Miverena Amim-pifaliana Indray mba Hanampy Ireo Olona Liana
1 Maniry hanampy ireo olona liana izay rehetra mandray anjara amin’ny asa isan-trano. Amin’ny fanomezana fanampiana toy izany, dia mahita fifaliana sy fahafaham-po lalina isika. (Ampitahao amin’ny Salamo 126:5, 6.) Izany dia mitaky ny hahavoaomana antsika.
2 Manomboka amin’ny fitanana fanazavana amin’ny tsipiriany eo amin’ny fakana an-tsoratra isan-trano ny fanomanana. Mariho ny foto-kevitra noresahina tamin’ny fitsidihana voalohany sy ny fihetsik’ilay tompon-trano. Angamba aza irinao ny hanao fanamarihana ny amin’ny fomba hanombohanao ny resadresaka rehefa hiverina indray ianao.
3 Ohatra, raha niresaka momba ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo ianao ka nametraka ilay bokikely “Fitondram-panjakana” avy eo, dia ho azonao atao ny hilaza fohy toy izao:
◼ “Tamin’ny fitsidihako teo aloha dia niresaka ny amin’ny fomba hanaovana tsy ho ela ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany sy ny fomba hanatanterahana ny fiadanana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, isika. Tao amin’ilay bokikely napetrako, dia mariho ange izay voalaza eo amin’ny pejy faha-29 e, momba ny fitahiana hafa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona.”
4 Raha toa ka nirona tsy hino an’Andriamanitra ilay olona, dia zavatra tahaka izao lazaina:
◼ “Rehefa nitsidika anao tamin’ny voalohany aho dia niresaka momba ny hevitra nambaran’i Paoly ao amin’ny Hebreo 3:4 isika, ka izany dia manome antony ara-dalàna hanatsoahana hevitra fa tsy maintsy misy Mpamorona manan-tsaina ny zavatra rehetra.” Vakio indray ilay andinin-teny ary tariho amin’ny pejy faha-4 ka hatramin’ny faha-9 amin’ilay bokikely Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? ny sainy, amin’ny fanohizana eo amin’izay namarananao ny fampisehoanao voalohany. Manaova fanontaniana ary avy eo dia vakio ny fehintsoratra, ka avelao hamaly ilay fanontaniana ilay tompon-trano. Raha azo atao, dia asaivo maka ny bokikeliny izy ka miaraha mandinika izany aminy.
5 Raha hitanao fa toa afa-po, eo amin’ny ara-nofo na amin’ny lafiny hafa, ilay tompon-trano tamin’ny fitsidihanao voalohany, dia ho afaka hijery indray ilay taratasy mivalona Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? ary hamaky izay voalaza eo amin’ny pejy faha-6, ianao. Anontanio ilay tompon-trano raha maniry hiaina eo amin’ny tany paradisa iray mahafinaritra izy. Mba hanampy anao hamantatra raha mbola liana izy, dia ho azonao atao ny hanontany ny heviny ny amin’ny sary na fanambarana iray mampahery ao amin’ny gazety ampiasainao.
6 Azonao ampiasaina amin’ny lahatsoratra iray izay mety ho niarahanareo nandinika tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na Réveilllez-vous! koa io fampidiran-dresaka fototra io. Tariho ny sainy ho amin’ilay lahatsoratra nasongadina tamin’ny fitsidihanao voalohany ary avy eo dia milazà hevitra mahaliana ao amin’io lahatsoratra io ihany na ao amin’ny nomerao iray hafa anananao any aminao. Raha azo atao, dia mamakia andinin-teny iray miaraka ka anontanio ny hevitr’ilay tompon-trano. Azo atao ny manolotra ny famandrihana, nefa raha lavina izany dia ireo gazety vao haingana atolotra.
7 Tadidio foana fa ny zava-kendrenao dia ny hanomboka fampianarana Baiboly. Mba hitomboan’ny fahalianana ka hahatongavana amin’izany, dia matetika hila fitsidihana maromaro. Manehoa fiahiana manokana an’ilay tompon-trano amin’ny fiverenana mitsidika azy haingana araka izay azo atao.
8 Mitondra fifaliana lehibe ny vaovao tsara ambarantsika. (Lioka 2:10). Rehefa manao zavatra ho setrin’ny fiezahana ataontsika ireo olona liana, dia azo antoka fa antony hifaliana izany. (Fil. 4:1). Aoka isika hijinja izany fifaliana izany amin’ny fitsidihana indray ireo olona liana hitantsika eny am-pitoriana mba hanampy azy ireny.