Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nanomboka ny herinandron’ny 5 Janoary ka hatramin’ny herinandron’ny 20 Aprily 1998. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Ao amin’ny Asan’ny apostoly 15:29 (NW ), ny filazana hoe: “Mirary fahasalamana ho anareo” dia fampanantenana izay midika hoe: ‘Raha mifady ny ra sy ny fijangajangana ianareo, dia ho salama kokoa.’ [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/9/91 p. 9 feh. 7 f.a.p.]
2. Fiahiana lalina ny fahasalamana ara-panahin’ireo Kristiana korintiana no nanosika an’i Paoly hanoratra ny taratasiny voalohany ho azy ireo teo am-panaovana ny dia misionerany faharoa. [si p. 210 feh. 3]
3. Ho an’ireo Egyptiana, i Farao dia noheverina ho ny fisehoana velon’i Horus, andriamanitra iray manan-doha voromahery. [wMG 15/1/96 p. 24 feh. 1]
4. Ilay teny hoe “simonia”, izay nalaina avy tamin’ny zava-nitranga voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:9-24, dia manondro fanaovana ody. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/7/90 p. 18 feh. 8.]
5. Ao amin’ny Romana 8:6, 7, ny hoe “nofo” dia manondro ny maha-mpanota antsika olombelona tsy tanteraka nandova fironana hanota. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/6/91 p. 21 feh. 4.]
6. Mifanaraka amin’ny Efesiana 5:33, ny fananan’ny vehivavy fanajana lalina ny vadiny dia tsy midika hoe tsy afaka milaza ny heviny izy, indrindra raha misy zavatra manelingelina azy. [kl p. 144 feh. 12, 13]
7. Arakaraka ny ampiharan’ny Kristiana iray ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena sy ara-panahy ao amin’ny Baiboly eo amin’ny fiainany, no mahatonga azy ho voadion’ny Tenin’i Jehovah, ho “voasasa” amin’ireo fanao rehetra ankahalain’i Jehovah Andriamanitra. (1 Kor. 6:9-11). [wMG 1/1/96 p. 30 feh. 4]
8. Ny apostoly Paoly mihitsy no nanao batisa ireo mpianakavy tao amin’ny ankohonan’i Stefanasy tao Korinto. [wMG 15/6/96 p. 29 feh. 2]
9. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:20, ilay fitenenana hoe “isan-trano” dia manondro fitsidihan’ny mpiandry tany an-tranon’ireo mpiray finoana fotsiny, satria ny teny manodidina dia mampiseho fa i Paoly dia niresaka tamin’ireo loholon’ny kongregasiona. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/4/91 p. 11 feh. 5.]
10. Raha zarintsika mankasitraka zavatra ara-panahy ny fontsika, amin’ny fangatahana amin’ny vavaka ny fanahin’Andriamanitra mba hanampy antsika amin’izany, amin’izay isika dia hanalavitra ny “fihevitry ny nofo”. (Rom. 8:6, 7). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/6/91 p. 21 feh. 5.]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Fitantarana inona ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly no mampiseho fa ny fahafahana mampiasa ny Tenin’Andriamanitra sy ny famakiana azy manokana fotsiny dia tsy ampy mba hahazoana ny fahalalana araka ny marina izay mametraka ny olona iray eo amin’ny lalan’ny fiainana? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/12/91 p. 19 feh. 16.]
12. Inona no asehon’ny teny nosoratan’i Paoly hoe: “[Ireo fahefana, NW ] misy dia voatendrin’Andriamanitra”? (Rom. 13:1). [kl p. 131 feh. 7]
13. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 11:26, nahoana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao no mampiasa ilay fitenenana hoe ‘nantsoina hoe Kristiana noho ny fitondran’Andriamanitra’, nefa ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa tsy mampiditra ilay hevitra hoe “fitondran’Andriamanitra”? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/7/90 p. 20 feh. 19.]
14. Inona no hanampy ny vehivavy kristiana iray hanana fanajana lalina ny vadiny? (Efes. 5:33). [wMG 1/3/96 p. 21 feh. 5]
15. Karazana fianarana manokana inona no ampirisihana hatao ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:11? [si p. 205 feh. 38]
16. Tao amin’ny taratasiny ho an’ireo Kristiana tany Roma, inona no hevitra naorin’i Paoly mafy momba ny Jiosy sy ny tsy Jiosy? [si p. 206 feh. 2]
17. Araka ny Romana 12:2, manao ahoana ny fiovan’ny toetran’ny Kristiana noho ny herin’ny Tenin’Andriamanitra? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/90 p. 16 feh. 3.]
18. Inona ilay “zava-miafina” resahin’i Paoly ao amin’ny Romana 11:25? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/2/84 p. 16 feh. 16.]
19. Nahoana no manana ny rariny ny kongregasiona kristiana amin’ny fandroahana ny mpanao ratsy tsy mibebaka? (1 Kor. 5:11, 13). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo gMG 8/9/96 p. 27 feh. 3, 4.]
20. Amin’ny ahoana ny fanambàrana vainafo ho eo an-dohan’ny fahavalo iray no hanampy mba handresena ny ratsy? (Rom. 12:20, 21). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo gF 22/1/86 p. 6 feh. 5.]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana ireto:
21. Nanazava tamin’ilay ionoka etiopiana ny fomba nahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny _________________________ i Filipo, ary rehefa nahazo fahazavana izy io, dia nangataka tamim-panetren-tena ny hatao _________________________ . (Asa. 8:28-35). [si p. 204 feh. 33]
22. Teo am-pandinihana ny raharaha ny amin’ny _________________________ , dia nanohana ny fanapahan-keviny i _________________________ tamin’ny filazana hoe: “Mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe”. (Asa. 15:15-18). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo si p. 204 feh. 33.]
23. Ny _________________________ dia mahatonga antsika ho afaka ‘hanao ny namantsika ho mihoatra noho ny tenantsika’ ary ny _________________________ dia manampy antsika ‘hahatan-tena ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy’. (Fil. 2:3; 2 Tim. 2:24, 25). [wMG 15/5/96 p. 21 feh. 5]
24. Araka ny fanoharan’i Paoly ny amin’ilay hazo oliva ara-panoharana ao amin’ny Romana toko faha-11, toy ny foko roa ambin’ny folon’ny Isiraely naterak’i Abrahama tamin’ny alalan’i Isaka, dia toy izany koa, ny foko roa ambin’ny folo ara-panoharan’ny _________________________ dia naterak’i _________________________ tamin’ny alalan’i _________________________. [Famakiana Baiboly; jereo wMG 15/2/84 p. 16 feh. 15.]
25. Toy ny nanohanan’i Jehovah ny Isiraelita nilasy tany amin’ny Efitr’i _________________________ , dia afaka manohana antsika ao amin’itỳ _________________________ itỳ koa izy. [wMG 15/8/96 p. 7 feh. 1-2]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Tao amin’ny lahateniny ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-17, i Paoly dia nanaporofo tamim-pahaiza-mandanjalanja ny (fiandrianana; fahamarinana; fitiavana) ilay Andriamanitra velona. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo si p. 204 feh. 37.]
27. I (Paoly; Petera; Lioka) dia nidera tamin-kafanana ny olona tany (Beria; Makedonia; Jerosalema) noho ny fahazotoan’izy ireo nandinika ny Soratra Masina. (Asa. 17:11). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/95 p. 14 feh. 3.]
28. Ilay lainga, resahina ao amin’ny Romana 1:25 dia manondro (fanompoan-tsampy; fanao maloto eo amin’ny lahy sy ny vavy; fahazarana mandainga). [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/3/92 p. 6 feh. 6.]
29. Raha ny tena izy, dia (ny olona; Andriamanitra sy i Kristy; i Satana sy ireo demonia) matetika no tokony homen-tsiny rehefa misy zavatra tsy mety. [wMG 1/9/96 p. 5 feh. 3]
30. Nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ireo Korintiana i Paoly fony tany (Roma; Efesosy; Korinto), tokony ho tamin’ny taona (52; 55; 56) am.f.i. [si p. 210 feh. 3]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Sal. 73:28; Ohab. 24:3; Isaia 65:13; Asa. 10:34, 35; 2 Kor. 12:7-9
31. Amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah antsika, dia tokony hihevitra ny olona avy amin’ny antokom-pirazanana rehetra araka ny fihevitr’i Jehovah isika. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/88 p. 16 feh. 6.]
32. Ny Baiboly dia manome foto-pitsipika toy ny fitaovana izay manampy ny olona hanorina fianakaviana sambatra. [kl p. 140 feh. 3]
33. Ireo izay manatona akaiky an’i Jehovah dia mahita fahasambarana sy fiadanan-tsaina marina. [kl p. 150 feh. 3]
34. Tao anatin’ny tantara manontolo, i Jehovah dia nizara sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakany tamin’ny naha-antokon’olona azy ireo. [kl p. 162 feh. 6]
35. Mety hamela toe-javatra iray misedra hitohy kelikely i Jehovah, nefa tena mamaly vavaka izy ary mahafantatra ny fotoana tsara indrindra hanaovana izany. [kl p. 156 feh. 15]