Ireo fivoriana momba ny asa amin’ny Septambra
FANAMARIHANA: Koa satria tsy hisy fandaharana ho amin’ny fivoriana momba ny asa ny herinandro hanaovana ny fivoriamben’ny distrika, dia azon’ireo kongregasiona atao ny manao ny fanamboarana ilaina amin’ireto fandaharana eto ambany ireto mba hahafahana hanatrika ny fivoriamben’ny distrika, ary mba hanaovana ny famerenana ireo hevi-dehibe tamin’izany mandritra ny 30 minitra amin’ny Fivoriana momba ny asa ny herinandro manaraka. Mba hanaovana io famerenana ny andro tsirairay avy amin’ny fivoriambe io, dia azo atao ny manendry mialoha rahalahy mahay roa na telo izay hahay hifantoka amin’ireo hevitra fototra. Io famerenana voaomana tsara io dia hanampy ireo rahalahy hahatadidy ireo hevitra fototra ho an’ny fampiharan’ny tenany manokana izany ary ho an’ny fampiasana azy ireo eo amin’ny asa fanompoana. Tokony ho fohy ary tsy hilaza afa-tsy ny hevi-dehibe ireo valinteny avy amin’ny mpanatrika sy fitantarana zava-nitranga.
Herinandron’ny 2 Septambra
Hira: Hira 31, Hira 73
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Asongadino ireo hevitra azo resahina avy ao amin’ireo gazety farany.
20 min: “Fomba fampiseho ny vaovao tsara — Aoka isika hanomboka fampianarana amin’ny alalan’ny fanolorana mivantana.” Fandinihana amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Rehefa avy nandinika ny fehintsoratra faha-3 sy faha-4, dia manaova fampisehoana momba ny fomba fanaovana fanolorana mivantana amin’ny fampiasana ny boky Fiadanana sy filaminana sy ny taratasy mivalona Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao. Hanampy anao hamantatra ny halalin’ny fahalianan’ilay tompon-trano ny fanolorana mivantana. Asongadino ny ilàna hiverenana hitsidika any amin’izay rehetra nahitana fahalianana, na nisy zavatra vita an-tsoratra voapetraka na tsia tamin’ny fitsidihana voalohany. Ampirisiho ny rehetra mba hiezaka hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny fampiasana ny fanolorana mivantana eo amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.
15 min: “Manana endrika vaovao Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana”, sy Vaovao Teokratika. Ampirisiho ny fandraisana anjara amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.
Herinandron’ny 9 Septambra
Hira: Hira 18 (vaovao), Hira 11
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho indray ireo hevitra ao amin’ireo gazety hampiasaina eo amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao. Manaova fampisehoana iray na roa raha mamela hanao izany ny fotoana.
20 min: Aoka ianao hametra zava-kendrena ho an’ny tenanao manokana ho an’ny taom-piasana vaovao. Mandinika indray ny asan’ny kongregasiona tamin’iny taom-piasana lasa iny ny mpiandraikitra ny asa. Manaova teny fiderana mafana momba izay nanamarihana fihatsarana. Sorito ireo lafin-javatra eo an-toerana mila ny hampisehoana fiheverana fanampiny mandritra ny taom-piasana vaovao, ary manomeza fanoloran-kevitra azo ampiharina. Jereo indray ny tatitra farany nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Ampiasao ny Index mba hahitana fanazavana momba izay zavatra ilaina sy ny fomba hampiharana ny torohevitra omena. Mampahery ny hafa ireo izay niaritra teo am-panaovana asa tamim-pahatokiana. (Heb. 6:10). Manadinadìna mpitory tsotra na mpitory maharitra roa izay nandroso tsara nandritra iny taom-piasana lasa iny. Inona no zava-kendrena noferany hotratrarin’ny tenany ho an’ny 1992? Ary manadinadìna koa mpitory tsotra na mpitory maharitra iray izay nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro, ka asao izy hilaza ireo zava-tsarotra natrehiny sy ny fomba nandreseny azy ireo noho ny fanampian’i Jehovah sy ny fandaminany. Ampirisiho ny rehetra hametra zava-kendrena mendrika mba hanatsarana ny fanompoany mandritra ny taom-piasana 1992.
15 min: “Aoka isika hiantsoroka ny andraikitsika hanao soa amin’ny hafa”. Fampisehoana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo am-pandinihana ny fehintsoratra faha-4, dia manaova fampisehoana momba ny fomba hahafahan’ny loholona iray hanome teny fiderana amin’ny mpitory iray any amin’ny Efitrano Fanjakana noho ny oha-pahatokiana nomeny tao anatin’ireo taona maro. Azo atao ny manontany ny amin’izay azo atao mba hanampiana azy. Kanefa, tokony hasongadina ilay fanomezana teny fiderana.
Herinandron’ny 16 Septambra
Hira: Hira 44 (vaovao), Hira 13 (vaovao)
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy filazana momba ny toe-bola. Vakio ny taratasy fisaorana avy any amin’ny Fikambanana momba ireo fanomezana natao ary manaova teny fankasitrahana noho ny fanohanan’ireo mpitory ara-bola ireo asan’ny Fikambanana ary koa ny an’ny kongregasiona.
20 min: “Ny fandaharana momba ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona — Fizarana faha-3”. Miara-mandinika ilay fanazavana ny mpitarika ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona roa, ka manao fampiharana eo an-toerana. Asongadino ny soa samy azon’ny rehetra rehefa miara-miasa amin’ireo fandaharana ho an’ny fanompoana ireo mpitory. Lazao ny ilàna hampisehoana fanajana ireo tokantrano ampiasaina amin’ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana, ary anaovy teny fiderana ireo izay manokatra ny tokantranony amim-pahaiza-mampiantrano vahiny. (kmMG 7/86 p. 4). Koa satria indraindray dia mila toerana hafa, izay rehetra maniry hanolotra ny tokantranony mba hampiasaina dia afaka mampahafantatra izany ny mpiandraikitra prezidà na ny mpiandraikitra ny asa. Ampifandraiso amin’ny hevitra hita tamin’ny fandinihana ny amin’ny famerana zava-kendrena hotratrarina eo amin’ny fanompoana natao tamin’ny herinandro ambony. Afaka manampy sy mampirisika ireo mpitory mba hanatratra zava-kendrena eo amin’ny fanompoana ny mpiandraikitra ny asa.
15 min: “Haramagedona — Rahoviana?” (wMG 15/8/90 p. 3-7), haseho toy ny lahateny.
Herinandron’ny 23 Septambra
Hira: Hira 28, Hira 39 (vaovao)
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asongadino ny hevitra iray na roa avy ao amin’ireo gazety farany. Ampirisiho ireo mpitory mba handray anjara amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.
15 min: “Aoka ianao hanao ny asa fanompoana amin’ny fanahinao rehetra — Fizarana faha-3”. Fiaraha-mandinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Eo amin’ny fehintsoratra faha-4, dia asao ny mpitory za-draharaha iray hampiseho ny fomba hanampiana olona vaovao kokoa eo am-panaovana fanompoana. Asehoy ny fandaharana fanazaran-tena iray ampiasan’ilay olona vaovao kokoa ireo fanoloran-kevitr’ilay mpitory za-draharaha mba handresy fanoherana araka ny tena fahita.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na fiaraha-mandinika fampidiran-dresaka mifanentana amin’ny faritany eo an-toerana. Aoreno amin’ny boky Comment raisonner, pejy 9-15, ilay fiaraha-mandinika. Azo atao ny mitantara fohy zava-nitranga hitan’ireo mpitory nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ity volana ity tamin’ny fampiasana ny fanolorana mivantana.