Vaovao Teokratika
Groënland: Nisy tanàna-miaramila kely maro notsidihina nandritra ny volana Oktobra, ary nisy zavatra vita an-tsoratra maro voapetraka. Ireo mpitory tao amin’ireo kongregasiona roa any avaratra indrindra amin’ilay tany dia nanao tatitra fa nandany ora 22 mahery tamin’ny antsalany izy ireo teo amin’ny fanompoana tamin’io volana io.
Tuvalu: Nahita fitomboana 27 isan-jato izy ireo tamin’ny isan’ny mpitory tamin’ny volana Oktobra, satria nisy 62 namerina filazana asa.