FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/92 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Desambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Desambra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 7 Desambra
  • Herinandron’ny 14 Desambra
  • Herinandron’ny 21 Desambra
  • Herinandron’ny 28 Desambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
km 12/92 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Desambra

Herinandron’ny 7 Desambra

Hira 218, Hira 205

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manoroa hevitra ny amin’ny fomba azo anairana ny fahalianan’ny olona amin’ireo gazety asongadintsika eny amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.

15 min: “Omeo Fandrisihana ny Hafa mba Handinika Tsara an’i Jesosy”. Lahateny mampahery, manoritra ny hasarobidin’ny boky Lehilahy Niavaka mba hanampiana ny olona hanaiky ny fanompoam-pivavahana marina.

20 min: “Mizarà Fahalalana Marina Momba an’i Jesosy Kristy”. Fanontaniana sy valiny. Manaova fampisehoana momba ny fampiasana ireo taratasy mivalona vaovao anoroana hevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-2 sy faha-3.

Herinandron’ny 14 Desambra

Hira 20, Hira 71

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampidiro eto ny filazana momba ny toe-bola sy ny fisaorana noho ireo fanomezana. Anaovy teny fiderana ny kongregasiona noho ny fanohanany tamim-pahalalahan-tanana izay nilaina teo an-toerana sy ny Famoriam-bolan’ny Fikambanana ho Amin’ny Fanamboarana Efitrano Fanjakana ary ny asan’ny Fikambanana maneran-tany. Raha mamela hanao izany ny fotoana, dia mitantarà zavatra hita teny am-pitoriana voafantina tsara, mifandray amin’ny fampiasana taratasy mivalona na ny boky Lehilahy Niavaka izay nanampy olona hanaiky ny fanompoam-pivavahana marina. Ampahafantaro ireo fandaharana manokana ho amin’ny fitoriana amin’ny 25 Desambra.

10 min: “Aza Mitsahatra ny Miresaka Momba Ireo Zavatra Hitanareo sy Renareo”. Lahateny. Mampidira zavatra hita teny am-pitoriana teo an-toerana voafantina tsara ka mifandray amin’ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana.

15 min: “Fampiasana Taratasy Mivalona mba Hahitana Vokatra Mahasoa” — Fizarana voalohany. Fandinihana ny fehintsoratra 1-8 amin’ilay takelaka fanampiny amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fehintsoratra faha-8, dia manaova fampisehoana momba ny fanaovana fanambarana tsy ara-potoana amin’ny alalan’ny taratasy mivalona iray.

10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny loholona iray.

Herinandron’ny 21 Desambra

Hira 53, Hira 128

8 min: Fampandrenesana eo an-toerana; ampidiro eto ny fampandrenesana ny amin’ny fanaovana fitoriana manokana amin’ny 1 Janoary. Manolora hevitra azo resahina iray na roa izay azo ampiasaina ho fampidiran-dresaka eny amin’ny asa fanompoana amin’izao faran’ny herinandro izao.

15 min: “Kolokoloy Amim-pahaiza-manavaka ny Fahalianana Mandritra ny Vanin-taonan’ny Fety”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Manaova fampisehoana momba ireo hevitra ao amin’ny fehintsoratra faha-3 sy faha-4.

22 min: “Fampiasana Taratasy Mivalona mba Hahitana Vokatra Mahasoa” — Fizarana faha-2. Fandinihana ny fehintsoratra 9-16 amin’ilay takelaka fanampiny amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Aorian’ny fehintsoratra faha-10, dia manaova fampisehoana momba ny fomba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny alalan’ny taratasy mivalona iray. Aorian’ny fehintsoratra faha-13, dia manaova fampisehoana momba ny fomba fampiasana ny taratasy mivalona Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? mba hanombohana fampianarana.

Herinandron’ny 28 Desambra

Hira 196, Hira 103

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teokratika. Manaova fampisehoana momba ny fampiasana ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra amin’ny Janoary.

10 min: “Mampiofàna Tena Amin’ny Fametrahana ny Fifikirana Amin’Andriamanitra ho Zava-kendrenao”. Lahateny mampahery ataon’ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika. Hazavao mazava tsara ny fomba tokony hanaovana ny anjara faha-2, ary ampahatsiahivo ireo izay tendrena hamelabelatra ny hevi-dehibe amin’ny famakiana Baiboly fa tsy tokony hanao fanazavana mivelatra loatra momba ilay fizarana ao amin’ny Baiboly natao ho an’ny anjara faha-2 izy ireo.

13 min: “Afaka Mahita Fampiononana Ianao Amin’ny Fotoana Isian’ny Fahorian-tsaina Mafy”. (wMG 15/7/92 p. 19-22). Lahateny mampahery ataon’ny loholona iray.

12 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara