FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/96 p. 8
  • Omano ny Fomba Fampisehonao Gazety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Omano ny Fomba Fampisehonao Gazety
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hanomanana Fomba Fanolorana Gazety?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Indrindra Ireo Gazetintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Aelezo Ireo Gazety Manambara ny Marina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Fomba Hanatsarana ny Fitoriantsika Momba Ilay Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 10/96 p. 8

Omano ny Fomba Fampisehonao Gazety

1 Mankasitraka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! isika noho ireo lahatsoratra ao aminy, izay tonga amin’ny fotoana ilana azy sy ahafantaran-javatra ary mahafaoka ny zavatra rehetra manomboka amin’ny raharaha lehibe maneran-tany ka hatramin’ny “saina lalina izay an’Andriamanitra”. (1 Kor. 2:10). Isika rehetra dia mahatsiaro ireo zavatra vaovao sady mampahery maro novakintsika tao amin’ireo gazety ireo, izay ampiasain’i Jehovah mba hampiharihariana miandalana ny fahamarinana. (Ohab. 4:18). Tiantsika ny ho may hanely be dia be aminy araka izay azo atao.

2 Fakafakao ny faritaninao: Karazan’olona manao ahoana no mipetraka ao amin’ny faritra misy anao? Raha mirotoroto ny fomba fiainany, dia mety hila hanomana fomba fampiseho fohy sy voafintina ianao. Raha manana faritany misy olona tsy dia maika ianao, dia mety ho afaka hilaza zavatra bebe kokoa. Raha miasa mandritra ny andro ny ankamaroan’ireo tompon-trano, dia mety hahita fahombiazana kokoa ianao raha mitsidika any an-tranony amin’ny faran’ny tolakandro na eo am-piandohan’ny takariva. Ho azonao atao ny hahita ny sasany mandritra ny andro amin’ny alalan’ny fitoriana eny amin’ny arabe na isam-pivarotana. Ny mpitory sasany dia nahazo vokatra tsara tamin’ny fanatonana fotsiny ny olona teny amin’ny parking sy ny zaridainam-panjakana.

3 Fantaro tsara ireo gazety: Vakio ny nomerao tsirairay raha vao voarainao. Fanteno ireo lahatsoratra izay heverinao fa mety hanintona ny olona ao amin’ny faritaninao. Foto-kevitra inona avy no mitana ny sain’izy ireo? Mitadiava hevitra voafaritra tsara izay azonao tononina avy ao amin’ilay lahatsoratra kasainao hasongadina. Mieritrereta fanontaniana iray izay azonao apetraka mba hanairana fahalianana. Mifidiana andinin-teny iray mifanentana hovakina amin’ilay tompon-trano raha manana fahafahana hanao izany ianao. Eritrereto izay ho azonao lazaina mba hanorenana ny fototra ho amin’ny fiverenana mitsidika.

4 Omano ireo teny fampidiranao: Fidio amim-pitandremana ireo teny kasainao hampiasaina mba hampahalalana ny tenanao sy hanombohan-dresaka. Nisy nahita fahombiazana tamin’ny alalan’izao teny fampidirana izao: “Namaky lahatsoratra iray nahaliana mafy aho tato amin’itỳ gazety itỳ, ary maniry hizara azy io amin’ny hafa.” Maro no manomboka amin’ny alalan’ny fanontaniana iray izay mifantoka amin’ilay hevitra kasainy hampiasaina. Ohatra:

5 Raha manasongadina lahatsoratra iray momba ny heloka bevava miely patrana ianao, dia mety hanontany hoe:

◼ “Inona no hilaina mba hahafahantsika hatory amin’ny alina ka tsy hatahotra ny hangalarana na hiharam-pahavoazana?” Hazavao fa manana fanazavana momba ny fanafodin’io zava-manahirana io ny tenanao. Io fanafody io dia hanafoana tsy ho ela ny karazana disadisa ara-tsosialy hafa rehetra koa. Miresaha momba ny zavatra iray ao amin’ilay gazety izay manolotra izany fanantenana izany. Rehefa miverina mitsidika ianao, dia afaka misarika ny sain’ilay tompon-trano ho amin’ny toko voalohany ao amin’ny boky Fahalalana.

