Vaovao Teokratika
Albania: Ireo mpitory 600 nanao tatitra tamin’ny Aogositra no tampon’isa faha-28 nisesy.
Angola: Tratra ny tampon’isa ambony indrindra hatramin’izay tamin’ny mpitory 26 129 tamin’ny nifaranan’ny taom-panompoana. Nisy tampon’isa koa tamin’ny mpisava lalana maharitra 1 309. Nanana antsalany maherin’ny 15 ora sy fampianarana Baiboly roa ireo mpitory tamin’ny Aogositra.
Chili: Nandritra ny volana Aogositra, dia tratra ny tampon’isa vaovao ambony indrindra tamin’ny mpitory 50 283 tamin’ny fitambarany! Sambany vao nihoarana ny isa 50 000. Nandany 12 ora amin’ny antsalany tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha ireo mpitory. Nisy fampianarana Baiboly any an-tokantrano 63 732 tamin’ny fitambarany, notarihina.
Grande-Bretagne: Ravoravo izahay manao tatitra fa tratra ny tampon’isa vaovao ambony indrindra tamin’ny mpitory 132 440 tamin’ny Aogositra. Mampiseho fitomboana 2 isan-jato izany raha oharina amin’ny tamin’ny taom-panompoana lasa.