Ampio ny Hafa Hahafantatra ny Fahamarinana
1 Tonga teto an-tany i Jesosy mba hanambara momba ny fahamarinana. Mba hitoriana ny fahamarinana amin’ny hafa, dia nampiofana ireo mpianany izy mba ho tonga mpampianatra. Natoky aoka izany ny amin’ny fahombiazan’izy ireo izy, hany ka niantso azy ireo hoe ‘mpampianatra ampahibemaso’. (Matio 13:52, NW). Nampitaha ny tsirairay tamin’ny lehilahy avara-pianarana manana firaketana tena izy izay azo amoahana ny ao anatiny, izy. Mampiasa zavatra vita an-tsoratra ireo mpianatr’i Jesosy amin’izao andro izao mba hanafainganana ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Ohatra, kongregasiona maro no manana bokikely isan-karazany ampiasaina amin’ny fanampiana ny hafa ho tonga mpianatra. Ahoana no azo ampiasana ireny fitaovana sarobidy ireny?
2 Mba hanombohan-dresaka ho amin’ny fanolorana ilay bokikely hoe “Ho Avy Azo Antoka — Afaka ny Hahita Izany Ianao”, dia mety hanontany ianao hoe:
◼ “Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana no toa tena kely ny fanantenana hoavy azo antoka na dia eo aza ireo ezaka rehetra ataon’ny olona? [Avelao izy hamaly.] Ny Baiboly dia manazava ny antony tsy ahombiazan’ireo ezaka maro toy izany.” Vakio ny Salamo 146:3, 4. Aorian’ny fanjohian-kevitra miaraka amin’ilay tompon-trano miorina amin’ny fanazavana eo amin’ny fehintsoratra faha-6, dia afaka manontany ianao hoe: “Iza raha ny marina no afaka manome antsika fandriampahalemana maharitra?” Arakaraka ny valin-tenin’ilay tompon-trano, dia mety hanapa-kevitra ny handinika hevitra mifanentana avy amin’ny fehintsoratra faha-7 ianao na hanao fandaharana ny hanao izany amin’ny fotoana ho avy.
3 Amin’ny fampiasana ilay bokikely hoe “Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!”, dia mety hanontany toy izao ny mpitory tanora iray:
◼ “Ho tianao ve ny hiaina ao amin’ny paradisa an-tany tahaka itỳ? [Asehoy ny fonony eo aloha sy eo aoriana, ary avelao izy hamaly.] Manantena ny hiaina eo izaho sy ny fianakaviako noho izay lazain’ny Baiboly ato amin’ny Jaona 17:3 ato.” Atolory an’ilay olona ilay bokikely mba hovakiny.
4 Raha mampiasa bokikely hafa amin’ny fanompoanao ianao mandritra itỳ volana itỳ, dia mety haka tahaka ireo fanoloran-kevitra eo aloha ireo amin’ireo fampidiran-dresaka sy fampisehoana ampiasainao. Tadidio ny manao famelabelarana fohy sady manorina ary mampahery mba hanairana ny fahalianan’ireo tompon-trano.
5 Nanome antsika ny fahamarinana i Jehovah. Tokony hanararaotra ireo fahafahana mipetraka eo anoloantsika isika mba hizarana izany amin’ny hafa, amin’ny endrika vita pirinty sy amin’ny resaka ataontsika amin’ireo olona tojo antsika. Amin’izany fomba izany, dia mampiseho ny tenantsika ho mpampianatra ampahibemaso isika mba handraisan’ireo hafa tombontsoa maharitra. — Matio 28:19, 20.