Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Septambra
FANAMARIHANA: Koa satria tsy hisy Fivoriana Momba ny Asa amin’ny herinandron’ny fivoriamben’ny distrika, dia fandaharana ho an’ny herinandro telo ihany no omena ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ny fandaharana ho an’ny Herinandro voalohany dia hatao amin’ny herinandro aorian’ny fivoriamben’ny distrika nanendrena ny kongregasionanareo. Ny fandaharana ho an’ny Herinandro faharoa sy ho an’ny Herinandro fahatelo dia hatao na aloha na aorian’ny fivoriamben’ny distrika nanendrena ny kongregasionanareo, arakaraka ny datin’izy io.
Raha ny amin’ny famerenana ireo hevi-dehibe tamin’ny fandaharan’ny andro tsirairay tamin’ny fivoriamben’ny distrika, izay haharitra 30 minitra, dia azo atao ny manendry mialoha rahalahy mahafeno fepetra roa na telo izay hifantoka amin’ireo hevitra fototra. Io famerenana voaomana tsara io dia hanampy ireo rahalahy hitadidy ireo hevi-dehibe mba hampiharin’ny tenany manokana, ary koa mba hampiasainy eny amin’ny fanompoana. Tokony ho fohy sy tsy hilaza afa-tsy ny hevi-dehibe ireo fanazavana hangatahina amin’ny mpanatrika, sy ireo fitantarana fanandraman-javatra hita.
Herinandro voalohany
Hira 30, Hira 22 (vaovao)
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana mifanentana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Diniho ilay lahatsoratra hoe “Azo Fohazina Indray ve ny Fahalianan’izy Ireo?”, ary manaova fampisehoana fohy momba ny fomba azo anaovana ny fitsidihana toy izany.
30 min: Famerenana Ireo Hevi-dehibe Tamin’ny Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Distrika.
Herinandro faharoa
Hira 104, Hira 17 (vaovao)
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampidiro eto ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ireo fanomezana voaray. Anaovy teny fiderana ny kongregasiona noho ny fanohanany tamim-pahalalahan-tanana ireo zavatra ilaina eo an-toerana ary koa ny asan’ny Fikambanana maneran-tany. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia asao hitantara fanandraman-javatra momba ny fanolorana Ny Bokiko ny mpitory nampiomanina mialoha.
20 min: “Fiarovana ny Zanakareo Amin’ny Fampiasana Ratsy ny Ra”. Loholona iray hanao lahateny momba ny fehintsoratra 1-10. Ataovy mazava tsara fa tsy fanehoana fanekena lembenana akory ny fanjohian-kevitra mitarika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra momba ny faneken’ny ray aman-dreny ny hitsaboan’ny dokotera iray ny zanany ao anatin’ny tarehin-javatra voalaza eo amin’ny fehintsoratra 5-7.
15 min: “Fianarana ny Boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany”. Fanontaniana sy valiny. Ataovy izay hampitomboana ny hafanam-pon’ny mpanatrika momba ny fianarana io boky io izay hanomboka amin’ny herinandron’ny 26 Oktobra.
Herinandro fahatelo
Hira 72, Hira 51
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hitondra ny bokiny Lehilahy Niavaka amin’ny Fivoriana Momba ny Asa amin’ny herinandron’ny 5 Oktobra.
15 min: “Fiarovana ny Zanakareo Amin’ny Fampiasana Ratsy ny Ra”. Fiaraha-mandinika ny fehintsoratra 11-27 amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Mifantoha amin’ny valin’ireo fanontaniana hita eo amin’ny fehintsoratra faha-11 sy faha-19. Antitrantero fa ny fiomanana mialoha ataon’ireo ray aman-dreny mba hahazoana fitsaboana ho an’ny zanany matetika no fototry ny fahombiazana mba tsy hiharan’ny fampidiran-dra.
15 min: Asongadino Ireo Gazety Mandritra ny Volana Oktobra. Lahateny fohy manasongadina ny hasarobidin’ny Mifohaza! sy Ny Tilikambo Fiambenana. Tokony ho mailaka hamaky ireo gazety vaovao ireo mpitory mba hahafahany hiresaka amin-kafanam-po rehefa manolotra azy ireo amin’ny hafa izy. Manaova fampisehoana momba ny fomba mety hanoloran’ny mpitory iray ireo gazety sy hanaovany fandaharana mba hiverenana miaraka amin’ny gazety vaovao, ka hanombohany amin’izany lalana fizarana gazety.
10 min: Fandinihana ny Asa Vitan’ny Kongregasiona. Ny mpiandraikitra prezidà sy ny mpiandraikitra ny asa mijery ireo tarehimarika hita eo amin’ny pejy voalohany amin’ny Tatitra Famakafakana ny Kongregasiona (S-10) izay nalefa tany amin’ny Sampana taloha kokoa tamin’ny volana, ary miresaka momba ireo zavatra misongadina amin’ny asa vitan’ny kongregasiona tamin’ny taona lasa. Manao teny fiderana amin-kafanam-po ireo mpitory sy mpisava lalana izy ireo noho ny ezaka feno fahafoizan-tena nataony teo amin’ny fanompoana, sy noho ny fahatokiany teo amin’ny fanatrehana fivoriana. Tonòny manokana ireo lafin-javatra tena niavahan’izy ireo. Azo atao ny mampitaha izany amin’ny asa vita tamin’ireo taona hafa lasa, raha ao amin’ny tahirin-taratasy ireo filazana asa. Ankoatra izany, dia mariho ireo lafin-javatra azo hatsaraina mandritra ny taom-piasana 1993.