FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/95 p. 5
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao Hitoriana ny Vaovao Tsara ny Taratasy Mivalona
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny fampiasana amim-pahombiazana ireo tarata
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Aza Manadino ny Hampiasa Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Fivoriana ho amin’ny asa fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 3/95 p. 5

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Inona no fitandremana ilaina hatao amin’ireo fitaovana ampiasaintsika eo amin’ny asa fitoriana?

1 Na dia mety hanana fomba fampiseho araka Soratra Masina mety ao an-tsaina aza ny mpitory ny vaovao tsara iray, dia mety ho tsy ampy fiomanana raha ny amin’ireo fitaovana ampiasainy. Rehefa eny am-baravarana, dia mety tsy hanana ny zavatra vita an-tsoratra atolotra amin’ny volana izy. Ireo gazety sy bokikely ary ireo taratasy mivalona ao anaty kitapony fitondra mitory dia mety hiforiporitra na simba. Mety tsy ho afaka hahita stylo na fandraisana an-tsoratra isan-trano izy satria tsy voalamina araka ny tokony ho izy ny kitapony. Zava-dehibe ny hanehoana fitandremana tsara ireo fitaovanao, alohan’ny handraisanao anjara amin’ny asa fanompoana.

2 Inona avy no tokony ho ao anaty kitapo fitondra mitory iray ampy fitaovana tsara? Tena ilaina ny Baiboly. Ampidiro ao koa ny taratasy fandraisana an-tsoratra isan-trano maromaro. Ataovy azo antoka ny hanana ilay zavatra vita an-tsoratra asongadina amin’ilay volana. Ilaina koa ireo nomerao farany amin’ireo gazety, mbamin’ny taratasy mivalona sy bokikely. Mitondrà boky Fanjohian-kevitra. Ny fananana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana farany indrindra dia hamela anao hijery indray ireo fomba fampiseho anipazan-kevitra, alohan’ny handehanana eny am-baravarana. Rehefa miasa ao amin’ny faritany izay azo inoana fa hihaonanao amin’ny olona miteny vahiny ianao, dia ho tsara ny hanananao ilay bokikely hoe Une bonne nouvelle pour toutes les nations. Ny fananana iray amin’ireo bokintsika natao ho an’ny tanora dia hanampy anao ho vonona hiresaka amin’ny zatovo.

3 Tokony ho voalamina amin’ny fomba madio izay rehetra ao anaty kitaponao. Tsy voatery ho vaovao akory ilay kitapo, fa tokony hadio sy tsy ho simba kosa. Ny kitaponao fitondra mitory dia anisan’ireo fitaovana ampiasainao amin’ny fanambarana ny vaovao tsara. Hazòny ho milamina tsara izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara