Gazety Manambara Ilay Fanjakana
1 Amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia malaza noho ny fitoriantsika amin-jotom-po momba ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! zaraintsika dia manana anjara asa mahery eo amin’ny fanampiana olona an-tapitrisany maro hianatra momba ny fikasan’Andriamanitra. Tena vaovao tsara ny hafatra raketiny, satria manambara ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ho ny hany fanantenana ho an’ny olombelona izy io.
2 Ireo gazety ireo dia mamakafaka ny zavatra tena ilain’ny olona — ara-pihetseham-po sy ara-tsosialy ary ara-panahy. Noho ny firodanan’ny fitsipi-pitondran-tena sy ny fanajana ny fianakaviana hatraiza hatraiza, Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! dia manampy ny olona hanatsara ny fiainany, amin’ny fampisehoana aminy ny fomba fampiharana ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Ho faly isika hanasongadina ireo gazety mandritra ny Aprily sy May.
3 Tena manintona izy ireo: Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! dia saika misy amin’ny fitenin’ny mponina rehetra ambonin’ny tany. Noho izany, dia malaza ireo gazetintsika. Indreto misy antony sasany mahatonga ny olona ho voasarik’izy ireo:
◼ Noho izy ireo gazety milaza ny marina sy mifikitra amin’ny fahamarinana, dia mampiseho mazava tsara ny fahasamihafan’ny tsara sy ny ratsy izy ireo.
◼ Manome fanantenana paradisa ho avy hitoeran’ny fahamarinana izy ireo, miorina amin’ny fampanantenan’Andriamanitra hametraka ny tany ho eo ambanin’ny fanapahan’ny Fanjakany.
◼ Misy foto-kevitra maro isan-karazany amin’ny ilana azy indrindra ao, ka manintona olona avy amin’ny fiaviana sy ny kolontsaina rehetra.
◼ Fohy, ahazoana fianarana, miorina amin’ny zava-misy, ary tsy ahitana fitsarana an-tendrony sy fanekena lembenana ireo lahatsoratra.
◼ Manaitra ny fahalianana avy hatrany ireo sary manintona ny maso, ary ny fomba fanoratra tsotra dia mahatonga ireo gazety ho mora vakina.
4 Mizarà be dia be aminy: Ny fanelezana gazety mandaitra dia miankina be dia be amin’ny fahazotoantsika manomana ny fomba fampisehontsika, sy ny fanaovantsika fandaharam-potoana, ary ny fandaminantsika ny asa fitoriantsika. Misy fanipazan-kevitra azo ampiharina ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1995 sy Oktobra 1996. Tsara ny hiverenana hijery sy hampiharana azy ireo.
5 Fantaro tsara ireo gazety: Rehefa mamaky ny nomerao tsirairay ianao, dia mieritrereta olona iray izay hankasitraka ny fananana azy io. Mitadiava hevitra na andinin-teny voafaritra tsara izay ho azonao tononina ao amin’ny fomba fampisehonao. Mieritrereta fanontaniana iray izay ho azonao apetraka mba hanombohan-dresaka sy hanairana ny fahalianana amin’ilay foto-kevitra.
6 Ampifanaraho amin’ilay olona ilay fomba fampiseho: Manomàna fomba fampiseho tsotra, sy azo ovana, izay ho azo ampifanarahina amin’ny lehilahy, ny vehivavy, ny be taona, na tanora iray, na olom-pantatra izany na vahiny.
7 Tsarovy foana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!: Koa satria omby mora foana ao anaty kitapo, poketra, na paosy ireo gazety, dia afaka mitondra azy ireo isika rehefa manao dia na miantsena. Atolory izy ireny rehefa miresaka amin’ny havana, ny mpiara-monina, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, na ny mpampianatra. Manokàna andro iray isan-kerinandro hanaovana fitoriana amin’ny alalan’ny gazety.
8 Manehoa fankasitrahana ireo gazety: Tsy mety lefy na oviana na oviana ny hasarobidin’izy ireo. Ny fandehan’ny fotoana dia tsy mampihena ny maha-zava-dehibe ny hafatra raketiny. Mazava ho azy fa raha manao ezaka manokana hametraka ny gazety voaraintsika rehetra isika, dia tsy ho voatery hiangona eo amin’ny talantalam-bokintsika ireo nomerao tranainy.
9 Mandaitra ny fanambarana eny amin’ny arabe: Io no iray amin’ireo fomba tsara indrindra anolorana gazety amin’ny olona maro be. Misy miverimberina mitory eny amin’ny toerana feno olona amin’ny andro tsena.
10 Ahitam-bokatra ny faritany be toeram-piasana: Vitsy ny olona tsy tratra an-trano rehefa mitory isam-pivarotana isika. Ny ankamaroan’ireo mpanao raharaham-barotra dia manaja, ary maro no faly mandray ireo gazety. Manasongadìna lahatsoratra mifanentana indrindra amin’ilay mpandraharaha iresahanao.
11 Manome fampanantenana ny lalana fizarana gazety: Koa satria atonta isan-tapa-bolana ireo gazety, dia mety ny hiverenana any amin’ireo olona namaky azy ireo mba hampisehoana ny nomerao manaraka. Tokony hanao fiverenana mitsidika tsy tapaka isika, tsy hoe mba hametrahana gazety fotsiny, fa mba hampitomboana ny fahalianan’ilay olona amin’ny Baiboly koa. Ny lalana fizarana gazety dia fomba tsara dia tsara mety hahazoana fampianarana Baiboly.
12 Mahaiza manararaotra be indrindra ny volana Aprily sy May: Nahazo ny fatokian’ny mpamaky feno fankasitrahana an-tapitrisany maro Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Mandaitra aoka izany izy ireo mba hanambarana ilay Fanjakana, ka tokony hanao ezaka manokana isika mba hitondra azy ireo eny amintsika sy hanolotra azy ireo isaky ny misy fahafahana. Enga anie ny volana Aprily sy May hiavaka raha ny amin’ny fanelezana gazety!