Fampidirana Amin’ny Fomba Mandaitra ny Boky Hiaina Mandrakizay
1 Faran’izay nahay tamin’ny fampiasany fampidiran-dresaka i Jesosy. Nahafantatra izay holazaina izy mba hanairana ny fahalianana. Indray mandeha, dia nanomboka resaka tamin’ny vehivavy Samaritana iray izy tamin’ny fangatahana fotsiny taminy rano hosotroina. Nanaitra ny sain’ilay vehivavy avy hatrany izany satria ‘ny Jiosy tsy nanan-draharaha tamin’ny Samaritana’. Nanampy azy sy ny maro hafa ho tonga mpino tamin’ny farany ny resaka nanaraka izany. (Jaona 4:7-9, 41). Afaka mianatra avy amin’ny ohatra nomeny isika.
2 Rehefa miomana hanolotra ny boky Hiaina Mandrakizay ianao, dia manontania tena hoe: ‘Inona no zavatra mampanahy ny olona ao amin’ny faritaninay amin’izao fotoana izao? Inona no hanintona ny zatovo, ny be taona kokoa, ny lehilahy manambady, na ny vehivavy manambady?’ Afaka manomana fampidiran-dresaka mihoatra ny iray ianao ary mivonona hampiasa ilay toa mifanentana indrindra amin’ilay tarehin-javatra.
3 Koa satria mahakasika ny maro ny fikororosian’ny fiainam-pianakaviana, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Mametraka fihenjanana lehibe amin’ny fianakaviana ny faneren’ny fiainana isan’andro ankehitriny. Aiza no ahafahan’izy ireo mahita fanampiana? [Avelao ilay olona hamaly.] Afaka ny ho tena fanampiana ho antsika ny Baiboly. [Vakio ny 2 Timoty 3:16, 17.] Manolotra toro lalana mahasoa izay afaka manampy ny fianakaviana tsy ho rendrika ny Soratra Masina. Mariho ange izay ambaran’ny fehintsoratra faha-3 eo amin’ny pejy faha-238 amin’itỳ boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany itỳ e!” Vakio ny fehintsoratra faha-3, ary atolory ilay boky.
4 Raha mampiasa zavatra iray tamin’ny vaovao eo an-toerana ianao, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Renao ve ilay vaovao momba ny [manonòna tatitra mampanahy ny eo an-toerana]? Inona no noeritreretinao momba azy iny? [Avelao ilay olona hamaly.] Mahatonga anao hanontany tena izy iny hoe asa raha mba ho inona ihany no hiafaran’izy itỳ, sa tsy izany? Ny Baiboly dia nanambara mialoha zavatra toy izany ho porofo fa miaina ao anatin’ny andro farany isika.” Avy eo dia diniho ny fanazavana eo amin’ny pejy faha-150-153 amin’ny boky Hiaina Mandrakizay.
5 Maro no velom-panahiana noho ny fitomboan’ny zava-manahirana momba ny heloka bevava. Afaka mampiasa ilay fampidiran-dresaka voalohany eo ambanin’ilay lohateny hoe “Heloka Bevava/Tsy Fananana Ahiahy” eo amin’ny pejy faha-13 ao amin’ny boky “Fanjohian-kevitra” ianao, dia ilay hoe:
◼ “Miresaka amin’ny olona momba ny tsy fananana ahiahy ho an’ny isam-batan’olona izahay. Be dia be ny heloka bevava manodidina antsika, ary mahakasika ny fiainantsika izany. Inona no heverinao fa ilaina hatao mba hahatsapan’ny olona toa ahy sy ianao tsy fananana ahiahy eny amin’ny arabe amin’ny alina?” Azonao vakina ny Salamo 37:10, 11 ary sintonina ho amin’ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny sainy, amin’ny fampiasana ny pejy faha-156-158 ao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay.
6 Raha tianao kokoa ny tari-dresaka tsotra kokoa, dia ho azonao ampiasaina ny fampidiran-dresaka mitovy amin’izay hita eo amin’ny tapany ambony amin’ny pejy faha-14 amin’ny boky “Fanjohian-kevitra” hoe:
◼ “Mampirisika ny mpiara-belona aminay mba hihevitra ny hoavy mahatalanjona ampanantenain’ny Baiboly antsika, izahay. [Vakio ny Apokalypsy 21:3, 4.] Hitanao ho tsara ve izany? [Avelao ilay olona hamaly.] Manasongadina fitahiana hafa koa ho hitan’ny olombelona mankato eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny toko faha-19 amin’itỳ boky itỳ.” Atolory ny boky Hiaina Mandrakizay.
7 Afaka manampy anao hahita ireo izay noana ny fahamarinana ny fanomanana fampidiran-dresaka mandaitra. — Matio 5:6.