6 Rehefa manolotra lahatsoratra iray momba ny fiainam-pianakaviana ianao, dia ho azonao atao ny hilaza izao:

◼ “Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny dia mahita fa tena zava-tsarotra ny mitaiza zanaka amin’izao andro izao. Boky maro no efa nosoratana momba io foto-kevitra io, nefa na dia ireo manam-pahaizana aza dia tsy mitovy hevitra. Moa ve misy olona afaka manome tari-dalana azo ianteherana?” Milazà teny voafaritra tsara avy ao amin’ilay gazety izay mampiseho ny torohevitra feno fahendrena hita ao amin’ny Baiboly. Rehefa manao ilay fiverenana mitsidika ianao, dia resaho ireo hevitra araka ny Soratra Masina momba ny fitaizana zanaka velabelarina ao amin’ny boky Fahalalana, pejy 145-148.

7 Rehefa manasongadina lahatsoratra iray momba ny zava-manahirana ara-tsosialy iray ianao, dia mety hilaza hoe:

◼ “Olona maro no mahatsapa fanerena noho ny fotoana mampihenjana iainantsika. Heverinao ve fa izany no nokasain’Andriamanitra hiainantsika?” Mampisehoa lahatsoratra iray izay manazava ny fomba iatrehana ireo zava-manahirana amin’izao andro izao na manome antony hiandrandrana hoavy tsy hisian’ny tebiteby intsony. Amin’ny fitsidihanao manaraka, dia resaho ilay sary sy fanazavana miaraka aminy eo amin’ny pejy 4-5 ao amin’ny boky Fahalalana, ary avy eo dia tohizo avy hatrany amin’ny fampianarana Baiboly izany.

8 Ampifanaraho amin’ny tompon-trano ny fomba fampisehonao: Hahita olona samy hafa zavatra mahaliana azy sy samy hafa fiaviana ianao. Manomàna fomba fampiseho fototra iray izay ho azonao ampifanitsina amin’ny tompon-trano tsirairay. Mivonòna ho amin’ny fomba azonao ampifanarahana izay lazainao amin’ny lehilahy, amin’ny vehivavy, amin’ny olona be taona, na amin’ny tanora. Tsy misy fitsipika henjana momba izay tsy maintsy lazainao. Ampiasao izay teny manavanana anao ka misy vokany. Kanefa, aoka ianao ho be risi-po, sy hiteny avy amin’ny fonao, ary hahay hihaino. Ireo izay ‘mirona araka ny mety’ dia hahatsapa ny fahatsoram-ponao ary hanana fihetsika tsara. — Asa. 13:48, NW.

9 Mifanampia: Amin’ny fifanakalozantsika hevitra, dia mianatra fomba vaovao hilazana zavatra isika. Ny fiarahantsika manao famerenana ny fomba fampisehontsika dia manome antsika fahazarana sy fatokiana. (Ohab. 27:17). Raha manao famerenana izay holazainao ianao, dia hahatsiaro ho tony kokoa eny am-baravarana. Tena zava-dehibe ny hakan’ny ray aman-dreny fotoana hanampiana ny zanany hanao fanomanana, sy hihainoany azy ireo mizatra amin’ny fomba fampisehony ary hanaovany fanoloran-kevitra mba hihatsarana. Ireo vaovao dia afaka mandray soa avy amin’ny fiarahana miasa amin’ireo mpitory za-draharaha kokoa.

10 Tsy voatery ho sarotra ny fanomananao ny fomba fampisehonao gazety. Izany dia tsy inona fa fihazonana ao an-tsaina zavatra voafaritra tsara iray ary avy eo dia filazana azy io amin’ny fomba manintona, fotsiny. Amin’ny fahaizana manombo-javatra sy ny fieritreretana mialoha, dia afaka manamboatra fomba fampiseho tsara dia tsara izay hahazo vokatra tsara ianao.

11 Ny fanelezana gazety no iray amin’ireo fomba lehibe indrindra ampielezantsika ny hafatra momba ilay Fanjakana maneran-tany. Raha mahapetraka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! eny an-tanan’ny olona tso-po ianao, ireo gazety ireo dia efa afaka miteny ho an’ny tenany. Tadidio foana ny hasarobidin’izy ireo ary koa hoe afaka mamonjy ain’olona ny hafatra ao anatiny. Io karazana ‘fanaovan-tsoa’ io no tena sitrak’i Jehovah. — Heb. 13:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara