Ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana — Natao ho Anao ve Izy Io?
1 “Tsy afaka ny hieritreritra hanao zavatra hafa mihitsy aho. Tena tsy misy zavatra na inona na inona azoko eritreretina hoe hitondra fifaliana toy izao.” Iza no nilaza izany? Ny iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ana hetsiny maro izay nanao ny fanompoana manontolo andro ho anton’asany mahafaly teo amin’ny fiainana. Efa nandinika tamim-pahatsorana ve ianao raha natao ho anao ny fanompoan’ny mpisava lalana? Noho isika nanolo-tena tsy nisy fepetra ho an’i Jehovah, dia azo antoka fa tokony handinika isika raha mety ho afaka handray anjara feno kokoa amin’ny fampielezana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Amin’ny fitadidiana izany ao an-tsaina, dia diniho, aza fady, ny fanontaniana sasany izay apetraky ny maro momba ny fanompoan’ny mpisava lalana.
FANONTANIANA 1: “Milaza ny sasany fa tsy natao ho an’ny rehetra ny asan’ny mpisava lalana. Ahoana no ahafantarako raha natao ho ahy izy io?”
2 Miankina amin’ny tarehin-javatra misy anao sy ny adidinao araka ny Soratra Masina ny valin’izany. Misy olona maro izay tsy mamela azy hanokana 90 ora isam-bolana amin’ny fanompoana ny fahasalamany na ny toe-javatra misy azy. Raiso ho ohatra ny anabavy mahatoky maro izay Kristianina manambady aman-janaka. Mandray anjara amin’ny fanompoana, matetika araka ny amelan’ny tarehin-javatra misy azy, izy ireo. Rehefa misy fahafahana, dia manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray volana na mihoatra isan-taona izy ireo, ka migoka ny fifaliana entin’ny fanitarana ny fandraisany anjara amin’ny fanompoana. (Gal. 6:9). Na dia mety tsy hamela azy ho mpisava lalana manontolo andro aza ny tarehin-javatra misy azy ankehitriny, dia mampandroso ny toe-tsain’ny mpisava lalana izy ireo, ary fitahiana ho an’ny kongregasiona amin’ny maha mpitory ny vaovao tsara be zotom-po azy ireo.
3 Etsy an-danin’izany, dia rahalahy sy anabavy maro izay azo lazaina hoe afaka amin’ny adidy no nanome toerana ho an’ny fanompoan’ny mpisava lalana tamin’ny fanitsiana ny zavatra omeny ny toerana voalohany. Ahoana ny aminao? Tanora nahavita fianarana ve ianao? Vehivavy manana vady afaka mamelona tsara ny ankohonany ve ianao? Manambady ary tsy manan-janaka mbola miankina aminao ve ianao? Efa nisotro ronono tamin’ny asanao ve ianao? Fanapahan-kevitra tsy maintsy ataon’ny olona tsirairay ny hoe hanao ny asan’ny mpisava lalana ve izy sa tsia. Ny fanontaniana dia hoe: “Afaka manome toerana ao amin’ny fiainanao ho an’ny asan’ny mpisava lalana ve ianao?”
4 Mampiasa ny fandehan-javatr’itỳ tontolo itỳ izay feheziny i Satana mba hamenoana ny fiainantsika amin’ny fialam-boly sy hanototra antsika ao amin’ny fomba fiaina feno fitiavan-tena. Raha tapa-kevitra ny hitoetra tsy ho anisan’itỳ tontolo itỳ isika, dia hanampy antsika i Jehovah hihazona ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany ary hiezaka mba hanatratra sy hanaiky ny tombontsoam-panompoana teokratika rehetra izay misokatra ho antsika. Raha afaka manitsy ny tarehin-javatra misy anao mba ho mpisava lalana ianao, nahoana raha manao izany?
FANONTANIANA 2: “Ahoana no ahafahako mahazo antoka fa ho afaka hanohana ny tenako ara-bola aho amin’ny fanompoana manontolo andro?”
5 Marina fa any amin’ny tany maro, ny ora iasana takina isan-kerinandro mba hahazoana ireo zavatra heverina ho tena ilaina eo amin’ny fiainana, dia nampitomboina nandritra ireo taona. Na izany aza, dia maro no nanao ny asan’ny mpisava lalana efa hatramin’ny am-polony taona maro, ary manohy manohana azy ireo foana i Jehovah. Ilaina ny finoana sy ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena mba hahombiazana eo amin’ny asan’ny mpisava lalana. (Matio 17:20). Manome toky antsika ny Salamo 34:10 fa ‘izay mitady an’i Jehovah dia tsy ho orin-java-tsoa akory’. Na iza na iza miditra amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana dia tokony hanao izany amim-patokiana feno fa hanome izay ilainy i Jehovah. Izany indrindra no ataony ho an’ny mpisava lalana mahatoky hatraiza hatraiza! (Sal. 37:25). Mazava ho azy fa tsy manantena ny hafa hanohana azy ara-bola ny mpisava lalana, mifanaraka amin’ny foto-pitsipika ao amin’ny 2 Tesaloniana 3:8, 10, sy ny 1 Timoty 5:8.
6 Na iza na iza misaintsaina ny fanompoan’ny mpisava lalana dia tokony hanao araka izao nolazain’i Jesosy izao: ‘Mipetraha aloha mihevitra izay ho lany’. (Lioka 14:28). Mampiseho fahendrena azo ampiharina ny fanaovana izany. Miresaha amin’ireo izay nanao tamim-pahombiazana ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny taona maro. Anontanio ny fomba nanohanan’i Jehovah azy ireo. Ny mpiandraikitra ny fizaran-taninao dia mpisava lalana za-draharaha izay ho faly hanome fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hahombiazana amin’ny fanompoana manontolo andro.
7 Mety tsy hahita na oviana na oviana ny fahamarinan’ny fampanantenan’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33, ny olona iray, mandra-pametrany ny zava-drehetra eo am-pelatanan’i Jehovah. Nitantara toy izao ny mpisava lalana mahatoky iray: “Rehefa tonga tany amin’ny toerana vaovao nanendrena tamin’ny naha mpisava lalana izaho sy ilay niara-niasa tamiko, dia tsy nanana afa-tsy legioma kely fotsiny, sy fonosana dibera kely, izahay, sady tsy nanam-bola. Laninay tamin’ny sakafo hariva ny hanina ary hoy izahay hoe: ‘Tsy manana na inona na inona ho an’ny rahampitso isika izao.’ Nivavaka momba izany izahay ary nandeha natory. Vao maraina be ny ampitson’io, dia tonga nitsidika anay sady nampahafantatra ny tenany ny Vavolombelona iray teo an-toerana, nanao hoe: ‘Nivavaka aho mba hanirahan’i Jehovah mpisava lalana. Afaka miaraka aminareo aho anio tontolo andro, kanefa noho izaho mipetraka any ambanivohitra, dia voatery hiara-misakafo antoandro aminareo aho. Izany no antony nitondrako itỳ sakafo itỳ mba ho antsika rehetra.’ Henan’omby sy legioma be dia be izany.” Tsy mahagaga raha nanome toky antsika i Jesosy fa azontsika atao ny ‘tsy hanahy ny amin’ny aintsika’! Avy eo, dia nanampy teny toy izao izy: “Iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?” — Matio 6:25, 27.
8 Manjary mihamiahy fatratra ny zavatra ara-nofo hatrany ny tontolo manodidina antsika. Misy fanerena mitombo hatrany ampiharina amintsika mba hanarahana ny hafa. Kanefa, ny fananana fankasitrahana amim-panetren-tena ny fanompoana manontolo andro dia mahatonga antsika hianina amin’ny zavatra ara-nofo kely ananantsika. (1 Tim. 6:8). Ny mpisava lalana izay mihazona ny fiainany ho tsotra sy milamina, dia manana fotoana bebe kokoa ho amin’ny fanompoana ary mahazo fifaliana lehibe kokoa sy tanjaka ara-panahy avy amin’ny fampianarana ny hafa ny fahamarinana. Na dia tsy manandrana ny hanaraka fiainana feno fampijalian-tena aza izy ireo, dia nahatonga azy hankafy ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana ny fomba fanombanan-javatra voalanjalanja nataony teo amin’ny toe-bolany.
9 Raha tsapanao tsara fa miaina amin’ny andro farany isika ary madiva ho tapitra ny fotoana ho an’itỳ tontolo ratsy itỳ, dia ho voatosika eo amin’ny lafiny ara-panahy hanao ny sorona ilaina ianao mba hitory ny vaovao tsara amin’ny tarehin-javatra rehetra. Amin’ny fandinihana indray ny toe-bolanao sy amin’ny fametrahana ilay raharaha eo am-pelatanan’i Jehovah, dia mety hahatakatra ianao fa ho afaka ny hanompo azy manontolo andro. Na dia voatery hamoy zavatra ara-nofo sasany aza ianao mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana, dia hahazo fitahiana manana amby ampy avy amin’i Jehovah. — Sal. 145:16.
FANONTANIANA 3: “Amin’ny maha zatovo ahy, nahoana aho no tokony hihevitra ny fanompoan’ny mpisava lalana ho toy ny anton’asa?”
10 Raha eo am-pamitana ireo taona vitsivitsy farany amin’ny fianaranao ianao, dia mazava ho azy fa hieritreritra ny hoavinao. Irinao izy io ho azo antoka sy ho sambatra ary hahafa-po. Ireo mpanome tari-dalana any an-tsekoly dia mety hanandrana hampitodika anao ho amin’ny asa ahazoam-bola be izay mitaky fianarana any amin’ny oniversite mandritra ny taona maro. Ny feon’ny fieritreretana kristianina voaofana tsara dia miteny aminao fa tokony hiomana hanompo an’i Jehovah amin’ny fomba feno araka izay azo atao ianao. (Mpit. 12:1). Mety koa ianao hieritreritra ny hanambady aman-janaka any aoriana. Inona no hataonao?
11 Mety hamaritra ny hoavinao manontolo ny fanapahan-kevitra ataonao amin’izao fotoana izao. Raha efa Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa ianao, dia efa nanome ny tenanao amin’ny fanahy manontolo ho an’i Jehovah. (Heb. 10:7). Manandrama manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny iray volana na mihoatra, raha vao misy fahafahana. Hanome anao santatry ny fifaliana sy andraikitra entin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana maharitra izany, ary tsy isalasalana fa hanjary hazava kokoa ny fomba fijerinao ny amin’izay tokony hanaovanao ny fiainanao. Amin’izay, nahoana raha manomboka manao ny asan’ny mpisava lalana maharitra, toy izay hameno ny fotoana banga aorian’ny fahavitan’ny fianarana amin’ny asa ara-nofo manontolo andro? Ny sasany izay niandry aoriana kokoa teo amin’ny fiainana vao nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana dia nanenina noho ny tsy nanombohany aloha kokoa.
12 Amin’ny maha tanora anao, dia hararaoty ny fahafahanao hanohy hitoetra ho mpitovo sy hankafy ny soa azo amin’izany eo amin’ny asa fitoriana manontolo andro. Raha fanirianao ny hanambady indray andro any, dia tsy misy fototra tsara kokoa ho an’ny fanambadiana azo aorina, mihoatra noho ny fanompoana amin’ny asan’ny mpisava lalana maharitra aloha. Rehefa mitombo eo amin’ny fahamatorana sy ny fifikirana amin’ny zavatra ara-panahy ianao, dia mety hifidy ny hanao ny asan’ny mpisava lalana ho anton’asanao, miaraka amin’ny vady mitovy hevitra aminao. Mpivady sasany izay niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana no lasa any amin’ny asan’ny fizaran-tany na saha misionera. Tena fomba fiaina mahafa-po tokoa izany!
13 Na hafiriana na hafiriana anohizanao ny asan’ny mpisava lalana, dia hameno ny fahalalanao ianao ary handray fampiofanana sarobidy izay tsy azon’ny anton’asa hafa eto an-tany omena. Ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana dia mampianatra fifehezana, fahaiza-mandamin-javatra manokana, fomba hifampiraharahana amin’ny olona, fiankinana amin’i Jehovah, ary ny fomba hampitomboana ny faharetana sy ny hatsaram-panahy — toetra izay hanomana anao handray andraikitra lehibe kokoa.
14 Mbola tsy nahita fiainana tsy azo ianteherana tahaka izao mihitsy ny olombelona. Zavatra vitsy ihany no tena maharitra, ankoatra ny nampanantenain’i Jehovah. Koa satria mivoha midanadana ny hoavinao, inona no fotoana tsara kokoa noho ny ankehitriny mba hieritreretana tsara izay hampiasanao ny fiainanao amin’ireo taona ho avy? Diniho amim-pitandremana ny tombontsoa amin’ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana. Tsy hanenina na oviana na oviana ianao amin’ny fifidianana ny fanompoan’ny mpisava lalana ho anton’asanao.
FANONTANIANA 4: “Moa ve tsy fanerena tsy an-kijanona ny fanatratrarana ny ora takina? Ahoana raha tara aho eo amin’ny fanatratrarana ora?”
15 Rehefa mameno ny fangatahana hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra ianao, dia tsy maintsy mamaly ilay fanontaniana hoe: “Efa nandamina ireo raharahanao manokana ve ianao mba hahafahanao hahatratra tsara ny 1 000 ora, izay takina isan-taona?” Mba hanatratrarana azy io, dia mila manao adiny telo isan’andro amin’ny antsalany eo amin’ny fanompoana ianao. Miharihary fa mitaky fanaovana fandaharam-potoana tsara sy fahaiza-manitsy tena izany. Ny ankamaroan’ny mpisava lalana dia mamboly tsikelikely fahazarana azo ampiharina sy mandaitra, ao anatin’ny volana vitsivitsy.
16 Kanefa, milaza amim-pahamarinana toy izao ny Mpitoriteny 9:11: ‘Ny fotoana sy ny sampona dia samy mahazo antsika rehetra.’ Ny aretina mafy na ny tarehin-javatra tsy ampoizina hafa dia mety hahatonga ny mpisava lalana iray tsy hahafeno ny ora takina. Raha tsy maharitra sy miseho eo am-piandohan’ny taom-panompoana ilay zava-manahirana, dia ny fampitomboana ny fandaharam-potoana no hany mety hilaina mba hanonerana ny fotoana very. Ahoana anefa raha mipoitra ao anatin’ny volana vitsivitsy sisa tavela amin’ny taom-panompoana ny zava-manahirana lehibe ary tsy afaka manonitra ny ora ilay mpisava lalana?
17 Raha marary vetivety mandritra ny volana vitsivitsy ianao na tsy afaka manatratra ny ora takina noho ny anton-javatra hafa maika tsy azonao anoarana, dia afaka manatona ny iray amin’ireo anisan’ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Kongregasiona sy manazava ilay zava-manahirana ianao. Raha heverin’ireo loholona ireo fa ho tsara ny hamelana anao hanohy ny fanompoan’ny mpisava lalana tsy misy fanahiana ny hanatratra ny ora very, dia afaka manao izany fanapahan-kevitra izany izy ireo. Hanisy fanamarihana ao amin’ny karatra Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitorin’ny Kongregasiona ny mpitan-tsoratra mba hampisehoana fa tsy takina aminao ny hanatratrarana ny ora very. Tsy fanomezan-dalana hiala adidy akory izy io, fa fiheverana manokana kosa ny tarehin-javatra misy anao. — Jereo ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1986, fehintsoratra faha-18.
18 Ireo mpisava lalana za-draharaha dia manangona ora ambonin’izay takina aminy, dieny mbola eo am-piandohan’ny taom-panompoana. Mitana ny toerana voalohany ny fanompoan’ny mpisava lalana ataon’izy ireo, noho izany dia matetika izy ireo no mahita fa tena ilaina ny mampihena ny fanaovan-javatra tsy tena ilaina. Raha tsy mahafeno ora ny mpisava lalana iray noho ny tsy fahaizana manao fandaharam-potoana tsara na ny tsy fisian’ny fahaiza-manitsy tena amin’ny fanarahana azy io, dia tokony hahatsapa izy fa andraikiny ny manatratra ny ora very ka tsy hanantena fiheverana manokana izy.
19 Misy fotoana mety handalovan’ny mpisava lalana iray fiovana tsy azo ihodivirana eo amin’ny tarehin-javatra misy azy. Mety ho hitany fa tsy afaka manatratra ny ora takina mandritra ny fotoana ela be izy noho ny zava-manahirana ara-pahasalamana mitohy, ny fitombon’ny andraikitra ara-pianakaviana, sy ny toy izany. Amin’io toe-javatra io, ny lalam-pahendrena dia ny hiverenana eo amin’ny laharan’ny mpitory sy ny handraisana anjara amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy isaky ny azo atao izany. Tsy misy fandaharana mitohy hamelana olona iray hijanona ao amin’ny lisitry ny mpisava lalana raha tsy mamela azy intsony hanatratra ny ora takina ny tarehin-javatra misy azy.
20 Manantena izahay fa ilay fandaharana fanomezana fiheverana manokana an’ireo izay mahafeno fepetra dia hampirisika olona maro kokoa hirotsaka amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana tsy misy fanahiana tsy amin’antony. Tokony hampirisika ireo izay efa ao amin’ny fanompoana manontolo andro mba hanohy hanao ny asan’ny mpisava lalana koa izy io. Irinay ny hahombiazan’ireo mpisava lalana amin’ny fanompoana manontolo andro ataon’izy ireo.
FANONTANIANA 5: “Iriko ny hanatanteraka zavatra iray sy ny ho sambatra amin’ny fanaovana izany. Hahafa-po ahy ve ny fanompoan’ny mpisava lalana?”
21 Ny tena fahasambarana dia miankina be dia be amin’ny fananana fifandraisana akaiky sy manokana amin’i Jehovah sy ny fiekena mafy fa manompo azy amim-pahatokiana isika. Naharitra ny hazo fijaliana i Jesosy “mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany”. (Heb. 12:2). Ny fahasambarany dia avy tamin’ny fanaovany ny sitrapon’Andriamanitra. (Sal. 40:8). Amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, isika dia afaka manana ny tena fahasambarana raha mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana atolotsika ho an’i Jehovah ny ankamaroan’ny asa ataontsika eo amin’ny fiainana. Mahatonga antsika hahatsiaro ho manan-java-kendrena ny fikatsahana zavatra ara-panahy, satria fantatsika ao am-pontsika fa manao izay mahitsy isika. Ny fahasambarana dia avy amin’ny fanomezana, ary fantatsika fa tsy misy fomba tsara kokoa hanomezana avy amin’ny tenantsika noho ny fampianarana ny hafa ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. — Asa. 20:35.
22 Nanazava izany toy izao ilay mpisava lalana voatonona terỳ amin’ny fehintsoratra voalohany: “Mety hisy fifaliana lehibe kokoa noho ny fahitana olona iray niara-nianatra Baiboly taminao tonga mpidera marisika an’i Jehovah ve? Mampientam-po no sady manatanjaka ny finoana ny mahita ny herin’ny Tenin’Andriamanitra manosika olona hitondra fiovana eo amin’ny fiainany mba hampifaliana an’i Jehovah.” (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1997, pejy 18-23.) Koa inona àry no mitondra fahasambarana ho anao? Raha tsy ny fifaliana mihelina atolotr’itỳ tontolo itỳ no heverinao ho sarobidy, fa ireo raharaha mendrika hiezahana sady maharitra, dia hanome anao fahafaham-po mahatalanjona izay tena hahasambatra anao, ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana.
FANONTANIANA 6: “Raha tsy takina izy io mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, moa ve tsy ahy ny safidy na hanao ny asan’ny mpisava lalana aho na tsia?”
23 Marina fa tsy maintsy ianao no manapa-kevitra hanao ny asan’ny mpisava lalana. I Jehovah irery ihany no afaka mitsara ny tarehin-javatra misy anao manokana eo amin’ny fiainana. (Rom. 14:4). Manantena ara-drariny anao mba hanompo azy amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra izy. (Marka 12:30; Gal. 6:4, 5). Tiany ny mpanome amim-pifaliana, dia izay manompo azy amim-pifaliana, tsy amin’ny alahelo na amin’ny faneriterena. (2 Kor. 9:7, Kol. 3:23). Ny antony anompoanao manontolo andro dia tsy maintsy ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny olona eny amin’ny faritany. (Matio 9:36-38, Marka 12:30, 31). Raha izay no tsapanao, dia mendrika ny hodinihinao amim-pitandremana ny fanompoan’ny mpisava lalana.
24 Manantena izahay fa izay nosoritana tato dia hanampy anao handinika amim-pitandremana ny fanantenanao hanao ny asan’ny mpisava lalana. Afaka manitsy ny tarehin-javatra misy anao ve ianao mba hanaovana ny asan’ny mpisava lalana maharitra? Vita pirinty eto ambany ny kalandrie mitondra ny lohateny hoe: “Ny Fandaharam-potoanako Isan-kerinandro ao Amin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana”. Jereo raha afaka mameno fandaharam-potoana iray azo ampiharina ho an’ny tenanao, izay hamela anao hanao 23 ora isan-kerinandro amin’ny antsalany eo amin’ny fanompoana ianao. Avy eo, dia apetraho amin’i Jehovah ny finoanao feno sy ny fitokianao feno. Noho ny fanampiany dia ho afaka ny hahomby ianao! Nampanantena toy izao izy: ‘Hampidinako fitahiana manana amby ampy ianareo.’ — Mal. 3:10.
25 Koa manontany toy izao isika: “Ny fanompoan’ny mpisava lalana — natao ho anao ve izy io?” Raha afaka milaza hoe “Eny” ianao, dia mamera daty mba hanombohana ny asan’ny mpisava lalana maharitra, ary matokia fa hitahy anao amin’ny fiainana mahafaly i Jehovah!
[Tabilao, pejy 6]
(Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana)
Ny Fandaharam-potoanako Isan-kerinandro ao Amin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
ALATSINAINY: Maraina fanompoana eny amin’ny saha
TALATA: Maraina fanompoana eny amin’ny saha
ALAROBIA: Maraina fanompoana eny amin’ny saha
ALAKAMISY: Maraina fanompoana eny amin’ny saha
ZOMA: Maraina fanompoana eny amin’ny saha
ASABOTSY: Maraina fanompoana eny amin’ny saha
ALAHADY: Maraina fanompoana eny amin’ny saha
ALATSINAINY: Tolakandro fanompoana eny amin’ny saha
TALATA: Tolakandro fanompoana eny amin’ny saha
ALAROBIA: Tolakandro fanompoana eny amin’ny saha
ALAKAMISY: Tolakandro fanompoana eny amin’ny saha
ZOMA: Tolakandro fanompoana eny amin’ny saha
ASABOTSY: Tolakandro fanompoana eny amin’ny saha
ALAHADY: Tolakandro fanompoana eny amin’ny saha
ALATSINAINY: Takariva fanompoana eny amin’ny saha
TALATA: Takariva fanompoana eny amin’ny saha
ALAROBIA: Takariva fanompoana eny amin’ny saha
ALAKAMISY: Takariva fanompoana eny amin’ny saha
ZOMA: Takariva fanompoana eny amin’ny saha
ASABOTSY: Takariva fanompoana eny amin’ny saha
ALAHADY: Takariva fanompoana eny amin’ny saha
Mampiasà pensilihazo mba hiraketana an-tsoratra ny fandaharam-potoananao ao anatin’ny herinandro. Manaova fandaharam-potoana 23 ora eo ho eo isan-kerinandro amin’ny fitambarany eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.
Tontalin’ny ora nanaovana fandaharam-potoana isan-kerinandro
------------------