FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/98 p. 7
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Ataonao mba Hahatonga ny Fivoriana Hampahery?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ny Fomba Hahazoana Fifaliana Be Kokoa avy Amin’ny Fivoriana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Handray Soa Ianao Raha Miara-mivory Aminay
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Nahoana Isika no Tokony Hivory?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 4/98 p. 7

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Inona no azontsika atao mba hahatonga ireo fivoriantsika handaitra kokoa?

Mety hisy hirona hieritreritra fa ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana ihany no tompon’andraikitra amin’ny fahombiazan’ireo fivorian’ny kongregasiona, satria izy ireo no mitarika azy ireny sy manao ny ankamaroan’ireo anjara. Raha ny tena izy, ny tenantsika tsirairay dia afaka mandray anjara mba hananana fivoriana mahaliana sy andraisan-tsoa. Afaka manampy mba hahatonga ireo fivoriana handaitra kokoa isika, amin’ny alalan’ireto fomba folo manaraka ireto:

Miomàna mialoha. Mihazona ny fahalianantsika ireo fivoriana, rehefa miomana tsara isika. Ho velombelona kokoa sy hampahery kokoa ireo fivoriana, rehefa manao izany isika rehetra. Manatreha tsy tapaka. Mahazo fampaherezana kokoa ny rehetra manatrika, rehefa maro ny mpanatrika, ka manamafy ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe ny fanatrehana fivoriana. Tongava ara-potoana. Raha efa mipetraka alohan’ny hanombohan’ny fandaharana isika, dia afaka mandray anjara amin’ny hira sy ny vavaka fanokafana, ary amin’izay dia handray soa feno avy amin’ny fivoriana. Ento ireo fitaovana ilaina. Amin’ny fitondrana ny Baibolintsika sy ny zavatra vita an-tsoratra hampiasaina mandritra ny fivoriana, dia afaka manaraka sy mahatakatra tsara kokoa izay resahina isika. Halaviro ny fanelingelenana. Mety hihaino tsara kokoa isika rehefa mipetraka eny aloha. Ny fibitsibitsihana sy ny fivezivezena any amin’ny trano fivoahana dia afaka mahatonga ny tenantsika sy ny hafa tsy hifantoka. Aoka ianao ho mpandray anjara. Raha betsaka kokoa amintsika no manangan-tanana sy manome valin-teny, dia betsaka kokoa no hahazo fampaherezana sy tanjaka avy amin’ny fanehoam-pinoana toy izany. Manomeza valin-teny fohy. Izany dia manome ho an’ny olona betsaka araka izay azo atao, fahafahana handray anjara. Tokony hoferantsika ho amin’ilay zavatra ianarana ny valin-tenintsika fohy. Ataovy ireo anjara nanendrena anao. Rehefa manana anjara ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika na ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ianao, dia miomàna tsara, sy manaova famerenana mialoha, ary aza mitady hanafoana ny anjaranao. Derao ireo mpandray anjara. Lazao amin’ny hafa fa ankasitrahana ny ezaka nataony. Manatanjaka azy izany ary manosika azy hanao tsaratsara kokoa mihitsy aza amin’ny manaraka. Mifampahereza. Mampitombo ny fahafinaretana sy ny soa raisintsika avy amin’ny fanatrehana ireo fivoriana ny fiarahabana amin-katsaram-panahy sy ny resaka mampahery, aloha sy aorian’ireo fivoriana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara