Fampidiran-dresaka Izay Hanaitra Fahalianana
1 Faran’izay nahay i Jesosy teo amin’ny fampiasana fampidiran-dresaka. Na niresaka tamin’olona maro i Jesosy na tamin’olon-tokana, dia nisarika ny sain’ny mpihaino azy tamin’ny fampandraisana azy ireo anjara mihitsy tamin’ilay resaka. Nasehony tamin’ireo mpihaino azy ny hasarobidin’ny foto-kevitra noresahiny. — Matio 5:3-12; Jaona 4:7-30.
2 Ilaina ny fiomanana mialoha: Mba hanairana fahalianana amin’ny hafatra entintsika, dia mila ny manamboatra ireo fampidiran-dresatsika isika mba hampidirana ilay olona amin’izany, ary mba hifanarahan’izany amin’izay mampanahy azy. Mila ny mampiseho koa isika fa hanampy azy manokana ny hafatra momba ilay Fanjakana.
3 Rehefa miomana ho amin’ny asa fanompoana ianao, dia jereo indray izay mampanahy voalohany indrindra ireo olona eo amin’ny manodidina. Moa ve nisy zavatra tamin’ny vaovao nisarika ny sain’ny tsirairay? Inona no hahaliana ny tanora iray? Ny olona be taona kokoa iray? Ireo lehilahy manambady, ireo vehivavy manambady, na ireo ray aman-dreny? Tsy hampiasa fampidiran-dresaka mitovy foana isaky ny varavarana ianao, fa mandaitra kokoa mazàna ny manomana fampidiran-dresaka samy hafa maromaro, ary ny ho vonona ny hampifanaraka azy ireo amin’ny fihetsik’ireo tompon-trano hitanao. Misy mpitory nahita fahombiazana tsara tamin’ny fanomanana sy fampiasana fampidiran-dresaka samihafa avy ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra isaky ny handeha hanao fanompoana isan-trano izy ireo. (rsMG p. 9-15). Izany dia mihazona ny fanombohan-dresaka ampiasainy ho vaovao sy mahaliana hatrany.
4 Mandritra ny volana Aogositra, dia mety ho tianao ny hampiasa fomba fampiseho mitovy amin’izao manaraka izao:
◼ “Manao ahoana, tompoko ô. Niresaka tamin’ny sasany amin’ireo mpiara-monina amintsika aho, momba izay toetra tsara hiriny ho hita amin’ny olona iray hanapaka eo amin’ny hafa. Azoko atao ve ny manontany anao hoe toetra tsara iray na roa inona avy no heverinao fa lehibe indrindra? [Avelao izy hamaly. Manehoa fankasitrahana noho ireo hevitra lazainy. Ekeo izany raha mifanentana ny fanaovana izany.] Fantatrao ve fa ny Baiboly dia milazalaza ny amin’ireo fepetra nofenoin’Ilay nekena ho mpanapaka ny olombelona? Hita eto amin’ny Isaia 9:5, 6 izany. [Vakio.] Ahoana no hiheveranao ny fiainana eo ambany fanapahan’ny mpanapaka toy izany?” Avelao izy hamaly ary avy eo dia ampitodiho ny sainy ho amin’ny Salamo 146:3, 4 ary ho amin’ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-254-255 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra momba ny fahazoana antoka fa ho tsara ny fanapahan’i Jesosy. Na, azo atao koa ny mampiasa ny boky Hiaina Mandrakizay, eo amin’ny pejy faha-112 sy faha-113, mba hitarihana ho amin’ny fifampiresahana fanampiny. Raha hita fa misy fahalianana marina, dia mety ho tianao ny hanolotra ilay boky.
5 Raha miresaka amin’olona mirona kokoa hihevitra ny amin’ny fianakaviana ianao, dia mety hety tsara izao fomba fampiseho manaraka izao rehefa manasongadina ny boky Hiaina Mandrakizay ianao.
Aorian’ny fiarahabana mahazatra, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Voamarikao ve fa ireo fanerena sy zava-manahirana miseho isan’andro dia miteraka tena zava-tsarotra tsy maintsy resen’ireo fianakaviana amin’izao andro izao? [Avelao izy hamaly.] Mety ho fantatrao ve hoe aiza no azon’ireo fianakaviana itodihana mba hahitana torohevitra tsara? [Avelao izy hamaly.] Mampitodika ny sain’ny olona ho amin’izay lazain’ny Baiboly momba io foto-kevitra io, izahay. Mariho izay nambaran’Ilay namorona ny fanambadiana tamin’ny mpivady olombelona voalohany.” Vakio ny Genesisy 1:28 ary avy eo dia sokafy eo amin’ny pejy faha-238 ny boky Hiaina Mandrakizay ary tohizo ny resakao amin’ny fampiasana hevitra voafantina avy ao amin’ny toko faha-29.
6 Amin’ny fanahafana ireo fomba nampiasain’i Jesosy mba hisarihana ny fahalianan’ny olona sy amin’ny fampandraisana anjara an’ireo mpihaino amin’ny resaka, dia hampiseho amin’ireo olona tso-po ny hasarobidin’ireo zavatra ara-panahy, isika.