Fandraisana Anjara Mahomby Amin’ny Fanompoantsika Mamonjy Aina
1 Nampifanaraka ny fampisehoany ny vaovao tsara tamin’ny tarehin-javatra niseho ny apostoly Paoly mba ‘hamonjeny ny sasany tamin’ny fomba rehetra’. (1 Kor. 9:19-23, NW). Hahita fahombiazana bebe kokoa tahaka izany koa isika amin’ny fanompoantsika, raha mailaka mahita ny fahalianan’ny tompon-trano ka voaomana mba hampifanaraka ny resaka ataontsika amin’izay zavatra ilainy. Tsy tokony ho sarotra izany rehefa manolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous! na iray amin’ireo bokikelintsika isika.
2 Rehefa avy nampahafantatra ny tenanao ianao, dia ho azonao atao ny hanomboka amin’ny filazana zavatra tahaka izao amin’ny fomba fiteninao manokana:
◼ “Olona maro no kivy noho ny tsy fahaizan’ireo fitondram-panjakan’izao tontolo izao miharihary hanome fanafodiny mandaitra amin’ireo zava-manahirana amin’ny androntsika. Manome tsiny ny fitondram-panjakana noho ny zava-manahirana hitany aza ny olona sasany. Heverinao ve fa mety hisy fitondram-panjakana iray ho afaka hanome amin’ny fomba mahafa-po ireo zavatra rehetra ilaintsika? [Avelao ilay olona hamaly.] Fantatrao ve fa manana fampanantenana azo itokiana momba ny fitondram-panjakana iray izay hamarana marina ireo zava-manahirana rehetra atrehintsika isika?” Henoy amim-pitandremana ny valin-tenin’ilay tompon-trano. Miankina amin’izay lazainy, dia aoka ianao ho vonona hampitohy ny resaka amin’ny iray amin’ireo fampisehoana maromaro samy hafa.
3 Raha fantatra avy amin’ny fanazavana ataon’ilay tompon-trano fa milaza ny tenany ho Kristiana izy, dia ho afaka hanontany isika avy eo raha manao ilay vavaka hoe “Rainay Izay any an-danitra” na Vavaka Nampianarin’ny Tompo izy. Raha eny ny valiny, dia azontsika atao ny manonona ilay vavaka fakan-tahaka hatreo amin’ny hoe “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Izany dia manamarina fa hatao etỳ an-tany ny sitrapon’i Jehovah indray andro any. Amin’izay, dia ho azo atao ny hitarika ny sainy ho amin’ny lahatsoratra iray mifanentana ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na Réveillez-vous! na ho amin’ny bokikely iray, mba hanohizana ilay hevitra, toy ny ao amin’ny pejy faha-3 amin’ny Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa.
4 Raha miharihary fa tsy mino an’Andriamanitra ilay tompon-trano, dia ho afaka hisarika ny sainy ho amin’ny Hebreo 3:4 ianao ary avy eo ho amin’ny pejy faha-4 amin’ilay bokikely hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Vakio ny fehintsoratra voalohany sy faharoa ary lazao ny fanontaniana eo amin’ny faran’ilay pejy. Na azonao ampifandraisina amin’ny fanazavana mifanentana ao amin’ny gazety vao haingana iray izany.
5 Raha hita fa toa afa-po amin’izay ananany eo amin’ny fiainany ilay tompon-trano, dia ho afaka hanao izao fanontaniana izao ianao:
◼ “Nahoana isika no tokony hihevitra tsara izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny hoavin’ireo fitondram-panjakana?” Avy eo, dia azontsika ampiasaina ny fanazavana hita ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra eo amin’ny pejy faha-255, amin’ny filazana fohy iray na maromaro amin’ireo antony valo omena ao. Raha mampiseho fahalianana ilay tompon-trano, dia ampiasao ny taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, amin’ny fanombohana amin’ny fehintsoratra voalohany eo amin’ny pejy faha-2, mba hanohizana ny resadresaka.
6 Tsy hahomby loatra ny fitsidihanao voalohany raha tsy mandranitra ny fahalianan’ilay tompon-trano ho amin’ny fitsidihana manaraka ianao. Noho izany, dia aoka ianao hanao fanontaniana mahaliana ary hampanantena fa hamaly izany rehefa miverina.
7 Avy amin’izay hita tetsy ambony, dia fidio izay heverinao fa mora aminao ny milaza azy. Amboary mba hifanentana amin’ny faritaninao ireo fanoloran-kevitra ireo. Aoka ho fantatrao tsara izay ao anatin’ireo bokikely sy taratasy mivalona ary lahatsoratra ao amin’ny gazety ampiasainao, mba hahafahanao hampifanaraka amim-pahakingana ny resaka ataonao amin’izay ilain’ilay tompon-trano. Enga anie isika rehetra hanomana ny fampisehoana ataontsika amim-pahazotoana “ho tombontsoan’ny vaovao tsara”, ka amin’izany fomba izany dia handray anjara amim-pahombiazana amin’io fanompoana mamonjy aina io. — 1 Kor. 9:23, NW.