Aoka isika hanohana ireo mpitory maharitra
1 Ny vahoakan’Andriamanitra dia fantatra noho ny fandraisany anjara amin-jotom-po amin’ny fanompoana. Na dia tsy ny rehetra aza no ao anatin’ny tarehin-javatra hamela azy hanao ny asan’ny mpitory maharitra, dia tokony hiezaka mafy mba hamboly ny toe-tsain’ny mpitory maharitra isika ka hanao amin’ny fanahintsika rehetra izay ataontsika. Miara-mifaly amin’ireo maro afaka mirotsaka hanao ny asan’ny mpitory maharitra isika sady mampahery azy ireo.
2 Fampanantenana ny hanao zavatra mitaky andraikitra lehibe ny fahatongavana ho mpitory maharitra sy ny tsy fialana amin’izany. Miantsoroka tapany lehibe amin’ny asa fitoriana sy fampianarana ireo mpitory maharitra. Tsy vita izany raha tsy misy ezaka lehibe sy fanekena hahafoy zavatra maro. Ahoana no ahafahan’ny hafa manohana sy mampahery ireo mpanompo manontolo andro be zotom-po ireo?
3 Izay azo atao: Mila ny fanohanan’ireo loholona ireo mpitory maharitra. Manolotra fampaherezana be dia be ny fiarahan’ireo loholona miasa amin’ireo mpitory maharitra. Loholona maro no miezaka hiara-miasa amin’ny mpitory maharitra tsirairay ao amin’ny kongregasiona, fara faharatsiny indray mandeha isan-taona. Amin’izany fomba izany, dia afaka manao teny fiderana noho izay ataon’ireo mpitory maharitra ireo loholona ary manampy azy ireo hanohy handroso. Mety hila ny hanamboatra ny fandaharam-potoanany ireo mpitory maharitra mba hanaovana ny fanompoany amin’ny fotoana maha-afaka ireo loholona. Ary ho tian’ireo loholona koa ny hahazo antoka fa misy faritany ampy tsara ho an’ireo antokon’olona miara-mitory. Azo atao ny mandamina fivoriana ho amin’ny asa fanompoana fanampiny amin’ny tolakandro na takariva mba hifanaraka amin’ny fandaharam-potoanan’ireo mpitory maharitra. Ho marina indrindra izany mandritra ireo volana isian’ny mpitory maharitra mpanampy maro. — Isaia 40:11.
4 Ireo mpikarakara momba ny asa dia tsara toerana tokoa mba hanampy ireo mpitory maharitra amin’ny fanohanana azy ireo eo amin’ny fanompoana sy amin’ny fikarakarana amim-pitandremana ireo fandaharan’ny kongregasiona. Mankasitraka ny fisian’ny rahalahy mitari-dalana eo amin’ny fandaminana ireo antokon’olona miara-manao asa fanompoana ireo anabavy mpitory maharitra. Afaka manao izay hahazoana antoka fa misy zavatra vita an-tsoratra ampy tsara azo raisina ireo izay miandraikitra ny boky sy ny gazety. Ny fikarakarana tsara ireo raharaha ireo dia manampy ireo mpitory maharitra hifantoka amin’ny fanompoany.
5 Afaka manampy ny rehetra: Afaka manampy ireo mpitory tsotra, amin’ny fanaovana izay hiasana matetika kokoa amin’ireo mpitory maharitra. Faly noho izany fiarahana sy fanohanana avy amin’ny mpitory hafa izany ireo mpitory maharitra. Angamba ianao afaka manao fandaharana mba hiaraha-miasa amin’ireo mpitory maharitra indray mandeha isan-kerinandro na indroa isam-bolana. Azo atao koa ny manome zavatra ara-nofo an’ireo mpitory maharitra ary izany fahalalahan-tanana izany dia ankasitrahan’ireo mpitory maharitra tokoa. — Fil. 4:14-19.
6 Afaka manampy be dia be ireo mpianakaviny izay mpitory maharitra ireo fianakaviana. Matetika, dia azo amboarina indray ireo fanaovana raharaha ao an-trano mba hamelana mpianakavy iray na mahery hanao ny asan’ny mpitory maharitra. Ny anabavy iray manan-janaka telo dia miasa roa andro isan-kerinandro. Ireo zanany lahy dia manampy amin’ny fiantsenana sy fanaovana asa mahakasika ny trano. Ilay zanany vavy kosa manampy amin’ny fanadiovana sy fahandroan-tsakafo. Hatramin’ny nahavitany ny fianarany tsy maintsy nataony, dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra koa izy, ka mampifandimby ireo andro fiasany amin’ny an’ny reniny. Manampy maro kokoa hanao ny asan’ny mpitory maharitra ny fiaraha-miasa eo anivon’ny fianakaviana toy izany ary mitondra fitahiana ho an’ilay fianakaviana.
7 Hita ho fitahiana ho an’ny kongregasiona amin’ny lafiny maro ireo mpitory maharitra miasa mafy amim-pitandremana. Mampirisika maro hanao bebe kokoa eo amin’ny fanompoana ny zotom-pony sy ny ohatra omeny. Tena tokony ho tiantsika tokoa ny hanao izay azontsika atao mba hanohanana azy ireo. Mitondra fifaliana ho an’ny rehetra ny ezaka amim-piraisan-kina toy izany ary manome fiderana ho an’i Jehovah.