Famerenana An-tsoratra ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Fianarana ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanelanelana ny 4 May sy ny 24 Aogositra 1992. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana ny valinteny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe “marina” na “diso” ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Amin’ny famakian-teny ampahibemaso, ny fiatoana mety tsara dia anisan’ny tsindrimpeo tena ilaina. [1, sgMG p. 30 feh. 6]
2. Tokony hianatra isika, amin’ny fikendrena ny hitadidy ireo hevitra, mba hampiharana izany aoriana kokoa eo amin’ny fiainantsika na eny amin’ny saha fitoriana. [8, sgMG p. 36 feh. 10]
3. Ny kendrena amin’ny voambolana miitatra dia ny hanaitra ireo olona eny amin’izao tontolo izao, fa mahafanta-javatra sy mahay ireo Vavolombelon’i Jehovah. [17, sgMG p. 55 feh. 7]
4. Ny porofo mahery indrindra manohana ny fahamarinan’ny Deoteronomia dia ny arkeôlôjia. [6, siF p. 37 feh. 8 (1983 ed., p. 37 feh. 8)]
5. Rehefa milaza toy izao ny Nomery 35:16 “Raha misy mamely vy olona”, ny tiana holazaina dia hoe niniana nampiasaina ho toy ny fiadiana ilay fitaovana. [4, Fam. Baib.; zahao gE 22/12/78 p. 27.]
6. “Ny lehibe” resahina ao amin’ny Deoteronomia 1:17 dia angamba lehibe araka ny asehon’ny fananany ara-nofo, ny fanabeazana azony, na ny asa lehibe vitany. [5, Fam. Baib.; zahao wF 77 p. 372.]
7. Tsy maintsy manatsoaka hevitra avy amin’ny Deoteronomia 19:21 isika, fa anisan’ny lalàn’Andriamanitra ny famonoana ho faty izay minia mamono olona. [9, Fam. Baib.; zahao gF 22/11/74 p. 28.]
8. “Ny zavatra ambara” ao amin’ny Deoteronomia 29:28 dia nanjary nahafaoka ny fahalalana rehetra voarakitra ao amin’ny Baiboly. [12, Fam. Baib.; zahao wMG 15/8/87 p. 31.]
9. Nanendry ny fokon’i Joda mba ‘hampianatra an’i Jakoba ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra sy Isiraely ny lalàn’Andriamanitra’ i Jehovah. (Deot. 33:10) [13, Fam.Baib.; zahao wMG 15/11/88 p. 11 feh. 7.]
10. Ny Gibeonita dia nampiseho mialoha ny sisa. (Josoa 10:1-11) [16, Fam. Baib.; zahao wMG 15/3/87 p. 22 feh. 8.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Inona no zava-tsarotra lehibe indrindra resena rehefa manao lahateny vita an-tsoratra? [2, sgMG p. 31 feh. 9]
12. Amin’ny fomba ahoana no azo amaritana ny foto-kevitry ny lahateny iray? [11, sgMG p. 44 feh. 2]
13. Inona no hevitry ny anarana hoe Deoteronomia, ary nampirisika hanao inona ilay boky? [5, siF p. 36 feh. 4 (p. 36 feh. 4)]
14. Inona no zava-kendrena amin’ny Orima sy Tomima ao amin’ny Deoteronomia 33:8? [13, Fam. Baib.; zahao wMG 15/4/86 1/15 p. 8.]
15. Amin’ny heviny ahoana ny Lalàn’Andrimanitra no ‘ho tahaka ny fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny elanela-mason’ny’Isiraelita? (Deot. 6:8, fanamarihana ambany pejy) [6, Fam. Baib.; zahao wMG 15/4/74 p. 240.]
16. Amin’ny heviny ahoana no mamelona antsika ireo fanambaran’Andriamanitra? (Deot. 8:2, 3) [7, Fam. Baib.; zahao wMG 15/9/85 p. 17 feh. 15.]
17. Nahoana ny lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 22:28, 29 no milaza fa ny lehilahy isiraelita iray izay nanana firaisan’ny lahy sy ny vavy tamin’ny zazavavy virjiny tsy voafofo no tsy maintsy manambady azy ary tsy afaka misaraka aminy intsony? [10, Fam. Baib.; zahao wMG 15/2/90 p. 31.]
18. Rehefa mandinika ny fitambaran-tafika izay nifanehatra tamin’ny Isiraely isika, tarehin-javatra inona mifanitsy amin’izany no hitantsika ankehitriny? (Josoa 9:1, 2) [15, Fam. Baib.; zahao wMG 15/3/87 p. 22 feh. 5.]
19. Tsy nanao fanambarana ara-tsiansa momba ny fihetsiky ny planeta i Josoa eo amin’ny Josoa 10:13, fa inona kosa no tiany homena? [16, Fam. Baib.; zahao wMG 1/4/82 p. 5.]
20. Ireo fehezanteny voalohany amin’ny lahateny iray dia tokony hikendry zavatra roa inona avy? [12, sgMG p. 46 feh. 9]
Fenoy amin’ny teny na fitambaran-teny mifanitsy aminy ny banga amin’ireto fanambarana ireto:
21. Isaky ny avy mamaky Baiboly ianao, dia mety ny hakana fotoana hanaovana __________________________ raha misy hevitra mbola tsy mazava. [7, sgMG p. 35 feh. 7]
22. Rehefa manomana lahateny iray, dia tokony hesorina ireo hevitra tsy miditra mihitsy amin’ny . [9, sgMG p. 41 feh. 10]
23. Amin’ny fanaovantsika fanomanana tsara ny anjara tsirairay avy amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, dia mamela ny tenantsika ho __________________________ io fandaharam-pampianarana atolotr’i Jehovah io isika. [10, sgMG p. 43 feh. 18]
24. Ny hoe “maka aina” dia hitovy amin’ny fakana ny __________________________ ny olona iray tena. (Deot. 24:6) [11, Fam. Baib.; zahao wMG 15/11/84 p. 11.]
25. Manome ny hevitry ny hoe __________________________ ny Baiboly ao amin’ny Nomery 35:20, 21. [4, Fam. Baib.; zahao gE 8/5/74 p. 27.]
Fanteno izay valiny marina amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Tsara ny manontany ny tompon-trano satria izany dia (hahatonga azy ho vonona hihaino kokoa; hahitany fa tsy fantany ny valiny; manampy azy hahatakatra fa tsy nampianatra azy ireo tamin’ny fomba nety ny fivavahan-diso). [16, sgMG p. 52 feh. 12]
27. Ny menarana varahina dia nanondro an’i (Satana; Davida Mpanjaka; Jesosy). (Nom. 21:8, 9) [3, siF p. 35 feh. 34 (p. 35 feh. 34)]
28. I Petera dia naka teny tao amin’ny (Levitikosy; Nomery; Deoteronomia) rehefa noporofoiny tsy misy iadian-kevitra fa i Jesosy no Kristy sy ilay Mpaminany lehibe noho i Mosesy. [13, siF p. 40 feh. 31 (p. 40 feh. 31)]
29. Ny bokin’ny Josoa dia mahafaoka ny vanim-potoana nanomboka tamin’ny (1513-1473; 1473-1450 tany ho any; 1473-1100 tany ho any) al.f.i. [14, siF p. 42 feh. 5 (p. 43 feh. 5)]
30. Ny hoe “hanao zavatra amim-pahendrena” dia midika hoe manao zavatra (araka ny fahalalana rehetra nangonina tany Egypta; amim-pahiratan-tsaina; amim-pitandremana). (Josoa 1:8, NW) [14, Fam. Baib.; zahao wMG 15/6/89 p. 13 feh. 10.]
Ampifanandrifio amin’ny fanambarana eto ambany ireto toko sy andininy manaraka ireto:
Nom. 21:5, 6; 23:23; 32:23; Deot. 12:24; Matio 28:19, 20
31. Araka ireo toromarika ireo, ny Kristiana tsirairay avy dia tokony hanatsara ny fahaizany mampianatra. [15, sgMG p. 49 feh. 2]
32. Tamin’ny fampitandremana ny amin’ny fimonomononana, dia nanisy fitenenana ny amin’io andinin-teny io i Paoly. [4, siF p. 35 feh. 36 (p. 35 feh. 36)]
33. Noho io fandrarana io, dia tsy azon’ny Vavolombelon’i Jehovah ekena ny fomba atao hitahirizana ny ran’ny tenany manokana mba hampidirina izany atỳ aoriana ao amin’ny tenany. [8, Fam. Baib.; zahao wMG 1/6/89 p. 30.]
34. Ny fotopoto-pitsipika resahina eto dia mitovy amin’izay hita ao amin’ny Galatiana 6:7: “Fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” [3, Fam. Baib.; zahao wE 72 p. 392.]
35. Tsy matahotra ny fampiasana ody ratsy na ny mosavy ny Vavolombelon’i Jehovah raha mandà izay zavatra rehetra mifandray amin’ny fanaovana ody ratsy izy, ao anatin’izany ny fampiasana zavatra ho fiarovana amin’ny vintana na “fanafody” namboarin’ny mpimasy iray. [1, Fam. Baib.; zahao gE 22/8/70 p. 7.]