FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/98 p. 1
  • Ho Volana Hiavaka ve ny Aogositra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho Volana Hiavaka ve ny Aogositra?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Iray Alina!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mpitory Ilay Fanjakana Tsy Tapaka ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 8/98 p. 1

Ho Volana Hiavaka ve ny Aogositra?

1 Taona niavaka ho an’ny vahoakan’i Jehovah ny taona 1963. Fantatrao ve hoe nahoana? Satria tamin’izay dia nahatratra iray tapitrisa ny isan’ny mpitory naneran-tany. Raha tao amin’ny fahamarinana ianao tamin’izany fotoana izany, dia mety hahatadidy ny fientanam-pontsika noho ny fisian’ny olona maro aoka izany nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana! Amin’izao fotoana izao, dia mahatratra an’io isa io ny mpitory any Etazonia fotsiny. Eto Madagasikara, dia misy mpitory maherin’ny 9 500. Isam-bolana anefa, dia maherin’ny 1 000 amintsika, amin’ny antsalany, no tsy manao tatitra momba ny fandraisany anjara amin’ny fanompoana.

2 Ekeo ilay zava-tsarotra: Miezaka mafy hanatratra tampon’isa ambony indrindra amin’ny mpitory iray alina isika mandritra ny volana Aogositra, eto Madagasikara. Raha mahomby ny ezaka ataontsika, dia ho tena volana hiavaka tokoa ny Aogositra! Ho vitantsika izany, raha manao ny anjarantsika isika rehetra.

3 Afaka mandany fotoana sasantsasany eny amin’ny fanompoana ireo izay mikasa hanao vakansy, alohan’ny handehanany. Mitondrà taratasy mivalona, bokikely, na gazety mba hahafahanao hanao fanambarana amin’ny olona ho hitanao any. Afaka mankafy ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana miaraka amin’ireo mpitory eo an-toerana koa ianao, rehefa tonga any amin’izay halehanao.

4 Raha kilemaina ianao, dia mbola afaka mandray anjara amin’ny fanompoana ihany. Mety ho afaka hanao fanambarana amin’ny dokotera, na mpitsabo mpanampy, na ny mpitsidika anao ianao. Angamba ho afaka hanao fanambarana amin’ny alalan’ny taratasy na telefaonina ianao.

5 Tsy isalasalana fa ny sasany dia hankasitraka ny fanampiana mba handraisana anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’ny Aogositra. Tokony hanao fandaharana mba hanomezana izany fanampiana izany ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana ary mpitarika ny fianarana ny boky. Aoka ianao tsy hanadino mihitsy ny mamerina haingana ny tatitra momba ny fanompoanao teny amin’ny saha amin’ny fiafaran’ny volana, mba ho anisan’ny mpitory ianao amin’ny Aogositra.

6 Ankamamio ilay tombontsoa: Ny fanompoana dia “zavatra tsara natolotra”. (2 Tim. 1:14). Mankasitraka ilay tombontsoa nomena antsika mba hitory ny vaovao tsara isika. (1 Tes. 2:4). Rehefa mandinika ny zavatra rehetra izay nataon’i Jehovah ho antsika isika, dia tokony ho voatosika handray anjara mitohy amin’io asa tena lehibe io mandritra ny taona manontolo. Tsy tokony hisy zavatra na inona na inona havela hanakantsakana antsika tsy hitory tsy tapaka. Aoka isika hanao itỳ Aogositra itỳ ho volana miavaka eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ary ho tapa-kevitra ny hanao fanambarana momba azy isam-bolana sy aorian’izany! — Sal. 34:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara