Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra natao hampiasaina mandritra ny Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! amin’ny sarany 3 000 FMG (2 000 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Aprily sy May: Famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! ary koa izay mety ho bokikely rehetra (afa-tsy ny bokikely Sekoly). Ny saran’ny famandrihana herintaona amin’ny sambo dia 5 000 FMG (2 500 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Jona: Ny Fahatanoranao — Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza etsy ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Izay rehetra mikambana amina kongregasiona iray dia tokony handefa amin’ny alalan’ny kongregasiona izay famandrihana vaovao sy nohavaozina rehetra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Réveillez-vous!, anisan’izany ny famandrihana ho an’ny tena manokana.
◼ Ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kongregasiona amin’ny 1 Martsa na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita izany.
◼ Ny famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana ny alakamisy 24 Martsa 1994 dia ny Marka 14:1, 2, 10, 11 sy ny Lioka 22:1-6 (araka ny hita ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro), fa tsy ny Marka 14:1-11 (araka ny voalaza ao amin’ny Calendrier 1994).
◼ Fanitsiana: Indreto misy fanitsiana vitsivitsy fanampiny tokony hatao ao amin’ny boky “Hiaina Mandrakizay”: P. 53, fanontaniana 19, b): ny hoe “Ahoana no ahafantarantsika fa (...) ny Baiboly?”, ovana hoe “Nahoana no tsy anisan’ny Baiboly ny 1 Jaona 5:7, araka ny isehoany ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany?” P. 83, § 9, andal. 10: ny hoe “olombelona rehetra”, ovana hoe “olombelona”. P. 93, § 9, andal. 12: ny hoe “amim-behivavy”, ovana hoe “amim-behivavy tsara tarehy”. P. 105, § 1, andal. 4: ny hoe “anatin’ny fandaharan-javatra”, ovana hoe “anatin’ny tontolo”. P. 143, andal. 4: ny hoe “hahafatesany”, ovana hoe “hiakarany any an-danitra”. P. 197, § 16, andal. 6: ny hoe “2 300 000 (tamin’ny 1981)”, ovana hoe “3 500 000 (tamin’ny 1988)”; andal. 10: ny hoe “amin’ny ara-keviny”, ovana hoe “isaky ny andro fiasana, amin’ny ara-keviny,” P. 199, § 21, andal. 2: “43 000” ovana hoe “60 000”. P. 205, § 8, andal. 3: ny hoe “kristiana jiosy?”, ovana hoe “Jiosy?”