FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/93 p. 5
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
km 8/93 p. 5

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra atolotra mandritra ny volana Aogositra sy Septambra: Fanolorana manokana: Ny boky Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Oktobra: Famandrihana amin’ny Réveillez-vous! na Ny Tilikambo Fiambenana, na fanolorana ireo gazety mandeha mitokana. Novambra: Fanolorana manokana: Ny boky Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, amin’ny sarany 500 FMG (250 FMG no haloan’ny mpisava lalana). FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona mbola tsy nanao ny fanafarany an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza etsy ambony dia tokony hanao izany eo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka. Hafaro, aza fady, ireo gazety fanampiny hilainareo amin’ny Oktobra.

◼ Hahazo telo amin’ny taratasy Filazana ny Isan’ny Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-18) ny kongregasiona tsirairay. Tokony hihaona amin’ny mpikarakara ny boky sy ny gazety ny mpitantsoratry ny kongregasiona amin’ny voalohandohan’ny Aogositra ary hametra daty mba hakana ny isan’ireo zavatra vita an-tsoratra ao amin’ny tahirin’ny kongregasiona amin’ny faran’ny volana. Tsy maintsy misy fanisana atao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra ao amin’ny tahiry amin’izao fotoana izao, ary tokony hampidirina ao amin’ny taratasy Filazana ny Isan’ny Zavatra Vita An-tsoratra ny tontalin’isany. Azo alaina any amin’ny mpikarakara ny gazety ny tontalin’isan’ireo gazety eo am-pelatanana. Alefaso atỳ amin’ny Fikambanana aza fady ny original, fara fahelany ny 6 Septambra. Mitahiriza copie carbone iray ao amin’ny tahirin-taratasinareo. Azo ampiasaina ho toy ny taratasy hiasana ny kopia fahatelo. Tokony ho eo ambany fanaraha-mason’ny mpitantsoratra no hanaovana ny fanisana, ary ilay taratasy nofenoina dia tokony hamarinana sy hasian’ny mpiandraikitra prezidà sonia.

◼ Tokony handefa ny famandrihana vaovao na ny fanavaozana rehetra ataony amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! amin’ny alalan’ny kongregasiona izay olona rehetra mikambana amin’ny kongregasiona iray, ao anatin’izany ny famandrihana ho an’ny tenany manokana.

◼ Tsy hanome fahafaham-po ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra ataon’ny mpitory tsirairay ny Fikambanana. Ireo izay maniry hanafatra zavatra dia afaka mampahafantatra izany amin’ny mpikarakara ny boky, izay hampiditra izany haingana ao anatin’ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra isam-bolana ho an’ny kongregasiona. Tokony hanao fandaminana ny mpiandraikitra prezidà mba hisy fampandrenesana hatao indray mandeha isam-bolana alohan’ny handefasana ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra any amin’ny Fikambanana; amin’izay dia ho afaka hampahafantatra ilay rahalahy mikarakara ny boky sy ny gazety izay rehetra maniry hahazo zavatra vita an-tsoratra manokana ho azy.

◼ Ireo mpitory manam-pikasana hanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra amin’ny 1 Septambra 1993, dia tokony hameno ny fangatahany tsy misy hataka andro. Tokony halefa any amin’ny Fikambanana alohan’ny faran’ny volana Aogositra ireo fangatahana.

◼ Hanambatra ny filazana asa rehetra ny mpitantsoratry ny kongregasiona mba hampidirana azy eo amin’ny taratasy misy ny Tatitra Famakafakana ny Kongregasiona (S-10-MG). Hanome torolalana amim-pitandremana koa izy amin’izay loholona na mpikarakara momba ny asa rehetra mety ho afaka hanampy amin’ny fanambarana ny filazana. Hahazoana fanazavana araka ny marina ilaina amin’ny famenoana ny tabilao, ny karatry ny mpitory ao amin’ny kongregasiona (S-21-MG). Tokony hofenoina amin’ny fomba mazava sy araka ny marina ny Tatitra Famakafakana ny Kongregasiona (S-10-MG) ary hohamarinin’ny komitin’asa amim-pitandremana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara