Aza Mitsahatra ny Miresaka Momba Ireo Zavatra Hitanareo sy Renareo
1 Na dia norahonana ny hovonoina sy hatao an-tranomaizina aza ireo apostoly, dia nanambara tamin’ireo mpanohitra azy hoe: “Izahay tsy afaka mitsahatra ny miresaka momba ireo zavatra hitanay sy renay.” (Asa. 4:20, NW). Nankasitraka ny hasarobidin’ireo asa sy fampianaran’i Jesosy izy ireo.
2 Mbola zava-dehibe ho an’ny olona amin’izao andro izao toy ny tamin’izany andro izany ihany ny vaovao tsara momba an’i Jesosy sy ny Fanjakany. Noho izany, dia tokony hanararaotra ny fahafahana rehetra hiresaka momba izay hitantsika sy rentsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, isika. Mazàna ny olona dia vonona kokoa ny hiresaka momba ny zavatra ara-pivavahana mandritra ny vanin-taona misy fety, ka izany dia manokatra fahafahana fanampiny ho antsika mba hanaovana fanambarana.
3 Ry tanora, miresaha any am-pianarana: Vavolombelona tanora maro no manararaotra ireo fahafahana hanao fanambarana amin’ireo iray kilasy aminy sy ireo mpampianatra azy. Ny Vavolombelona tanora iray izay miezaka foana mba ho mailo hahalala ireo foto-dresaka farany resahin’ireo iray kilasy aminy, dia nanararaotra ny zava-niseho iray tao an-tsekoly. Nanatona ireo mpampianatra sy iray kilasy taminy àry izy ka nampiseho zavatra vita an-tsoratra iray nifanentana tsara. Ny vokany? Nahapetraka boky 35 tao anatin’ny indray andro izy! Koa satria mitodika any amin’i Jesosy Kristy sy any amin’ny fiadanana ny sain’ny maro amin’izao faran’ny taona izao, moa ve izao tsy fotoana tsara hampahafantarana an’ireo iray kilasy aminao sy ireo mpampianatra anao fa afaka mandamina ireo zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao i Jesosy izay Mpanjaka efa manapaka? — Ampitahao amin’ny Lioka 2:14.
4 Raha mahatonga fanontaniana ny tsy fandraisanao anjara amin’ireo fombafomba ara-pivavahana mifandray amin’ny Krisimasy, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:
◼ “Tsy mandray anjara amin’ireo fankalazana ny Krisimasy aho satria tsy manome voninahitra an’i Jesosy izy ireo. I Jesosy mantsy no hany fomba hahazoana famonjena sady ilay hany hamarana ny ady sy ireo zava-manahirana ara-pirazanana. [Tonòny na vakio ny Asan’ny Apostoly 4:12.] Tsy zazakely intsony i Jesosy fa Mpanjaka efa manapaka. Ity boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ity dia miresaka momba ireo fampianarana sy fahagagan’i Jesosy rehetra, ary mampiseho ny fomba hamaranany ny fijalian’ny olombelona.” Avy eo, dia asehoy ilay sary ao amin’ny toko faha-133, ary vakio ilay fehintsoratra faha-3 eo amin’ny pejy manaraka. Mampisehoa hevitra hafa izay heverinao fa mety hanintona ilay olona. Ary dia atolory azy ilay boky.
5 Miresaha amin’ireo mpiara-miasa aminao: Ny rahalahy iray dia nahapetraka boky 63 tamin’ny fametrahana fotsiny boky Lehilahy Niavaka iray teo ambony biraony. Ny endriny tsara tarehy sy ny lohateniny fotsiny dia nampipoitra fanontaniana. Ho azonao atao ny hanontany amin’ny mpiara-miasa aminao fotsiny hoe: “Iza no holazainao fa ny lehilahy niavaka indrindra teto an-tany?” Avy eo, dia manampia teny toy izao: “Ity boky ity dia mandinika amin’ny antsipiriany ny fiainan’i Jesosy manontolo, mamelabelatra ny lahateny rehetra nataony, mamaly fanontaniana ataon’ny maro momba ireo fahagagany, ary manome tsipirian-javatra maro hafa koa. Tena fandinihana lalina izay ampianarin’ny Baiboly momba an’i Jesosy izy ity, ary manaporofo tsy misy hiadian-kevitra fa i Jesosy Kristy no ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany.” Avy eo, dia miresaha momba ilay tenin’i Napoléon momba an’i Jesosy hita eo amin’ny fehintsoratra fahatelo amin’ny teny fampidiran’ilay boky.
6 Mety hipoitra koa ny fahafahana tahaka izany hanao fanambarana amin’ireo mpiara-monina amintsika na ireo havantsika tsy mino. Mivavaha amin’i Jehovah mba hanomezany anao ny fahasahiana sy ny fahaizana hiresaka amin’ny fotoana mety. (Asa. 4:29, 31). Ny fahalalana ananantsika momba an’i Jesosy ka tiantsika holazaina dia hanafana ny fon’ireo olona misaina sy tia ny marina. Fanandraman-javatra tsara kokoa inona no ho hitantsika ankoatra ny fanampiana ny iray kilasy, mpiara-miasa, mpiara-monina, na havana iray hizotra eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay? — Jaona 14:6.