FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/98 p. 1
  • Hitan’izy Ireo fa Hafa Isika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hitan’izy Ireo fa Hafa Isika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hijinja arakaraka ny fiezahantsika manokana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitarika ny Fandaminany i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 12/98 p. 1

Hitan’izy Ireo fa Hafa Isika

1 Tamin’ny taon-dasa, dia olona vaovao maherin’ny 300 000 no nanatevin-daharana antsika tamin’ny fanekena hatao batisa. Inona no hitan’ireny olona ireny tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nahatonga azy ireny haniry ho anisan’ny fandaminan’Andriamanitra? Nahoana isika no miavaka amin’ny fivavahana hafa rehetra? Indreto misy valiny miharihary sasany:

— Mifikitra amin’ny Baiboly isika fa tsy amin’ny hevitsika manokana: Manolotra fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, tsy misy hafa amin’izay nolazain’i Jesosy Kristy, isika. Midika izany fa nolavintsika ny lainga ara-pivavahana ary narahintsika ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. — Jaona 4:23, 24; 2 Tim. 3:15-17.

— Mankany amin’ny olona isika fa tsy miandry azy ireo hanatona antsika: Nanaiky ny fanirahan’i Kristy mba hitory sy hampianatra isika, ary manahaka ny ohatra navelany ny amin’ny fitadiavana ireo olona tso-po. Mitady azy ireo any an-tranony, eny an-dalana, na any amin’izay toerana mety hahitana azy isika. — Matio 9:35; 10:11; 28:19, 20; Asa. 10:42.

— Manome fampianarana Baiboly maimaim-poana ho an’ny rehetra isika: Mampiasa ny fananantsika sy ny herintsika isika, nefa tsy mitaky vola, ka manokana ora maherin’ny arivo tapitrisa isan-taona amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Miara-mianatra Baiboly amin’ny karazan’olona rehetra, tsy misy fizahan-tavan’olona, isika. — Matio 10:8; Asa. 10:34, 35; Apok. 22:17.

— Tsara ofana mba hanampy ny olona eo amin’ny lafiny ara-panahy isika: Amin’ny alalan’ny fianarantsika manokana ny Baiboly sy ny toromarika omena antsika any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna sy fivoriambe no andraisantsika fampianarana teôkratika mitohy sy sarobidy, izay mahatonga antsika ho afaka hanome fahalalana ara-panahy ny hafa. — Isaia 54:13; 2 Tim. 2:15; 1 Pet. 3:15.

— Mihevitra ny fahamarinana ho zava-dehibe isika, ary mampihatra azy io eo amin’ny fiainantsika andavanandro: Noho ny fitiavantsika an’Andriamanitra, dia manao fiovana isika, ka mampifanaraka ny fiainantsika amin’ny sitrapony. Misarika ny hafa ho amin’ny fahamarinana, ny toetra vaovao toy ny an’i Kristy izay ananantsika. — Kol. 3:9, 10; Jak. 1:22, 25; 1 Jaona 5:3.

— Miezaka mafy mba hiara-miaina sy hiara-miasa amim-pihavanana amin’ny hafa isika: Manampy antsika mba hitandrina izay ataontsika sy izay lazaintsika ny fambolena toetra tsara. ‘Mitady fihavanana [amin’ny olona rehetra] sy manaraka izany’ isika. — 1 Pet. 3:10, 11; Efes. 4:1-3.

2 Manosika olona maro hanaiky ny fahamarinana ireo ohatra ny amin’ny fomba fiaina kristianina, izay hitan’ny olona ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Enga anie ny ohatra omen’ny tenantsika manokana mba hisy vokany mitovy amin’izany, eo amin’ireo izay mahafantatra sy mandinika antsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara