Ny asan’ny mpitory maharitra — Fomba iray anehoana fitiavana
1 Ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika no manosika antsika handray anjara amin’ny fomba feno kokoa amin’ny asa fitoriana. Rehefa mitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny olona, dia voarisika hanao fandaharana mba handray anjara bebe kokoa ihany amin’ny fanompoana isika. Mivelatra ny fitiavantsika rehefa mitombo amin’ny “fahalalana tsara” ny Tenin’Andriamanitra isika. (Fil. 1:9, 10). Arakaraka ny ahazoantsika fahalalana bebe kokoa momba ny sitrapon’i Jehovah no hanekentsika kokoa fa mandodona ny fotoana iainantsika. Izany dia manamafy ny fiahiantsika ny hafa. Maro no maneho ny fiahiany amim-pitiavana ny hafa amin’ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra.
2 Afaka manao ireo fanamboarana ilaina ve ianao mba hahatongavana ho mpitory maharitra mpanampy na mandavantaona? Marina fa tsy isika rehetra no afaka ny ho mpitory maharitra. Tokony handinika ny tarehin-javatra misy azy ao amin’ny vavaka anefa ny tsirairay avy amintsika.
3 Vitsy ireo Kristiana mahita fa manam-potoana malalaka mba hanaovana ny asan’ny mpitory maharitra; noho izany, dia manjary ilaina ny ‘hakana fotoana’ avy amin’ireo zavatra tsy dia ilaina izay maka ny fotoanantsika ankehitriny. (Efes. 5:15-17, NW). Ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny olona dia tokony hahatonga antsika haniry hahafoy ny sasany amin’ireo faniriantsika manokana sy ireo zavatra mampiadana ny tenantsika mba hanehoana ny fitiavantsika amin’ny fomba feno kokoa. (Marka 12:33). Maro amin’ireo zavatra ananantsika, ary angamba heverintsika ho ara-dalàna, no mety hoheverina ho toy ny zava-tsoa tsy tena ilaina any amin’ny faritra hafa amin’ny tany.
4 Inona no azon’ireo ray aman-dreny atao mba hanampiana ireo zanany hisaintsaina ny amin’izany fomba fihevitr’Andriamanitra izany? Tokony hapetrak’ireo ray aman-dreny eo anoloan’ny zanany ireo zava-kendrena teokratika dieny mbola kely izy ireo. Rehefa manatona ny fotoana hamitany ny fianarany izy ireo, moa ve misaintsaina ny amin’ny zava-kendrena ivelan’ny fivavahana izy ireo sa ny amin’ny zava-kendrena ara-panahy kosa? Maniry ny hanampy ireo tanora eo amintsika isika mba hahita ireo soa maharitra entin’ny firotsahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra dieny mbola kely izy ireny. Izany dia fihariana harena any an-danitra. (Matio 6:19-21). Ankasitrahan’i Jehovah izany ary manome porofo ny amin’ny tsy fivadihantsika sy ny fifikirantsika aminy. Ary famonjena ain’olon-kafa koa izany.
5 Sitrapon’Andriamanitra ny ‘hamonjena ny karazan’olona rehetra.’ (1 Tim. 2:4, NW). Afaka mampiseho ve isika fa izany koa no faniriantsika? Afaka manao izany isika raha vonona ny hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany. Afaka manao izany koa isika amin’ny fitokiana fa hanome izay ilaintsika eo amin’ny fiainana i Jehovah. (Matio 6:31-33). Mety hiharatsy ny toe-piainana ara-toekarena, nefa ny fampanantenan’i Jehovah hikarakara antsika dia tsy miova na oviana na oviana. — Sal. 37:25.
6 Ny fiezahantsika mafy mba handray anjara amin’ny fanompoana araka izay betsaka amelan’ny tarehin-javatra misy antsika dia fomba iray anehoantsika fitiavana. Ho an’ny sasany, izany dia hidika ho fahatongavana ho mpitory maharitra mandavantaona. Nahoana raha manao izay rehetra azonao atao mba hanombohana amin’ny 1 Septambra 1992?