Fampandrenesana
◼ Zavatra vita an-tsoratra hampiasaina mandritra ny Martsa: Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Any amin’ny faritany voasa matetika, dia azo ampiasaina na bokikely inona na bokikely inona (afa-tsy ny bokikely Sekoly). Jona: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza eo ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.
◼ Ny mpiandraikitra prezidà na ny olona iray notendreny dia tokony hanamarina ny toe-bolan’ny kongregasiona ny 1 Martsa na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Manaova fampandrenesana amin’ny kongregasiona rehefa vita ilay izy.
◼ Ao amin’ny tahiry: Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1994 mitondra ny lohateny hoe: “Afaka mahita Antsika ve ny Maty?” Afaka manafatra io nomerao io ireo kongregasiona.