Fandinihana ny Fandroson’ilay Asa Maika Fanaovana Mpianatra
1 Talohan’ny nandaozany ny tany, dia nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba ‘hanao mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra’. Izany dia nitaky ny hanaovan’izy ireo ezaka manokana lehibe kokoa eo amin’ny fitoriana sy ny fampianarana, ary ny hanitarany ny asany hatrany amin’ny tany onenana manontolo. (Matio 28:19, 20, NW; Asa. 1:8). Nihevitra io asa nanirahana io ho toy ny enta-mavesatra sarotra nentina loatra ve izy ireo? Tsia, raha araka ny apostoly Jaona. Nanoratra toy izao izy rehefa avy nandany 65 taona tamin’ny naha mpanao mpianatra azy: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” — 1 Jaona 5:3.
2 Ny firaketana an-tsoratra araka ny Soratra Masina ny amin’ny asan’ireo Kristianina tany am-boalohany dia manaporofo fa nanao tamim-pahadodonana ilay asa nanirahana azy hanao mpianatr’i Jesosy Kristy, izy ireo. (2 Tim. 4:1, 2). Tsy noho ny adidy fotsiny no nanaovan’izy ireo izany, fa noho ny faniriany tamim-pitiavana hidera an’Andriamanitra sy hitondra ilay fanantenam-pamonjena ho an’ny hafa. (Asa. 13:47-49). Koa satria ireo rehetra tonga mpianatra dia lasa mpanao mpianatra koa taorian’izany, dia nitombo haingana ny kôngregasiôna kristianina tamin’ny taonjato voalohany. — Asa. 5:14; 6:7; 16:5.
3 Mihafaingana ny asa fanaovana mpianatra: Tanterahina amin’izao taonjato faha-20 izao ny asa fanaovana mpianatra lehibe indrindra! Olona an-tapitrisany maro hatramin’izao no nanaiky ny vaovao tsara ary nanao asa nifanaraka tamin’izany. (Lioka 8:15). Koa satria mihatapitra haingana ny fotoana ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia nanome antsika ny fitaovana hahafahan’ny olona tso-po hianatra ny fahamarinana haingana, ny “mpanompo mahatoky sy malina”. — Matio 24:45, NW.
4 Nahazo ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay isika tamin’ny 1995, ary narahin’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? izy io, tamin’ny 1996. Raha ny amin’ny boky Fahalalana dia nilaza toy izao Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1996, pejy 14: “Azo ianarana ao anatin’ny fotoana fohy ihany io boky 192 pejy io, ary ireo ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’ dia tokony ho afaka hianatra zavatra ampy amin’ny alalan’ny fianarana azy io, mba hanao fanoloran-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa.” — Asa. 13:48, NW.
5 Nanome antsika izao tanjona izao ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996 hoe “Ny Fomba Fanaovana Mpianatra Amin’ny Alalan’ny Boky Fahalalana”: “Miankina amin’ny tarehin-javatra sy ny fahaizan’ilay olona ampianarina, dia mety ho azonao atao ny hamita toko betsaka indrindra amin’ny fotoam-pianarana maharitra adiny iray eo ho eo, nefa tsy hihazakazaka mandritra ny fianarana. Hanao fandrosoana tsara kokoa ireo olona ampianarina rehefa samy manaja ny fotoana nifanaovana isan-kerinandro ilay mpampianatra sy ilay olona ampianarina.” Nanohy ny filazany toy izao ilay lahatsoratra: “Tokony hantenaina fa, rehefa mahavita ny fianarana ny boky Fahalalana ny olona iray, ny fahatsoram-pony sy ny fahalianany lalina hanompo an’Andriamanitra dia ho efa hanjary hiharihary.” Nanazava toy izao ny Valin’ireo Fanontanianareo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996: “Antenaina fa ao anatin’ny fe-potoana fohifohy ihany, ny mpampianatra mahay iray dia ho afaka hanampy mpianatra tsotra iray tso-po hahazo fahalalana ampy mba hanaovana fanapahan-kevitra amim-pisainana tsara mba hanompo an’i Jehovah.”
6 Mahita vokatra ny boky Fahalalana: Tamin’ny batisany dia nitantara izay tsapany momba ny fianarany ny boky Fahalalana ny tovovavy iray. Efa elaela no nianarany ny boky Hiaina Mandrakizay. Rehefa nivoaka ny boky Fahalalana, dia nafindran’ilay anabavy nitarika ny fianarany ho amin’ilay boky vaovao ny fianarany. Tsy ela dia hitan’ilay mpianatra fa hitaky fanapahan-kevitra avy aminy izy io, ka voatosika hanao fandrosoana haingana izy nanomboka tamin’io fotoana io. Hoy ilay tovovavy, izay efa anabavintsika izao: “Nanampy ahy ho tia an’i Jehovah ny boky Hiaina Mandrakizay, fa nanampy ahy handray fanapahan-kevitra hanompo azy kosa ny boky Fahalalana.”
7 Diniho ny fomba haingana nianaran’ny vehivavy hafa iray ny fahamarinana. Taorian’ny fianarany faharoa, dia nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tamin’iny herinandro iny, tamin’ny fianarany fahatelo, dia nilaza tamin’ilay mpiandraikitra izy fa efa nanao ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah ary naniry ho tonga mpitory tsy vita batisa. Nihaona tamin’ireo loholona izay nanaiky azy ho mpitory izy, ary ny herinandro nanaraka dia nanomboka nanao ny fanompoana teny amin’ny saha. Nanjary tafiditra lalina tamin’ny fianarany Baiboly izy ka nangataka permission mba hahafahany hianatra indroa na intelo isan-kerinandro sy handany fotoana bebe kokoa eny amin’ny fanompoana. Indraindray izy ireo dia nanao toko roa na telo isaky ny fotoam-pianarana. Nanomboka nampihatra izay nianarany tamin’ny lafin-javatra rehetra teo amin’ny fiainany izy, nahavita ny boky Fahalalana tao anatin’ny iray volana, ary nandroso ho amin’ny batisa!
8 Milazalaza ny tenany ho “nampiseho tsara ny atao hoe vady tsy mpino” ny vadin’ny anabavy iray. Nanolotra fampianarana Baiboly azy tamin’ny boky Fahalalana, indray andro, ny rahalahy iray, tamin’ny fanekena fa ho azon’ilay rangahy atao ny hijanona aorian’ny fianarana voalohany na amin’izay fotoana tiany aorian’izany. Nanaiky hanandrana izy, na dia mpianatra tsy nahay aza izy fony tanora, sady tsy nianatra boky ara-pivavahana na inona izany na inona hatramin’ny 20 taona mahery. Nanao ahoana ny fihetsiny rehefa nianatra ny boky Fahalalana izy? Hoy izy: “Tena fahafinaretana ny nahita fa nosoratana tamin’ny fomba tsotra itỳ boky fianarana Baiboly itỳ. Aseho amin’ny fomba mazava sy lôjika ilay fanazavana ka tsy ela akory dia tsy andriko izay hanaovana ny fianarana manaraka. Nanaraka tamim-pahakingana ireo fomba fanaovana mpianatra nosoritan’ny Fikambanana ny mpampianatra ahy, ary noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah, dia natao batisa aho, efa-bolana tatỳ aoriana. Tena afaka milaza marina aho fa hahazo ilay tombontsoa manokana hanampy amin’ny fanaovana mpianatra isika, raha mamboly tsikelikely fitiavana manao mpianatra, manohy mitady ireo olona mahitsy fo eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, mampiasa ny boky Fahalalana sy ny boky fianarana Baiboly hafa omen’ny Fikambanana, ary ny tena lehibe indrindra dia ny mangataka ny fitarihan’i Jehovah amin’ny vavaka.” Tena maningana ireo zavatra niainana voatantara eo ambony ireo. Tsy tonga ao amin’ny fahamarinana amin’ny fomba haingana toy izany ny ankamaroan’ireo olona ampianarintsika.
9 Tsy mitovy ny fandroson’ny mpianatra: Tsy maintsy ekena fa mety ho samy hafa be ny fahaizan’ny mpampianatra sy ny mpianatra ny Tenin’Andriamanitra. Mety ho miadana na haingana ny fitomboana ara-panahy. Volana vitsivitsy monja no anaovan’ny mpianatra sasany ny fandrosoana izay mety hataon’ny hafa ela be kokoa. Misy akony eo amin’ny fandroson’ny olona iray ara-panahy ny fari-pahaizany, sy ny halehiben’ny fankasitrahany ny zavatra ara-panahy, ary ny halalin’ny fifikirany amin’i Jehovah. Tsy izay rehetra miara-mianatra amintsika akory no manana “zotom-po indrindra” hianatra ny Soratra Masina isan’andro, toy ny nataon’ireo Berianina fahiny izay tonga mpino. — Asa. 17:11, 12.
10 Izany no antony anomezan’ilay takelaka fanampiny hoe “Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa”, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 1998, toromarika araka ny zava-misy toy izao: “Mazava ho azy fa tsy mitovy ny fandroson’ny mpianatra Baiboly rehetra. Ny sasany dia tsy manana fironana ho amin’ny zavatra ara-panahy toy ny hafa na mandray ireo zavatra ampianarina haingana toy ny hafa. Ny hafa dia tena be zavatra atao eo amin’ny fiainana ary mety tsy ho afaka ny hanokana ny fotoana ilaina mba hamitana toko iray isan-kerinandro. Araka izany, amin’ny toe-javatra sasany dia mety ho fianarana maherin’ny iray no ilaina mba hamitana ny toko sasany, ary volana fanampiny sasany mba hamitana ilay boky.”
11 Mihazona fomba fijery voalanjalanja ireo mpanao mpianatra: Tena ilaina hofaritana arakaraka ny tarehin-javatra sy ny fahaizan’ilay mpianatra ny fandroson’ilay fianarana. Koa satria ampirisihina isika mba hanomboka ny fianarana amin’ny bokikely Takina, dia mety haka roa ka hatramin’ny telo volana ny famitana izany, alohan’ny hidirana amin’ny boky Fahalalana. Raha mampiasa ny fanoloran-kevitra rehetra izay nosoritana tao amin’ny takelaka fanampiny ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996 isika, dia mety hila enina ka hatramin’ny sivy volana hafa mba hamitana ny boky Fahalalana. Ny sasany izay vao avy nanomboka fampianarana tamin’ny boky Fahalalana, dia namindra izany tamin’ny bokikely Takina, mba hanampiana ilay mpianatra hianatra haingana kokoa ireo fahamarinana ara-baiboly fototra. Avy eo dia notohizana indray tamin’ny boky Fahalalana ilay fianarana. Raha natomboka tamin’ny boky Fahalalana ny fampianarana iray ka mandroso tsara, dia mety hahasoa ny hianarana ny bokikely Takina aorian’ny famitana ny boky Fahalalana, mba handinihana haingana indray ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ireo tarehin-javatra roa ireo, dia tsy irintsika ny hanakana ilay mpianatra tsy hahazo fahatakarana mazava ny fahamarinana mba hoe hamitana ilay boky haingana fotsiny. Mila fototra mafy orina ho an’ny finoany vaovao ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatra tsirairay.
12 Noho ny fahafantarana hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana, dia ilaina maika kokoa noho ny hatramin’izay ny manampy ny hafa hianatra ny fahamarinana. Ankoatra ny fivavahana tsy tapaka mba hanombohana fampianarana Baiboly vaovao, dia aoka isika hivavaka ho an’ireo izay efa miara-mianatra amintsika. Ho faly isika amin’izay hanohy hanao batisa mpianatra maro kokoa “amin’ny andro rehetra, hatramin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. — Matio 28:20, NW.