Ampahafantaro ny asan’i Jehovah
1 “Ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany (...) fa asa lehibe no nataony.” (Isaia 12:4, 5). Ahoana no amalianao io fampirisihana io? Rehefa misaintsaina ireo asa nataon’i Jehovah tamintsika amin’ny maha-vahoaka sy isam-batan’olona isika, moa ve ny fontsika tsy voatosika hilaza izany amin’ny hafa? Telo amby fitopolo taona lasa teo ho eo izay, dia nanafaka ny vahoakany avy tamin’ny fahababoana babyloniana i Jehovah. Nanomboka tamin’ny 1919, dia naorina mafy ny fanompoam-pivavahana marina ary miely any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany ankehitriny. Nihoatra noho ny nantenaintsika ny zava-bitan’i Jehovah tamin’io. Amin’ny maha-isam-batan’olona, manao ahoana ny halalin’ny fankasitrahanao ny fitarihana, sy ny fiarovana ary ny fitahian’Andriamanitra? Afaka manao bebe kokoa ve ianao mba hampahafantarana ny asany sy hanandratana ny anarany?
2 Ny vanin-taonan’ny Fahatsiarovana dia mampahatsiahy antsika asan’Andriamanitra iray izay hahavelom-pankasitrahana antsika mandrakizay. Ho fotoana hety indrindra mba hampisehoana amin’i Jehovah ny fankasitrahantsika ny volana Aprily, amin’ny firotsahantsika hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Ary, raha mpitory maharitra mpanampy ianao mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia vao mainka handray soa betsaka kokoa ihany avy amin’ny fanampiany sy ny fampirisihany eo amin’ny fanompoana.
3 Matetika, dia mandeha tsara ireo fandaharana natao rehefa misy antokona mpitory maromaro mirotsaka hanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy. Azo atao ny mandamina fandaharam-potoana tsara iray mba hananan’ny rehetra namana hiaraha-miasa, ary afaka manao fandaharana mba hifanampiana ireo anabavy manan-janaka kely. Tamin’ny fanaovany fandaharana tsara dia hitan’ny maro fa tsy sarotra loatra ny manatratra ireo 60 ora takina. Izany dia midika ho fandaniana adiny roa monja isan’andro na adiny 15 isan-kerinandro eo amin’ny fanompoana. Misy mpitory maharitra mpanampy manao fanambarana mandritra ny adiny iray na roa aloha na aorian’ny asa fivelomany ary manao fanompoana lava kokoa amin’ny faran’ny herinandro.
4 Na dia tsy afaka ny ho mpitory maharitra mpanampy aza ianao, dia mety ho afaka ny hampitombo ny asanao eo amin’ny fitoriana. Ambonin’izany, amin’ny fanampiana eo amin’ny fitaterana sy amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo izay manao ny asan’ny mpitory maharitra, dia ho fampaherezana ho azy ireny ianao. Na inona na inona azonao atao mba hampahafantarana ny anaran’i Jehovah sy ny asany, dia tsy hoe tsy ho hitan’ilay Andriamanitsika mahay mankasitraka akory izany. — Matio 3:16.