Ireo fivoriana manampy antsika hanao mpianatra
HERIN. MANOMB. 5 AOGOSITRA
Hira 81
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana ary Fampandrenesana nofantenana avy ao amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Manolora hevitra ny amin’ny fanolorana gazety iray na roa izay hifanentana amin’ny faritany eo an-toerana, ary ampirisiho ny mpitory rehetra mba hivoaka eny amin’ny saha fitoriana amin’izao faran’ny herinandro izao. Ento ny boky Comment raisonner amin’ny herinandro ambony.
20 min: “Derao amin’ny fomba feno araka izay azo atao ny anaran’Andriamanitra”. Fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Farano amin’ny fampisehoana voaomana tsara izay hampiseho ny fomba azo ampiasana ny Foto-dresaka amin’izao fotoana izao. Ampifanaraho amin’ny toe-javatra eo an-toerana izany. Rehefa avy mampidi-dresaka na mampahafantatra ny tenany ny mpitory iray dia afaka miteny hoe: “Anio izahay dia miresaka amin’ny mpiara-monina aminay ny amin’ny ilàna hananana fomba fijery manorina momba ny hoavy. Ireo filoha eo amin’izao tontolo izao mazàna dia miresaka momba ny tetik’asany ho an’ny tontolo tsara kokoa. Amin’inona no anorenan’izy ireo ny fanantenany? Mino ve ianao fa afaka ny hitondra tontolo tsara kokoa ny olombelona? [Avelao izy hamaly.] Manan-javatra holazaina momba izany i Jeremia mpaminany araka ny voarakitra ao amin’ny Jeremia 10:23 (MN). [Vakio.] Afaka manana fihevitra manorina momba ny hoavy isika saingy noho izay nianarantsika momba ny fampanantenana nomen’ny tenan’Andriamanitra ihany. Ary ho tanteraka ny fampanantenany. Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly. [Vakio 2 Petera 3:13.] Mariho ny fomba anasongadinan’ity bokikely ity io fampanantenana azo antoka avy amin’Andriamanitra io.” Amin’izay ilay mpitory dia hampiseho amin’ilay tompon-trano fanazavana mifanentana tsara ao amin’ilay bokikely atolony.
15 min: “Ny fambolena sy ny fanondrahana—Ireo dingana ho amin’ny fanaovana mpianatra”. Iaraho mandinika amin’ny mpanatrika ny fehintsoratra 1-9 amin’ny takelaka fanampiny, pejy faha-3. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-7-9, dia manaova fampiharana ilay zavatra ianarana amin’ny alalan’ny fanadinadinana fohy dia fohy mpitory afaka nanao izay voalaza, na koa ny fitantarana zavatra hita teo an-toerana mba hampisehoana ireo hevitra aseho. Ataovy azo antoka fa fohy sady tsy milaza afa-tsy ny hevi-dehibe ireo fitantarana na fanadinadinana.
Hira 34 sy vavaka famaranana.
HERIN. MANOMB. 12 AOGOSITRA
Hira 4
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola. Vakio amin’ny kongregasiona ireo fisaorana sy fanehoana fankasitrahana avy amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana nalefa tany aminy. Ary manaova koa teny fiderana ny kongregasiona noho ny fanohanana amin’izay ilain’ny kongregasiona eo an-toerana. Ampirisiho ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana amin’ny faran’ny herinandro ary amin’ny fotoana hafa nanaovana fandaharana ho amin’ny fanaovana fanambarana miaraka.
15 min: “Aoka ianao hanao ny fanompoana amin’ny fanahinao rehetra”. Lahateny mampirisika sy manome fianarana mahafaoka ny fanazavana ao amin’ilay lahatsoratra ary mampiseho ny fomba fampiasa ny boky Comment raisonner. Tsy ilaina ny mangataka olon-kafa hanao fampisehoana momba ireo hevitra voalaza, fa afaka mampiseho fotsiny ny fomba hahitana sy hampiasana ireo fanazavana ao amin’io fitaovana tsara dia tsara ho amin’ny asa fanompoana io ny mpandahateny. Asehoy fohy ny hasarobidin’ny fanaovana fanazaran-tena rehefa miomana ho amin’ny asa fanompoana. Raha mamela ny fotoana, dia azonao atao ny manasa mpitory iray hanazava ny fomba anaovany izany.
20 min: “Ny fambolena sy ny fanondrahana—Ireo dingana ho amin’ny fanaovana mpianatra”. Aorian’ny fampidiran-dresaka fohy mampifandray ny lahatsoratra amin’ny fanazavana natao tamin’ny herinandro ambony, dia mitariha fiaraha-mandinika indray amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, ireo fehintsoratra faha-10-20 amin’ny takelaka fanampiny, pejy faha-4 sy faha-5. Mety ho afaka hitantara ny fomba nanatsarany ny fanompoany sy nanombohany fampianarana Baiboly tamin’ny fampiharana ireo fanoloran-kevitra natolotra tao amin’ireo Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana teo aloha, ny mpitory sasany.
Hira 19 sy vavaka famaranana.
HERIN. MANOMB. 19 AOGOSITRA
Hira 38
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao teokratika. Raha mamela ny fotoana, dia manolora hevitra ny amin’izay lahatsoratra ao amin’ireo gazety hifanentana indrindra azo atolotra eny amin’ny isan-trano amin’izao faran’ny herinandro izao.
20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Eny amin’ny faritany voasa matetika”. Fanontaniana sy valiny. Ampiharo eo an-toerana ny fanazavana na ampifanaraho amin’izay ilain’ny kongregasiona.
15 min: “Ny fandaharana momba ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona—Fizarana faha-2”. Lahateny mampirisika ataon’ny mpitarika fianarana ny boky iray mahazo vokatra tsara.
Hira 38 (vaovao) sy vavaka famaranana.
HERIN. MANOMB. 26 AOGOSITRA
Hira 51
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Firesahana amin’ny an-tsipiriany ireo fandaharan’ny kongregasiona ho amin’ny asa fanompoana ary izay atao mba hanomezana fampirisihana sy fanampiana an’ireo mpitory maharitra. Ampifantohy manokana amin’izay ilain’ireo izay mety hanomboka ny fanompoany amin’ny maha-mpitory maharitra ny 1 Septambra, ny saina. Ampirisiho ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao, ary ampahatsiahivo ireo mpitory mba haka boky Tsy mahay mandainga sy Fiadanana sy filaminana ilainy ho an’ny asa fanompoana manomboka ny 1 Septambra.
15 min: Izay ilaina eo an-toerana, na “ ‘Tomoera tsara’—Aza tafintohina” (wMG 15/7/90, p. 26-28), haseho toy ny lahateny.
15 min: “Aoka isika hanambara ny tena fiadanana sy filaminana”. Fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Vakio ireo fehintsoratra.
Hira 16 sy vavaka famaranana.