Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Jona: Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina na, na iza na iza amin’ireto boky 192 pejy izay mety hananan’ny kongregasiona ao amin’ny tahiry ireto: Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe, “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray, Ny Tena Fiadanana sy Filaminana — Avy Aiza no Hiaviany? Ny boky Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina sy Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe ary tahiry vitsivitsy amin’ny boky “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao” sy Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray ary Ny Tena Fiadanana sy Filaminana — Avy Aiza no Hiaviany? dia azo angatahina atỳ amin’ny sampana. Jolay sy Aogositra: Na iza na iza amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Inona no zava-kendren’ny Fiainana? — Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, Nos problèmes — Qui nous aidera à les résoudre?, ary ny hoe Ny Fanahin’ireo Maty — Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve izy Ireo? dia azo atolotra, rehefa mifanentana amin’ny toe-javatra.
◼ Rehefa mitory any amin’ny faritany tsy misy tompony ireo mpitory, dia mahazo manolotra ny boky Fahalalana na ny bokikely Takina. Azo atolotra izay zavatra vita an-tsoratra hafa rehetra, raha toa ka efa manana ireo boky roa ireo ilay tompon-trano. Tokony hitondra taratasy mivalona maro karazana ny rehetra ho an’ireo tsy tratra an-trano na ireo olona tsy nandray zavatra vita an-tsoratra. Izay Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35 rehetra mbola any amin’ireo mpitory na ny kongregasiona dia tokony hapetraka ho an’ny tompon-trano. Tokony hisy ezaka hatao mba hanolokoloana ny fahalianana, indrindra fa any amin’ny faritany tsy misy tompony izay mety hiasan’ny mpisava lalana manokana na tongan’ireo kongregasiona eo akaiky.
◼ Noho ny fisian’ny faran’ny herinandro dimy feno, ny volana May dia fotoana mety hanaovan’ny maro ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.
◼ Ny insignes ho an’ny fivoriambe 1998 dia hampiarahina avy hatrany amin’ny zavatra vita an-tsoratra halefa hafa. Tsy hilaina ny manafatra azy ireo. Raha mila insignes fanampiny ny kongregasiona dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-14). Tena ilaina ny manafatra fitoerana insigne ho an’ny kongregasiona rehetra maniry izany.