-toerana. Fanontanian’ny mpamaky. Mariho ny amin’ny ilan’ny mpitory rehetra hahafantatra ny tena anaran’ny kongregasionany marina, ary koa ny sasany, raha tsy izy rehetra mihitsy aza, amin’ireo loholona. Ampirisiho ny mpitory handray anjara amin’ny fomba feno amin’ny asa fitoriana amin’ity faran’ny herinandro ity, angamba izany amin’ny fanomezana fanipazan-kevitra hampiasa foto-kevitra mifanentana ao amin’ireo gazety faramparany.
15 min: “Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika an’ilay Fanjakana amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika.” Rahalahy iray mahay mampianatra tsara no hanao ny fiaraha-mandinika ny fanazavana atolotra sy hampiseho ny fampiasana ireo lafiny samihafa resahina ao hoenti-manatsara ny fanompoantsika.
20 min: Firaketana ara-pitsaboana sy karatra famantarana. Hizara ny karatra ny mpitantseratra ary handinika lalina ny taratasy tamin’ny Fikambanana tamin’ny 1 Febroary 1988. Miaraha manjohy hevitra amin’ny mpanatrika ny amin’ny hoe nahoana no tokony harahina amim-pitandremana ireo toromarika mba hampiasana ny karatra amin’ny fomba faran’zay mahomby ho fiarovana antsika. Afaka manohy aorian’ny fivoriana ireo loholona, toy ny nataony tamin’ny taona lasa. Aza mitaredretra mameno ny karatra sy manana azy vita sonia araka ny tokony ho izy.
Hira 66 sy vavaka famaranana.
HERINANDRO MANOMBOKA NY 25 FEBROARY
Hira 81
15 min: Filazana eo an-toerana sy Vaovao teokratika. Toroy hevitra ny mpitory hanolotra gazety mifanentana ary manaova fampisehoana momba izany. Ampirisiho ny mpitory handray anjara amin’ny asa fitoriana amin’ity faran’ny herinandro ity.
15 min: “Ny fomba handresana amin’ny ady atao amin’ny fahaketrahana.” — Haseho toy ny lahateny (wMG 1/06/1990, pp. 5-9).
15 min: Manaova fandaharana ho an’ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy mandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Lahateny fanentanana sy fanazavana mahasoa ho an’ireo izay maniry ny hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny Martsa na Aprily na koa mandritra ireo volana roa ireo. Jereo ilay fanazavana momba ny mpitory maharitra mpanampy any amin’ny Fampandrenesana. Hazavao hoe fandaharana inona no azon’ny kongregasiona sy ny mpitory isam-batan’olona atao mba hampaherezana sy hanampiana ireo izay hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy mandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Aoka ho vonona ao ny taratasy fangatahana fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy ho an’ireo izay mety hangataka izany aorian’ny fivoriana. Azo atao ny manao fanamarihana fa hisy faran’ny herinandro dimy feno tsara amin’ny Martsa, ka izany fiezahana manokana izany dia hatao mba hanasana olona ho tonga amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ny 30 Martsa, sy amin’ny lahateny manokana hatao ny 7 Aprily.
Hira 15 sy vavaka famaranana.