FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/92 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Martsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Martsa
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 2 Martsa
  • Herinandron’ny 9 Martsa
  • Herinandron’ny 16 Martsa
  • Herinandron’ny 23 Martsa
  • Herinandron’ny 30 Martsa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 3/92 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Martsa

Herinandron’ny 2 Martsa

Hira 10, Hira 28

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana. Asehoy ny fomba azo ampiasana lahatsoratra voafaritra tsara ao amin’ireo gazety farany eo amin’ny asa fizarana gazety amin’ny asabotsy.

20 min: “Moa ve ianao mikatsaka harena nafenina?” Lahateny voaomana tsara miorina amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1990, pejy faha-18 ka hatramin’ny faha-22. Aza vakina amin’ny mpanatrika fotsiny ilay lahatsoratra fa hamafiso ny ilàna hanomanana ireo fivoriana rehetra, hamakiana ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra omen’ny Kolejy foibe ary hanarahana fandaharam-potoana tsara ho amin’ny fianarana manokana.

15 min: “Fomba fampiseho izay mahatonga ny olona handray tsara”. Fiaraha-midinika ataon’ny loholona za-draharaha iray sy ny mpitory maharitra sy/na mpitory tsotra roa na telo. Diniho ireo fomba fanombohan-dresaka samy hafa izay mety ho azo ampiharina eo amin’ny faritany eo an-toerana.

Herinandron’ny 9 Martsa

Hira 21, Hira 34

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampirisiho ireo izay mikasa ny hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny Aprily mba haka taratasy fangatahana ary hanome izany haingana.

15 min: “Araho tsy misy hataka andro ny fahalianana hita”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny.

20 min: “Inona no azoko lazaina mba hanairana fahalianana bebe kokoa?” Manolora fampisehoana voaomana tsara roa na telo. Aorian’ny tsirairay avy amin’izy ireo, dia asao ny mpanatrika hilaza hoe nahoana, araka ny heviny, no handaitra ilay fomba fampiseho mba hanairana fahalianana bebe kokoa ao amin’ilay tompon-trano.

Herinandron’ny 16 Martsa

Hira 13 (vaovao), Hira 30

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola. Ampidiro eto ny fisaorana avy any amin’ny Fikambanana noho ireo fanomezana natao. Anaovy teny fiderana ireo rahalahy noho ny fanarahany ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Deoteronomia 16:17.

15 min: “Ampahafantaro ny asan’i Jehovah”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Ampirisiho amin-kafanam-po ny rehetra mba hiara-miasa mba ho volana manokana ho amin’ny asa ny volana Aprily.

20 min: Loholona iray mitarika fiaraha-midinika amin’ny mpitory tsotra telo na efatra izay hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny Aprily na efa nanao izany tamin’ny lasa. Asao izy ireo hilaza izay nanosika azy hanao ny asan’ny mpitory maharitra, sy ny hoe fandaharana inona avy no nataony ho an’ny volana Aprily, ary izay fanandraman-javatra nety ho hitany tamin’ny lasa fony izy nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Ampahafantaro ny anaran’ireo izay efa nekena ho mpitory maharitra mpanampy amin’ny Aprily.

Herinandron’ny 23 Martsa

Hira 13, Hira 85

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao teokratika. Fampirisihana mba hihevitra ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy amin’ny Aprily. Sorito ireo fandaharana ho amin’ny fanasana olona hanatrika ny lahateny manokana amin’ny 5 Aprily ary ho amin’ny fampitomboana ny asa amin’ny Aprily.

12 min: Zavatra ilaina eo an-toerana na lahateny feno hafanam-po miorina amin’ny fanazavana ao amin’ny lahatsoratra hoe “Fanoharana: Fanalahidy mba hanohinana ny fo” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Janoary 1992. Manolora hevitra ny amin’izay fanoharana hifanentana amin’ny fomba fampiseho ampiasaina eo amin’ny faritany eo an-toerana.

18 min: Lahateny miorina amin’ny lahatsoratra hoe “Moa ve ianao mankasitraka ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Febroary 1992. Manorena finoana sy fatokiana ny fandaminana, ao amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona.

Herinandron’ny 30 Martsa

Hira 2, Hira 43

8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hanao fiezahana manokana hametraka gazety sy bokikely betsaka araka izay azo atao.

12 min: “Aza mitsahatra manao izao ho fahatsiarovana ahy”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra prezidà, misy fandraisana anjara avy amin’ny mpanatrika. Ampidiro koa ny fanazavana ao anatin’ilay faritra voafefy.

15 min: Fandinihana ny hoe “Fivavahana amin’ny razana” ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy faha-273 ka hatramin’ny faha-275. Na dia maro aza no manantitrantitra fa tsy ivavahan’ny ankamaroan’ireo monina any amin’ny ilabolantany andrefana, ireo razana, dia zavatra maro no atao mba hanomezam-boninahitra ny maty eo amin’ny fitambaran’olona amin’ny andro ankehitriny. Misy tsangambato, sary hoso-doko ary tantaram-piainan’olona natao hahatsiarovana olo-malaza. Manaova teny fampidirana momba ny fampisehoana misy raim-pianakaviana iray miresaka amin’ny zanany zatovo iray. Mampiasa ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-274 amin’ny boky Fanjohian-kevitra ilay raim-pianakaviana. Asongadino ny fanazavana eo ambany lohateny kely roa voalohany mba hampisehoana amin’ilay ankizy hoe nahoana no mampidi-doza ny fijerena sarimihetsika mampihorohoro (film d’horreur) izay mampirisika ny spiritisma na ny hevitra fa miverina mba hamangy ny velona ireo maty. Hazavao ny toetran’ny maty sy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty, ary asehoy hoe amin’ny ahoana izany no tokony hisy heriny eo amin’ny fomba fihevitsika momba ny maty. Maneho ny faniriany hanalavitra ireo fialam-boly mampirisika ny spiritisma ilay ankizy.

10 min: Fanandraman-javatra hita tamin’ny fametrahana ny boky Les Jeunes s’interrogent sy ny boky Ny fahatanoranao. Asao ireo mpitory mba hitantara fanandraman-javatra manorina voafantina, arakaraka ny hamelan’ny fotoana hanao izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara