FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/94 p. 2
  • Manolora boky Manontany ny Tanora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manolora boky Manontany ny Tanora
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanampiana ny Tanora Hisoroka Loza
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Boky Manampy ny Tanora Hahatsiaro ny Mpamorona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ry Tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Manome Tari-dalana ny Tenin’andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 3/94 p. 2

Manolora boky Manontany ny Tanora

1 Na dia ny boky Fanambarana aza no asongadina amin’itỳ volana itỳ, dia mety hanapa-kevitra ny hanolotra ny boky Manontany ny Tanora ianao raha tafaresaka amina ray na reny iray, na amina tanora iray izay manahy ny amin’ireo zava-manahirana mahavery hevitra ny tanora.

2 Mety ho hitanao fa mifanentana ny hilazana zavatra sahala amin’izao:

◼ “Tsy mora ny mihalehibe amin’izao fotoana misavorovoro misy antsika izao. Ireo tanora dia miatrika tarehin-javatra vaovao izay mitaky ny hanaovan’izy ireo fanapahan-kevitra mafonja. ‘Tokony hisotro zavatra misy alikaola ve aho? Hampiasa zava-mahadomelina ve? Fitondran-tena inona no mety hatao amin’ny tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena?’ Rehefa manontany momba ireo zava-manahirana fototra ireo ny tanora, dia matetika no tototry ny valin-teny mifanipaka. Aiza no eritreretinao fa itodihan’ny maro amin’izy ireo mba hahazoana torohevitra? [Avelao izy hamaly.] Itỳ boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra itỳ, dia manome fanazavana mahasoa. [Tariho ny sainy ho amin’ny loha hevitra ao anatiny, izay mampiseho ny karazana foto-kevitra resahina ao.] Ireo tanora dia mila valiny mivantana sy araka ny zava-misy. Ireo valiny ao amin’itỳ boky itỳ dia tohanan’izay lazain’ny Baiboly.”

3 Intỳ misy fomba fampiseho hafa iray izay mety ho azonao ampiasaina:

◼ “Voatery miaritra fanerena maro ny tanora amin’izao andro izao. Mila fanampiana izy ireny mba hiatrehana izany amim-pahombiazana. Rehefa miezaka manao izay tsara indrindra azontsika atao isika mba hanampiana azy ireny, moa ve tsy izay zavatra manome fitarihana azo ampiharina no tadiavintsika? [Avelao izy hamaly.] Ny sasany amin’ireo fanerena mahery vaika indrindra dia avy amin’ireo tanora hafa, ireo mitovy taona aminy. Mariho ange ireo sary eo amin’ny pejy faha-76 sy faha-77 ao amin’itỳ boky itỳ e. [Tariho ny saina ho amin’ireo fanazavana ny sary sy ho amin’ireo fehintsoratra amin’ny sora-mandry eo amin’ny pejy faha-77.] Ireo pejy manaraka ao amin’io toko io dia manasongadina valiny marina sy mandaitra.”

4 Tena “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” tokoa izao, indrindra fa ho an’ny tanora. (2 Tim. 3:1, NW ). Ny boky Manontany ny Tanora dia tena afaka manampy tanora iray hiatrika amim-pahombiazana ireo zava-tsarotra amin’izao andro izao. Feno sary avokoa ireo toko 39 ao aminy, ary ireo lahatsoratra dia araka ny zava-misy sady azo ampiharina. Koa na rahoviana na rahoviana misy fahafahana miseho, dia aoka ianao ho mailaka hampiasa an’io zavatra vita an-tsoratra tsara dia tsara io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara