FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/91 p. 2-3
  • Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Lohatenikely
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 3 JONA
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 10 JONA
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 17 JONA
  • HERINANDRO MANOMBOKA NY 24 JONA
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
km 6/91 p. 2-3

Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra

HERINANDRO MANOMBOKA NY 3 JONA

Hira 24 (vaovao)

8 min: Filazana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ao amin’ny Fanompoantsika ilay Fanjakana mahakasika ny kongregasiona.

22 min: Aoka isika hiomana dieny izao mba hanatrika ny fivoriamben’ny distrika 1991 “Ireo tia fahafahana”, tapany voalohany, 1-12.

15 min: “Aoka isika handray soa ara-panahy be indrindra amin’ny lohataona.” Lahateny ary fiaraha-midinika ataon’ny fianakaviana iray.

(3 min.) Handinika ny fehintsoratra roa voalohany ny mpitari-draharaha ary hampiditra ny fiaraha-midinika ataon’ny fianakaviana. Tsy tokony hatao tsirambina ny ara-panahin’ny fianakaviana mandritra ny vanim-potoana fialan-tsasatra. Tokony hanao izay hahazoana antoka ny filoham-pianakaviana fa voakarakara izay ilaina ara-panahy amin’ny fotoana rehetra. — Deot. 6:6, 7.

(10 min.) Mahakasika ireo hevi-dehibe ao amin’ny fehintsoratra faha-3 ka hatramin’ny faha-6 ny fiaraha-midinika ataon’ny fianakaviana. Handinika miaraka amin’ny fianakaviana ireo fanamboarana ilaina mba hahazoana antoka fa tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fialan-tsasatra ireo asa ara-panahy ny loham-pianakaviana. Ananan’ny mpikambana iray ao anatin’ny fianakaviana ny adiresy sy ireo fotoana anaovana ireo fivorian’ny kongregasiona any amin’ny toerana hotsidihin’izy ireo. Manana zavatra vita an-tsoratra ampy ny fianakaviana mba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana miaraka amin’ilay kongregasiona sy mba handraisana tombontsoa amin’ny fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana. Resahina ny amin’ireo toe-javatra mety ho hitan’izy ireo ka mety hanome fahafahana hanao fanambarana. Hisintona ny saina ho amin’ireo fandaharana mba hanatrehana ny fivoriamben’ny distrika “Ireo tia fahafa-hana” ny loham-pianakaviana ary hampaha-tsiahy azy ireo fa amin’ny fifaranan’ny andro tsirairay avy amin’ny fivoriambe, dia hanao famerenana ireo hevi-dehibe tamin’ny fandaharana nandritra iny andro iny izy ireo, ary hanazava ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovan-javatra toy izany izy. Hiresaka fohy ireo hevi-dehibe mifanandrify ao amin’ireo pejy fanampiny ao amin’ity Fanompoantsika ilay Fanjakana ity, mahakasika ny tokony ho fitondrantena mandritra ny fanatrehana ny fivoriambe, ny fianakaviana. Ny rehetra dia ho dodona amim-pifaliana ny handray faran’izay betsaka amin’ny fomba teokratika avy amin’ny asa hataony amin’ny fotoam-pialan-tsasatra.

(2 min.) Hamarana amin’ny fanazavana ny ao amin’ny fehintsoratra faha-7 ny mpitari-draharaha. Amin’izay fandaharana ataontsika rehetra, dia aoka isika hahazo antoka fa tsy hatao tsirambina izay ilain’ny fianakaviana amin’ny ara-panahy.

Hira 19 sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 10 JONA

Hira 51 (vaovao)

5 min: Filazana eo an-toerana sy rapaoron’ny toe-bola. Lazao ny fanehoan’ny Fikambanana fankasitrahana noho ireo fanohanana ara-bola ny tombontso an’ilay Fanjakana maneran-tany. Isaory koa ny kongregasiona noho ireo fanomezana voaray.

20 min: “Aoka isika haneho fiheverana manokana ny hafa.” Fanontaniana sy valiny. Diniho miaraka amin’ny kongregasiona hoe inona no azo atao eo an-toerana mba hampiharana ny fanazavana azo.

15 min: “Ohatra ny amin’ny kristiana miorina mafy.” — Loholona no hitarika ity fandaharana ity. Mitondra soa ara-panahy sy mahatonga ho afaka hiorina mafy ny fanatrehana ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny fandraisan-tsoa amin’ny andro fivoriambe manokana (Rom. 1:11). Tena mampahery koa ny mandre ireo izay miorina mafy ao amin’ny finoana, mitantara ny zavatra niainany. Tsy hoe tsy maintsy hampitolagaga ireo zavatra hita hotantaraina. Mpitory tsotra sy mpitory maharitra maro be no mampiseho ny finoany amin’ny fitanana ny zotom-pony eo amin’ny fanompoana, kanefa mety ho afaka hanao tsirambina izy ka hanjary ho tapatapaka na hampihena ny fanompoany (1 Kor. 16:13). Manadinadna mpitory iray izay mitory tsy tapaka hatramin’ny taona maro, kanefa mandray anjara koa amin’ireo lafiny samy hafa amin’ny asa. Amin’ny alalan’ny fanontaniana mety, dia ataovy izay hampisongadina ny mahatonga azy ho afaka hiorina mafy ao amin’ny asa kristiana ka tsy hivadika hatrany. Adinadino ny mpitory maharitra roa izay naharitra ka tsy namela ireo fahasahiranana hanakivy azy sy hampitsahatra azy tsy hanao ny fanompoana. Asehoy hoe tamin’ny ahoana ireo loholona tao amin’ny kongregasionany, ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany, ireo fivoriambe na ireo taratasin’ny Fikambanana no nanamafy ny fahavononany hifikitra amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Fitahiana fanampiny inona avy no nentin’izany ho azy? Ireo ohatra amin’ny andro ankehitriny omen’‘ny kristiana miorina mafy dia mampirisika ny hafa haneho finoana sy mba hiorina mafy koa.

5 min: Valin’ny fanontanianareo. Fiarahamidinika tarihin’ny mpiandraikitra ny sekoly.

Hira 112 sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 17 JONA

Hira 68

5 min: Filazana eo an-toerana. Asongadino ny hevi-dehibe iray na roa ao amin’ireo gazety faramparany. Ampirisiho ireo mpitory mba handray anjara amin’ny fomba feno amin’ny asa fitoriana amin’ity faran’ny herinandro ity.

20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara — Amin’ny alalan’ireo gazety eny amin’ny faritany voatsidika matetika.” Fanontaniana sy valiny. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-3 dia hisy tanora niomana tsara hampiasa gazety nivoaka faramparany mba hampisehoana ny fomba hahafahan’ireo mpitory tanora miresaka amin’ireo tompon-trano ary manolotra zavatra vita an-tsoratra. Afaka miteny izy hoe: “Manao ahoana tompoko ô. Ny anarako dia — . Tonga aho nitondra ho anao fanazavana tena sarobidy momba ny [manomeza foto-kevitra na lohateny]. Tiako io hevi-dehibe io. [Asehoy ny hevi-dehibe manokana iray na hazavao ny

sary.] Nanampy ahy izy io [tantarao ny fomba nandraisanao soa], ary heveriko fa ho tianao koa izy ity. Raha hamaky ilay gazety ianao, dia ho faly aho hametraka azy aminao amin’ ny sarany mahazatra 300 FMG ny roa.”

20 min: Aoka isika hiomana dieny izao mba hanatrika ny fivoriamben’ny distrika 1991 “Ireo tia fahafahana”, tapany faharoa 13-24.

Hira 108 sy vavaka famaranana.

HERINANDRO MANOMBOKA NY 24 JONA

Hira 10

10 min: Filazana eo an-toerana. Vaovao teokratika. Ampirisiho ny kongregasiona mba hanohana ireo fandaharana ho amin’ny asa fitoriana amin’ny faran’ny herinandro. Asongadino fohy ny hevi-dehibe iray na roa ao amin’ireo gazety faramparany. Antitrantero ny fandaharam-panompoana amin’ny 4 Jolay.

20 min: “Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika ilay Fanjakana eny amin’ny saha fitoriana.” Fiaraha-mandinika ny lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asehoy hoe hevitra inona ao amin’ny fehintsoratra faha-2 ka hatramin’ny faha-6 no azo ampiharina. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-5, dia hisy fampisehoana hampiseho mpitory manana zava-manahirana eo amin’ny fanombohana fampianarana Baiboly manatona ny mpiandraikitra ny asa mba hahazo fanampiana. Mampiasa Index ny mpiandraikitra ny asa amin’ny fanampiany ilay mpitory.

15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na ny maha-zava-dehibe ny fanambarana tsy ara-potoana. Adinadino ny mpitory roa na telo izay nahita ny fahamarinana noho ny fanambarana tsy ara-potoana. Ampirisiho ny kongregasiona mba ho mailaka hijery ireo fahafahana hanao fanambarana tsy ara-potoana.

Hira 35 sy vavaka famaranana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara