Vaovao Teokratika
Chili: Tamin’ireo mpitory 42 778 namerina filazana asa tamin’ny Aprily, dia 8 680 no mpisava lalana. Nisy tampon’isa vaovao tratra tamin’ny mpisava lalana maharitra 2 820. Ny fitambaran’ny isa teo amin’ny ora dia 1 009 001 tamin’ny Aprily.
Lesotho: Ireo mpitory namerina filazana asa tamin’ny Aprily dia nitontaly ho 1 895, izay nampiseho fitomboana 19 isan-jato raha oharina amin’ny antsalany tamin’ny taon-dasa.
Portogaly: Nisy tampon’isa vaovao tratra tamin’ny mpitory 41 472 tamin’ny Aprily. Nisy tampon’isa vaovao koa tamin’ny fitambaran’ny isa teo amin’ny ora sy ny fiverenana mitsidika ary ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
Venezoela: Vokatry ny asa mafy nataon’ny mpitory 62 074 nandritra ny Aprily dia nisy tampon’isa vaovao teo amin’ny ora sy ny fiverenana mitsidika ary ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano.