Fampiasana Fitaovana Tena Lehibe Amim-pahendrena
1 Rehefa mitory isan-trano ianao, ny tokony ho zava-kendrenao dia ny hampiresaka ny tompon-trano tsirairay momba ny foto-kevitra mampandroso iray araka ny Soratra Masina, amin’ny fampiasana ny Baiboly na fitaovana tena lehibe hafa. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:1, NW; 2 Timoty 2:15.) Zavatra inona no ahin’ny olona eo amin’ny faritaninao tato ho ato? Moa ve izy ireo manahy noho ny tarehin-javatra ara-toe-karena sy ny fiharatsian’ny fiainam-pianakaviana? Ny teny fampidirana vitsivitsy momba ny iray amin’ireo foto-kevitra ireo dia mety hitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra ara-baiboly tsara dia tsara.
2 Azonao atao ny milaza hoe:
◼ “Amin’izao andro sarotra izao, dia olona maro no mahita fa mafy ny fiainana. Heverinao ve fa ireo fitondram-panjakan’olombelona dia handamina ireo zava-manahirana antsika ara-bola amin’ny fomba tsy hampiseho fiangarana na amin’iza na amin’iza? [Henoy ny valin-teniny.] Ny tenako manokana dia nahita fa tena mampahery indrindra ity hevitra iray ity (...)”
3 Avy eo, dia azonao atao ny mamaky ny Salamo 72:12-14 sy mamarana ilay resaka amin’ny fifidianana andinin-teny fanampiny iray avy amin’ireo hita eo amin’ny pejy faha-255 ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Na koa, rehefa avy mamaky andinin-teny iray ianao, dia azonao atao ny miresaka momba ny fehintsoratra iray ao amin’ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Mpitory maro — anisan’izany ireo tanora — no nahavita nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny alalan’ny iray amin’ireo taratasy mivalona. Ny nataony tamin’izany dia ny namaky fehintsoratra iray ary avy eo dia nanontany ny hevitr’ilay tompon-trano momba izay vao avy novakina.
4 Any amin’ny faritany hafa, dia mety ho tianao kokoa ny hampiasa izao fanombohan-dresaka izao:
◼ “Olona maro no maniry ny hiverenana ho amin’ny fari-pitondran-tena nentim-paharazana ao amin’ny fiainam-pianakaviana. Heverinao ve fa miankina amin’ny tsirairay ny hamantatra izay fari-pitondran-tena tokony harahiny, sa kosa tokony hisy fari-pitsipika iray ihany ho an’ny rehetra? [Avelao izy hamaly.] Maro no manaiky fa raha arahina ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly, dia hisy fihatsarana miavaka eo amin’ny fiainam-pianakaviana.” Eto ianao dia afaka mampiditra ny fanambarana nataon’ilay apostoly ao amin’ny Kolosiana 3:12-14 ary avy eo dia miresaka momba azy io.
5 Raha maneho fahalianana ilay tompon-trano, dia asehoy azy ny hasarobidin’ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra. Raha tsy raisiny ilay izy, dia miresaha momba ny hevitra mifanentana iray avy amin’ny taratasy mivalona, gazety na bokikely iray.
6 Raha afaka manomboka fampianarana amin’ny fitsidihana voalohany ianao, dia manaova fandaharana voafaritra tsara mba hanohizana ilay resaka any aoriana. Ho azonao atao ny hametraka ny fototra ho amin’ny fitsidihanao manaraka amin’ny filazana amin’ilay tompon-trano fa, rehefa miverina ianao, dia maniry hanome azy ny valin’ilay fanontaniana ataon’ny olona maro hoe: “Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy?” Ilay lahatsoratra etsy ambany dia hanome fanipazan-kevitra momba ny fomba azo amelabelarana io foto-kevitra io amin’ilay fiverenana mitsidika.